Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Mahatonga ny Godro?

Inona no Mahatonga ny Godro?

Inona no Mahatonga ny Godro?

ARETIN’NY vanin-taolana mpitranga matetika ny godro ary manaintaina be. Hoy ny boky Aretin’ny Vanin-taolana (anglisy): ‘Karazana asidra tsy levon’ny vatana no mahatonga ny godro. Miangona ao amin’ny ranoka ao amin’ny vanin-taolana, indrindra fa ao amin’ny ankiben-tongotra, io asidra io.’

Faikan-javatra ao amin’ny ra io asidra io ary hita any anaty pipỳ (acide urique). Rehefa maty ny sela, dia misy singa mivadika ho asidra ao aminy. Miangona ilay asidra rehefa tsy mivoaka any amin’ny pipỳ, ka lasa kristaly kely toy ny fanjaitra. Mitangorona ao amin’ny vanin-taolan’ny ankiben-tongotra izy ireny, na any amin’ny vanin-taolana hafa. Lasa mitera-mena sy mivonto ilay vanin-taolana ary mahamay sy manaintaina be. * Hoy i Alfred, izay voan’ny godro: “Vao kasihina kely fotsiny ilay izy dia efa manaintaina be.”

Hoy ny fanazavana iray avy any Aostralia, momba ny aretin’ny vanin-taolana: “Matetika no maharitra herinandro ilay fanaintainana, raha tsy tsaboina. Mety ho amam-bolana na aman-taonany indray ilay izy vao mihetsika. Miverina matetika kokoa izy io raha tsy voatsabo tsara, ary [mety] harary kokoa ka ho simba tanteraka ny vanin-taolana. Mety ho lasa areti-mitaiza ny godro amin’ny farany.”

Aretin’ny vanin-taolana azo tsaboina tsara ny godro. Fanafody mampitony fanaintainana sy mampihena fivontosana no ampiasaina matetika. Fanafody misakana an’ilay asidra tsy hiangona kosa no ampiasaina, raha mihetsika matetika ny godro. Azo sorohina ve ilay fihetsehany? Azo atao izany raha fantatra hoe inona no mampihetsika azy.

Inona no mampihetsika azy?

Manaranaka ny godro ary ny lehilahy no tena voany rehefa lehibebe. Misy boky milaza fa ny antsasany mahery amin’ireo voan’ny godro no manana fianakaviana efa voa. Hoy i Alfred: “Voan’ny godro daholo na ny dadako na ny dadabeko.” Ny lehilahy eo anelanelan’ny 40 sy 50 taona no tena voany. Avo telo na efatra henin’ny vehivavy voa ny lehilahy tratran’izy io. Ny vehivavy kosa rehefa mitsaha-potoana vao mety ho voa.

Hatavezana sy sakafo: Hoy ny Rakipahalalana Momba ny Sakafo (anglisy): “Tsy ny mifady sakafo mahabe asidra no tena vahaolana. Tsara ampiana kosa ny vatana mba hiasa tsara ka hahalevona ny siramamy sy ny menaka ratsy ao aminy, ary tsy hatavy loatra. Amin’izay ilay olona tsy ho mora voan’ny godro.”

Milaza anefa ny boky sasany fa tokony hahena koa ny sakafo mahabe asidra, toy ny leviora sy ny trondro sasany ary ny hena mena. *

Zava-pisotro: Lasa tsy mamoaka an’ilay asidra ny vatan’ny olona misotro zavatra misy alkaola be loatra, ka miangona ilay izy.

Toe-pahasalamana: Milaza ny Hopitaly Mayo, any Etazonia, fa mety ho voan’ny godro ny olona iray raha “ambony ny tosidrany nefa tsy voatsabo tsara, na izy manana areti-mitaiza toy ny diabeta, kolesterola, mpanelira mikainkona, na be loatra ny menaka ao amin’ny rany.” Mety ho voan’ny godro koa ny olona iray “marary na maratra tampoka, na tsy afa-mihetsika eo am-pandriana”, na marary voa. Ny ankiben-tongotra no tena voa satria mangatsiaka kokoa ao sady tsy mikoriana tsara ny ra. Antony roa mahatonga an’ilay asidra hiangona ireo.

Fanafody: Mampihetsika godro koa ny fanafody mampipipỳ, indrindra ireo ampiasaina amin’ny olona ambony tosidra. Eo koa ny aspirinina hanina mitohy, ny fanafody omena ny olona nosoloana taova, ary ireo fanafody simika fitsaboana kansera.

Fomba dimy hampihenana ny fihetsehan’ny godro

Ny zavatra ataon’ny olona iray no mety hahatonga azy ho voan’ny godro. Misy soso-kevitra mety hampihena ny fihetsehan’ny godro ireto. *

1. Tsy miasa tsara ny vatana rehefa matavy loatra ny olona iray, ka mora voan’ny godro izy. Mora reraka koa ny vanin-taolana rehefa matavy ny olona. Tokony hiezaka foana àry ny marary mba tsy hitombo lanja. Azony ahena, ohatra, ny sakafo mampahatavy haniny.

2. Tsy tsara ny mampahia tena haingana, satria mety hampiakatra vetivety ny fatran’ilay asidra izany.

3. Aza atao be loatra ny sakafo be proteinina avy amin’ny biby. Misy milaza fa tsy tokony hatao mihoatra ny 170 grama isan’andro ny nofon-kena hanina, anisan’izany ny henan’akoho amam-borona sy ny trondro.

4. Mahaiza mifehy tena rehefa misotro toaka. Tokony hifady toaka ianao rehefa mihetsika ilay aretina.

5. Misotroa zava-pisotro tsy misy alkaola, ary ataovy betsaka izany. Mandevona an’ilay asidra izany sady manala azy ao amin’ny vatanao. *

Ireo torohevitra ireo dia mety hampahatsiahy antsika an’ilay didin’Andriamanitra hoe ‘mahaiza mandanjalanja’ sy ilay hoe aza ‘miboboka divay.’ (1 Timoty 3:2, 8, 11) Tena fantatr’ilay Mpamorona be fitiavana tokoa izay mahasoa antsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy aretina hafa mitovitovy amin’io, fa ny azy indray kalsioma no miangona eny amin’ny vanin-taolana, indrindra fa eo amin’ny taola-malemy amin’ny tendron-taolana. Tsy godro anefa izy io ary hafa ny fomba itsaboana azy.

^ Milaza ny lahatsoratra iray navoakan’ny Dokotera any Aostralia (anglisy) fa “tsy voaporofo hoe mampihetsika be ny godro” ny fihinanana holatra sy legioma, toy ny tsaramaso, lantihy, pitipoà, epinara, ary soflera.

^ Tsy manoro ny fitsaboana tokony hatao ity lahatsoratra ity. Samy manana ny fitsaboana ilainy ny marary. Ilaina aloha ny manontany dokotera vao manajanona fanafody na manova ny sakafo fihinana.

^ Avy amin’ny Fikambanana Mayo Momba ny Fampianarana sy Fikarohana Ara-pitsaboana ireo fanazavana ireo.

[Kisary/Sary, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

Vanin-taolana mitera-mena sy mivonto

Ranoka ao amin’ny vanin-taolana

[Sary]

Asidra miangona