Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 3

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 3

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 3

“Efa Hitanay ny Mesia!”

Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana ao anatiny. Miresaka momba izany ny “Mifohaza!” ato amin’ity andian-dahatsoratra misy fizarana valo ity. Hovaliana amin’izany ny hoe: Olona nahay be fotsiny ve ireo mpanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, sa olona nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra? Asaina ianao handinika ny zava-misy.

EFA taonjato maro talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no nilazan’ireo mpaminany hebreo fa ho avy ny Mesia na “Voahosotra.” Nolazain’izy ireo ny tsipirian’ny fiainan’ny Mesia, anisan’izany ny firazanany, ny toerana ahaterahany, ny fotoana hahatongavany, ary izay hitranga aminy.

Nino ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany fa tanteraka tamin’i Jesosy ireny faminaniana ireny. Nitovy fihetseham-po tamin’i Andrea izy ireo. Hoy izy tamin’i Simona rahalahiny: “Efa hitanay ny Mesia!” (Jaona 1:40, 41) Mitombina ve ny teniny? Handinika efatra amin’ireo faminaniana momba ny Mesia isika ary hijery ny fahatanterahany.

Faminaniana 1: Handova ny “seza fiandrianan’i Davida” izy.—Isaia 9:7.

Fahatanterahany: Manomboka amin’izao teny izao ny Filazantsaran’i Matio: “Ny bokin’ny tantaran’i Jesosy Kristy, zanak’i Davida, zanak’i Abrahama.” Samy nanoratra ny tetirazan’i Jesosy i Matio sy Lioka, mpanoratra Filazantsara, ary hita fa taranak’i Davida izy.—Matio 1:1-16; Lioka 3:23-38.

Inona no asehon’ny tantara?

● Asehon’ny asa soratr’i Josèphe, mpahay tantara jiosy, fa hita tany amin’ny arisivam-panjakana ny firaketana ny fianakaviamben’ny Jiosy. Potika izy ireny, rehefa rava i Jerosalema tamin’ny taona 70. Mbola talohan’izay anefa, dia efa niely be hoe taranak’i Davida i Jesosy. (Matio 9:27; 20:30; 21:9) Tsy ho nanaiky an’izany ny olona raha toa ka diso izany. Tsy voalaza anefa hoe nisy nanda an’izany.

Faminaniana 2: “Ry Betlehema Efrata, izay kely loatra ka tsy tokony ho anisan’ny arivon’i Joda akory, avy ao aminao no hivoahan’izay hotendreko ho mpitondra eo amin’ny Israely.”—Mika 5:2.

Fahatanterahany: Teraka tao Betlehema i Jesosy. Nandidy ny hanaovana fanisam-bahoaka i Aogosto Kaisara ka tsy maintsy niainga avy tao Nazareta i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy. “Nankany Jodia [Joda] izy, ho ao an-tanànan’i Davida, izay atao hoe Betlehema, mba hisoratra anarana miaraka amin’i Maria.” “Anisan’ny taranak’i Davida” mantsy izy “sady fianakaviany.” Tao i Maria no “niteraka ny zanany lahimatoa”, dia i Jesosy.—Lioka 2:1-7.

Inona no asehon’ny tantara?

● Hita tamin’ny fandinihana ireo sisan-javatra fahiny fa nanao fanisam-bahoaka tany Israely sy ny firenena manodidina azy ny Romanina. Amin’izay dia mora ny mitaky hetra sy miantso vatan-dehilahy ho miaramila. Namoaka didy mba hanaovana fanisam-bahoaka toy izany, ohatra, ny governora romanina tany Ejipta, tamin’ny taona 104, ary voatahiry any amin’ny Tranomboky Britanika ny dika mitovy amin’io didy io. Izao no voalaza ao: “Hanomboka izao ny fanisam-bahoaka fanao isan-trano. Tokony hasaina hiverina any amin’ny faritra niaviany àry ny olona rehetra, na inona na inona antony nifindrany. Ho voaisa izy ireo amin’izay, sady ho afaka hamboly eo amin’ny taniny sy hikarakara tsara ny famboleny.”

● Tanàna roa tany Israely no nantsoina hoe Betlehema, tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. Tany avaratra ny iray, tany akaikin’i Nazareta. Ilay iray kosa tany akaikin’i Jerosalema any Jodia, ary Efrata no anarany taloha. (Genesisy 35:19) Tao Betlehema Efrata i Jesosy no teraka, araka ny nolazain’i Mika, tokony ho 800 taona mialoha.

Faminaniana 3: “Manomboka amin’ny fotoana hivoahan’ny didy hanarenana an’i Jerosalema sy hanamboarana azy, mandra-pahatongan’ny Mesia Mpitarika, dia hisy fito herinandro sy roa amby enimpolo herinandro.”—Daniela 9:25.

Fahatanterahany: Maharitra 69 herinandro ilay fe-potoana, hoy i Daniela. Fito taona ny herinandro tsirairay. Maharitra 483 taona àry ilay fe-potoana. Namboarina i Jerosalema, nanomboka tamin’ny 455 T.K. Tanteraka ilay faminaniana, 483 taona (69 herinandron-taona) tatỳ aoriana. Lasa Voahosotra na Mesia mantsy i Jesosy tamin’ny taona 29, rehefa natao batisa ary nohosorana tamin’ny fanahy masina. *Lioka 3:21, 22.

Inona no asehon’ny tantara?

● “Efa niandriandry ny olona” hoe ho tonga ny Mesia, raha vao nanomboka ny taonjato voalohany. (Lioka 3:15) Nilaza i Abba Silver, manam-pahaizana jiosy, tao amin’ilay bokiny hoe Ireo Tombantombana Momba ny Mesia Tany Israely (anglisy) fa “samy nanantena ny hiavian’ny Mesia ny olona” talohan’ny naharavan’i Jerosalema. ‘Maro’, hoy izy, ‘no nanantena hoe ho tonga teo anelanelan’ny taona 25 ka hatramin’ny taona 50 ny Mesia.’ Afaka nanombantombana toy izany ny Jiosy, hoy i Silver, satria efa nisy “fandaharan-taona neken’ny besinimaro” tamin’izany.

Faminaniana 4: “Hatao eo amin’ny ratsy fanahy sy ny mpanankarena ny fasany.”—Isaia 53:9.

Fahatanterahany: Novonoina niaraka tamin’ny jiolahy roa i Jesosy ary nalevina tao amin’ny lava-bato. Fasan’i Josefa avy any Arimatia izy io. Nanan-karena io mpianatr’i Jesosy io.—Matio 27:38, 57-60; Jaona 19:38.

Inona no asehon’ny tantara?

● Maro ny mpanoratra tsy kristianina nanaporofo hoe novonoina toy ny mpanao heloka bevava i Jesosy. Anisan’ireny i Josèphe, mpahay tantara jiosy, sy Tacite, mpahay tantara romanina.

● Nahita lava-bato natao fasana tany Palestina ny mpikaroka. Nisy efitrefitra izy ireny. Tsy sarotra tamin’ny olona manankarena sy manan-kaja, toa an’i Josefa avy any Arimatia, ny nanamboatra fasana toy izany.

Vitsy monja amin’ireo faminaniana tanteraka tamin’i Jesosy ireo. Tsy misy afaka milaza hoe tsy tanteraka ireny faminaniana amin’ny an-tsipiriany ireny. Tanteraka daholo izy ireny, ka vao mainka isika mino hoe Andriamanitra no nampanoratra azy. Matoky koa isika fa mbola ho tanteraka ny faminaniana hafa rehetra momba ny Mesia, ka handray fitahiana ny olona mankatò.

Ho hitantsika ao amin’ny fizarana manaraka hoe nahoana i Jesosy no nanaiky hijaly sy ho faty, raha izy tokoa no Mesia nampanantenaina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana fanampiny momba ny fotoana ahatongavan’ny Mesia ao amin’ny pejy 197-199 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Tabilao/Sary, pejy 22, 23]

(Jereo ny gazety)

TAONA MIAVAKA MANASONGADINA FAMINANIANA EFATRA MOMBA NY MESIA

1 Ho taranak’i Davida Mpanjaka ny Mesia

1070 T.K. (Talohan’i Kristy)

Lasa mpanjakan’ny Israely rehetra i Davida

607 T.K.

Noravan’ny Babylonianina i Jerosalema

455 T.K.

Nivoaka ny didy hanamboarana an’i Jerosalema

2 Ho teraka ao Betleheman’i Joda ny Mesia

2 T.K.

Teraka tao Betleheman’i Joda i Jesosy, ary anisan’ny taranak’i Davida

3 Ho tonga ny Mesia, 483 taona aorian’ny hivoahan’ny didy hanamboarana an’i Jerosalema

29 A.K. (Aorian’i Kristy)

Natao batisa i Jesosy ka lasa Mesia

4 Hovonoina miaraka amin’ny mpanota ny Mesia ary halevina miaraka amin’ny mpanankarena

33 A.K.

Novonoina niaraka tamin’ny jiolahy i Jesosy ary nalevina niaraka tamin’ny mpanankarena