Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sakafo Mafilotra avy any An-dranomasina

Sakafo Mafilotra avy any An-dranomasina

Sakafo Mafilotra avy any An-dranomasina

Misy olona vitsivitsy misakafo ao amin’ny hotely iray any New York. Efa noana be ry zareo. Vakiny amin’ny fitaovana iray ny akoran’ilay hazandrano eo ambony viliany, ary tonga dia arapany ilay nofo malemy sy mafilotra tao anatiny. Tsy raharahainy akory ny mason’ilay biby toa mivandravandra aminy. Fa inona no hanin’izy ireo? Oran-dranomasina.

ANTSOIN’NY tantsambo sasany hoe bibikelin-dranomasina io hazandrano io. Hoatran’ny bibikely mantsy ny fahitana azy rehefa mandady ao anaty sambo.

Hoatran’ny bibikely koa ireo andiana oran-dranomasina nameno ny morontsiraka avaratratsinanan’i Etazonia, teo anelanelan’ny 1700 sy 1800. Nosamborina ireo bibikely ireo ary natao zezika, na natao jono, na natao sakafon’ny voafonja. Be dia be izy ireny tamin’izany ka nitaraina ny mpiasa mba tsy hihinana azy isan’andro. Namoaka didy àry ny fitsarana mba tsy homena oran-dranomasina mihoatra ny intelo isan-kerinandro izy ireo.

Tsy fahitan’ireo any afovoan-tany anefa ny oran-dranomasina. Mora simba mantsy izy ireny ary tsy azo tehirizina, satria tsy mety asiana sira na hamainina. Nanjary nisy ny orana am-bifotsy nanomboka tamin’ny 1850 tany ho any, ka lasa maro no afaka nankafy an’io sakafo mafilotra io. Azo namidy eran’i Etazonia koa ny oran-dranomasina velona, rehefa vita ny lalamby. Nitombo be àry ny mpanafatra azy. Ny mpanankarena ihany anefa no afaka nankafy an’ilay sakafo matsiro, satria lafo be ny fitaterana azy.

Maro ny karazana oran-dranomasina alain’ny mpanjono eran-tany. Any amin’ny ilany atsinanan’i Etazonia ny Amerikanina no manjono oran-dranomasina. I Maine, any avaratratsinanan’i Etazonia, no tena mpamokatra azy io eran-tany. Samy aondrany daholo na velona na efa masaka. Mety hitondra orana hatramin’ny 36 287 kilao ny fiaramanidina iray.

Mazàna ny orinasa no miompy na mamboly, mba hahafahany manondrana sakafo be dia be eran-tany. Tsy azo atao hoatr’izany anefa ny oran-dranomasina. Olon-tsotra manao asa tena ny ankamaroan’ireo mpanjono azy io. Tsy ompiany ny oran-dranomasina fa alainy any amin’ny Oseana Atlantika.

Ahoana no fanjonoana azy?

Ahoana no ataon’ny mpanjono? Niresaka tamin’i Jack ny Mifohaza! mba hamaliana izany. Mpanjono oran-dranomasina any Bar Harbor, any Maine, ry zareo, efa hatramin’ny dadan’ny dadabeny mihitsy. Nanomboka nanao an’io asa io i Jack, tamin’izy 17 taona. Lasa mpanjono koa i Annette vadiny. Hoy izy: “Lasa nahay nanjono aho rehefa nanambady. Nianatra tamin’i Jack aloha aho nandritra ny roa taona, fa avy eo aho nividy ny samboko amin’izay.”

Dia ahoana no ataon’izy mivady? Hoy i Annette: “Mampiasa vovo mahitsizoro vita amin’ny vy izahay, ary efa misy lavaka kely eo amin’izy io. Atsofokay ao anaty kitapokely vita amin’ny harato ny jono, ary ataonay ao. Trondro kely no atao jono matetika.” Ampifandraisina amin’ny zavatra mitsinkafona etỳ ambony rano ny vovo tsirairay, mba hamantaran’ny mpanjono ny toerana misy azy. Hoy ihany izy: “Ny mpanjono ihany no mifidy ny lokon’ny famantarana ampiasainy.”

Atsipy any an-dranomasina ilay vovo ary milentika any. Mitsinkafona kosa ilay famantarana ka ny lokony no ahalalan’ny mpanjono hoe aiza ny vovony. Hoy i Annette: “Ajanonay any anaty rano mandritra ny andro vitsivitsy ny vovo, ary alainay avy eo. Refesinay izay oran-dranomasina azo.” Manara-dalàna ry Jack sy Annette ka averiny any an-dranomasina ny orana kely. Tsy alainy koa ny orana vavy sasany mba ho afaka hanatody.

Mankeny an-tseranana ny mpanjono avy eo mba hivarotra ny vokatra. Izay mpanjono mivondrona ao anaty fikambanana ihany no manao fifanarahana manokana, fa ny ambiny kosa tonga dia mivarotra amin’izay vonona handray ny entany. Efa voalaza tany aloha fa tsy miompy oran-dranomasina ny olona. Hoy i Jack: “Navela hitondra oran-dranomasina manatody ihany ny mpanjono sasany. Rehefa foy ny atody dia ompiana vetivety, ary alefany any anaty rano avy eo. Nampitombo ny orana tany an-dranomasina izany.”

Tsy asa mora angamba ny manjono oran-dranomasina sady tsy tena mampanan-karena. Tian’ireo mpanjono anefa ilay izy satria asa tena, ka tsy misy maneritery azy. Efa nolovainy koa ilay izy ary azony ampitaina amin’ny taranany. Mahafinaritra azy ireo ny miaina sy miasa eny amoron-tsiraka. Fa angaha izay ihany! Afa-po erỳ izy ireo mieritreritra hoe ankafizin’ny olona eran-tany ilay hazandrano alainy, ary izay no tena zava-dehibe aminy.

[Efajoro/Sary, pejy 12]

MAHITA OLANA NY MPANJONO INDRAINDRAY

Hoatran’ny hoe asa tsy mampidi-doza ny manjono oran-dranomasina. Tsy izany anefa no izy. Hoy, ohatra, ny Fikambanana Miandraikitra ny Aro Loza sy ny Fahasalaman’ny Mpiasa: “Nahatratra 14 isaky ny 100 000 ny mpanjono maty am-perinasa tany Maine, teo anelanelan’ny 1993 sy 1997. Efa ho avo telo heny noho ny tany amin’ny orinasa rehetra eran’i Etazonia izany (4,8 isaky ny mpiasa 100 000).”

Milaza io fikambanana io fa “matetika no voasaringotry ny tady ao an-tsambo ny mpanjono orana, ka voasinton’ny vovo ho any an-dranomasina, ary maty any raha tsy mahatapaka an’ilay tady na tsy tafaverina ao an-tsambo.” Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Tafika Mpiambina Morontsiraka any Etazonia izany. Nisy mpanjono 103 nohadihadina tamin’ny 1999 sy 2000, ka efa ho ny telo ampahefany no nilaza fa efa voasaringotry ny tady, na dia tsy lasa tany an-dranomasina daholo aza. Nisy fepetra noraisina, mba ho afaka hanapaka an’izay tady misaringotra aminy ny mpanjono, na mba tsy ho voafatopatotry ny tady mihitsy.

[Sary, pejy 10, 11]

1. Jack misintona an’ilay vovo

2. Annette sy Jack maka an’ireo oran-dranomasina avy eo amin’ilay lavaka kely

3. Refesina tsirairay ny oran-dranomasina