Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Tsy Ampy eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Genesisy 1:21-28. Jereo amin’izay ilay sary. Inona no tsy ampy eo? Soraty eo ambany ny valin-teninao ary ampifandraiso ireo teboka mba hamenoana ny sary. Lokoy ny sary avy eo.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

IARAHA-MIDINIKA:

Iza no niresahan’Andriamanitra rehefa nilaza izy hoe: “Andeha isika hanao olona araka ny endritsika, misy itovizana amintsika”?

Vakio ny Jaona 17:1, 5; Kolosianina 1:15, 16.

Inona no dikan’ny hoe natao araka ny endrik’Andriamanitra ny olona?

Vakio ny Kolosianina 3:10; 1 Petera 1:16.

Inona no toetran’i Jehovah sy Jesosy tena tianao? Ahoana no anahafanao ny toetran’izy ireo?

Vakio ny Efesianina 4:31, 32; 1 Jaona 4:7, 8.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Soraty amin’ny taratasy izay biby dimy tianao indrindra. Omeo anarana vaovao izy ireo, toy ny nataon’i Adama. Ataovy arakaraka ny bikany na ny feony na ny fihetsiny ilay anarana. Vakio mafy ilay anarana vaovao avy eo, ary asaivo mamantatra an’ilay biby ny mpianakavinao.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

KARATRA ARA-BAIBOLY 19 PAOLY

FANONTANIANA

A. Nanao ․․․․․ i Paoly mba hahazoam-bola hivelomana.

B. Ny apostoly Paoly dia nampianatra ny olona “ampahibemaso sy...”

D. Natsangan’i Paoly tamin’ny maty ny zazalahy iray antsoina hoe ․․․․․.

[Tabilao]

4026 T.K. Taona 1 98

Noforonina i Adama Niaina tamin’ny Vita ny fanoratana

taonjato voalohany ny Baiboly

[Sarintany]

Teraka tao Tarsosy, ary nanao misionera tany Eoropa sy Azia Minora

EOROPA

Roma

AZIA MINORA

Tarsosy

Jerosalema

PAOLY

MOMBA AZY

Mpanenjika ny Kristianina izy fa niova ka lasa apostoly ho an’ny hafa firenena. Nasain’i Jehovah nanoratra boky 14 ao amin’ny Soratra Grika Kristianina izy. Nanao dia an’arivony kilaometatra izy tamin’izy misionera ary nanorina fiangonana tany Eoropa sy Azia Minora.—Romanina 11:13; 1 Timoty 1:12-16.

VALINY

A. tranolay.—Asan’ny Apostoly 18:3-5.

B. “... isan-trano.”—Asan’ny Apostoly 20:20.

D. Eotyka.—Asan’ny Apostoly 20:7-12.

Olona sy Tany

3. Maté sy Nia no anaranay, 7 taona sy 8 taona izahay, ary mipetraka atỳ amin’ny Repoblikan’i Géorgie. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ aminay: 10 000, sa 17 000, sa 26 000?

4. Aiza amin’ireo teboka ireo no mampiseho ny atỳ aminay? Ataovy anaty boribory izany. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy ny Repoblikan’i Géorgie.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Raha te hanao pirinty an’ireo “Natao Hodinihin’ny Mpianakavy” ianao, dia jereo ireo Mifohaza! ao amin’ny www.pr418.com

● Any amin’ny pejy 26 ny valin’ny “NATAO HODINIHIN’NY MPIANAKAVY”

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Biby manidina manana elatra.

2. Bibidia.

3. 17 000.

4. B.