Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tontolo Adalana Herisetra

Tontolo Adalana Herisetra

Tontolo Adalana Herisetra

TENA adalana herisetra ny tontolo misy antsika. Efa fahita hatramin’izay ny fialam-boly misy herisetra, nefa ‘lasa be dia be izany tato ho ato’, hoy ny lahatsoratra iray tao amin’ny Internet. Tsy izay ihany fa lasa ‘miharihary be sy mahatsiravina kokoa izany sady miampy zavatra vetaveta.’ Diniho ireto:

Mozika: “Lasa be mpankafy” izao ny hira misy resaka herisetra, hoy ihany ilay lahatsoratra. Misy teny ratsy ny hira sasany, sady miresaka vonoan’olona sy fametavetana vady sy reny mihitsy aza.

Lalao video: Hoy ny gazetiboky anglisy iray momba ny lalao video: “Loza fa lasa feno fandatsahan-dra ny lalao video. Izay tia herisetra ihany no mahavita ny lalao sasany.” Asaina mikapoka vehivavy iray amin’ny kibay, ohatra, ny mpilalao amin’ny lalao video iray be mpitia, ary tsy mijanona raha tsy maty ilay vehivavy. Misy manam-pahefana milaza fa mbola ratsy kokoa noho ny mijery tele ny manao lalao video, ary tena manimba ankizy.

Filma: Hita tamin’ny fanadihadiana fa mitombo be ny herisetra sy ny firaisana ary ny zavatra manafintohina ao amin’ny filma. Na dia lazaina fa tsara aza ilay izy, dia tsy voatery ho izany. Tsy ny mpilalao “ratsy fanahy” ihany no mahery setra. Efa ho ny antsasaky ny herisetra aseho amin’ny filma sy ny hirahira amin’ny tele no ataon’ireo mpilalao “tsara fanahy.”

Vaovao: Fantatry ny mpanao gazety fa be mpijery ny vaovao rehefa be herisetra, ary manintona an’ireo mpanao dokam-barotra ny tele be mpijery. Ny dokam-barotra anefa no tena fidiram-bolan’ny tele. Izao àry no teny filamatry ny mpanao gazety maro: “Ataovy be ny herisetra dia ho vory ny rehetra.”

Internet: Misy sarina olona ampijalijalina na tetitetehina na vonoina ho faty, ao amin’ny Internet, ary tena izy ny sary sasany. Betsaka anefa ny ankizy mijery azy ireny.

Mety hisy vokany eo aminao ve ny herisetra amin’ny fampitam-baovao?

Misy vokany amin’ny olona ve ny herisetra hitany ao amin’ny tele, filma, boky, hirahira, ary ny fialam-boly hafa? Matetika ireo mahazo vola amin’izy ireny no milaza fa tsy mampaninona izy ireny. Eritrereto anefa izao: Mandany an’arivony tapitrisa dolara ny mpandraharaha eran-tany mba hahatonga ny dokam-barotra hisy vokany eo amin’ny olona. Maharitra 30 segondra monja anefa izany. Ka raha filma maharitra adiny iray sy sasany ve tsy hisy vokany eo amin’ny ankizy, sady amin’izay ny mpilalao amin’ilay izy mety ho ratsy fitondran-tena sy hahery setra?

I Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona antsika, no tena mahafantatra tsara antsika. Inona no lazainy momba ny fiarahana amin’ny olona mahery setra, na mivantana izany na amin’ny alalan’ny fampitam-baovao? Diniho ireto andininy ireto:

● “Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, ary tena halany ny olona tia herisetra.”—Salamo 11:5.

● “Aza minamana amin’ny olona mora tezitra, ary aza mifanerasera amin’ny olona mora misafoaka, sao ianao hanao toy izany koa ka ho fandrika ho anao izany.”—Ohabolana 22:24, 25.

Marina aloha fa tsy ho voaro amin’ny zava-dratsy manimba rehetra isika. Afaka mifidy ny olona ifaneraserantsika sy ny fialam-boly ataontsika anefa isika. Raha te ho tsara toetra àry ianao dia olona tsara toetra ifaneraserana, izany hoe olona manaraka fitsipika tsara toy ny anao sady mitovy tanjona aminao.—Ohabolana 13:20.

Tsy ny olona ifaneraserantsika sy ny fialam-boly fidintsika ihany no mety hahatonga antsika ho tia herisetra, fa misy zavatra hafa koa. Inona izany?

[Sary, pejy 4]

Mety hahatonga antsika ho tia herisetra ny fialam-boly fidintsika