Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Finday izao no ampiasain’ny olona rehefa tsy te hiresaka. Ny 13 isan-jaton’ny olona manana finday no mody mampiasa telefaonina, rehefa tsy te hiresaka amin’ny olona eo akaikiny.”—FOIBEM-PIKAROHANA PEW, ETAZONIA.

Mbola tsy kely hoatran’ny tamin’ireo dimy taona farany ny ranomandry any amin’ny Tendrontany Avaratra.—VAOVAON’NY BBC, GRANDE-BRETAGNE.

“Ny 47 % eo ho eo amin’ny tany azo volena any Afrika no mbola tsy misy mamboly.”—THE WITNESS, AFRIKA ATSIMO.

“Firenena folo (Holandy, Belzika, Kanada, Espaina, Afrika Atsimo, Norvezy, Soeda, Portogaly, Islandy, ary Arzantina) no lasa manaiky hanoratra ny fanambadian’ny samy lehilahy na samy vehivavy, tato anatin’ny folo taona.”—FAMILY RELATIONS, ETAZONIA.

Namela Takaitra “Ilay Korontana”

Hita tamin’ny fanadihadiana natao tany Irlandy Avaratra, fa namela takaitra tany ny korontana ara-politika sy ara-pivavahana. Efa ho 30 taona no nisian’ilay izy, ary nisy fiantraikany tamin’ny roa ampahatelon’ny mponina. Efa ho ny ampahafolony no tsy maintsy hikorontan-tsaina noho izy io, hoy ny Sampan-draharahan’i Bamford Misahana ny Fahasalamana Ara-batana sy Ara-tsaina, ao amin’ny Oniversiten’i Ulster. Izany no “salanisa be indrindra” eran-tany, hoy ny gazety The Irish Times. Lazainy koa fa “io no anisan’ny ady namono olona be indrindra eran-tany. Olona 1 isaky ny mponina 500 no maty.”

Lasa Fahita ny Toetrandro Tsy Mahazatra

Miova be foana izao ny toetrandro any Etazonia. Lasa fahita ny tondra-drano be sy ny hain-tany ary ny lanezy arahina tafiotra. Hoy i Katharine Hayhoe, manam-pahaizana momba ny toetany ao amin’ny Oniversiten’i Texas, tamin’ny fivoriana nataon’ny Fikambanan’ny Mpahay Siansa Velom-panahiana: “Hafa mihitsy izao ny toetrandro iainantsika, fa tsy hoatran’ny mahazatra hatramin’izay.” Mino i Hayhoe sy ny manam-pahaizana hafa, fa ny ataon’ny olona ihany no mahatonga ny toetany sy ny toetrandro eran-tany hiovaova.