Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rahoviana Ianao no Tokony Hanomboka Hampianatra ny Ankizy?

Rahoviana Ianao no Tokony Hanomboka Hampianatra ny Ankizy?

Rahoviana Ianao no Tokony Hanomboka Hampianatra ny Ankizy?

● Nanoratra ny lehilahy iray any Summerville, Etazonia, fa vao bevohoka telo volana ny vadiny, dia nankeo akaikiny izy isan’alina ary namaky an’ilay boky fianarana Baiboly hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Notohizinay izany rehefa teraka i Bethiah zanakay vavy. Namaky tantara iray isan’alina izahay, ary voavakinay intelo ilay boky manontolo.”

Hoy ihany izy: “Efa hain’i Bethiah ny namantatra olona maro ao amin’ny Baiboly sy ny namerina ny tantara sasany, na dia mbola tsy nahay niteny tsara aza izy. Betsaka koa ny tantara hainy tsianjery.”

Misy tantara 116 ao amin’io boky misy sary mahafinaritra io. Milahatra arakaraka ny fotoana niainan’ireo olona ao amin’ny Baiboly izy ireo, ka manampy anao hahafantatra an’ireo daty manan-tantara ao amin’ny Baiboly. Raha te hanafatra an’io boky 256 pejy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’io boky io aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.