Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Tato anatin’ny folo taona, dia nitombo avo roa heny latsaka kely ny isan’ny fisaraham-panambadiana”, any amin’ny Repoblikan’i Géorgie, any atsimoatsinanan’i Eoropa. Latsaka ny 20 taona ny ankamaroan’ireo misaraka.—FINANCIAL, GÉORGIE.

Ny 17 isan-jaton’ny ankizy 11 ka hatramin’ny 16 taona, any Irlandy, no “nanome ny anarany feno ho an’ny olona tao amin’ny Internet, nefa olona mbola tsy nihaona taminy akory.” Ny 10 isan-jatony koa no nanome ny “adiresy e-mail-ny na ny nomeraon’ny findainy na ny sariny.”—FIKAMBANANA IRLANDEY MIADY AMIN’NY FAMPIJALIANA ANKIZY.

Ny 4 isan-jaton’ny doro ala eran-tany ihany no tsy nataon’ny olona. Ny ambiny kosa nataon’ny olona, na an-tsitrapo izany na noho ny tsy fitandremana.—PRESSEPORTAL, ALEMAINA.

“Efa ho ny 10 isan-jaton’ny Amerikanina [12 taona no ho miakatra] no milaza fa zatra mampiasa zava-mahadomelina, toy ny rongony, kôkainina, herôinina, fanafody mampanonofinofy, fanafody fohina, na fanafody natao mba hahazoana fahafinaretana.”—USA TODAY, ETAZONIA.

Tsara Kokoa ny Fiainan’ny Olona Mahafehy Tena

Hoy ny gazetiboky Time: “Hita tamin’ny fikarohana fa marary lava sy sahirana ara-bola ary manao heloka bevava ny olona, raha tsy dia nahafehy tena izy tamin’ny mbola kely.” Nisy fandinihana natao tamin’ny olona arivo mahery, nanomboka tamin’izy vao teraka ka hatramin’izy 32 taona. Hita fa ny ankizy “taitaitra sy mora tezitra ary mora misafoaka rehefa ampiandrasina na tsy tonga dia mahazo izay tadiaviny”, dia lasa olon-dehibe mora marary, tsy dia manam-bola, mitaiza irery ny zanany, na efa nanao heloka bevava. “Azo ianarana [anefa] ny mifehy tena”, hoy ilay gazetiboky. “Ho salama kokoa ny ankizy rehefa lehibe ary ho tsara kokoa ny fiainany, raha ampianarina hifehy tena izy any am-pianarana sy ao an-trano.”

Mandray Lesona Ireo Mpamily Tsy Manara-dalàna

Nitady fomba vaovao hanafaizana an’ireo mpandika ny lalàn’ny fifamoivoizana ny polisy any Inde. Asainy mandamina ny fifamoivoizana izy ireo, mba hahatsapany fa tsy moramora ny manao an’izany rehefa misy tsy manara-dalàna. Tsy sakanana sy ampandoavina lamandy fotsiny àry izao ireo mpamily tsy manara-dalàna any Gurgaon, any amin’ny faritra avaratrandrefan’i Inde, fa asaina manampy an’ireo polisy mandamina ny fifamoivoizana koa, mandritra ny antsasak’adiny na mahery. Miaiky ny mpamily sasany hoe nisy vokany tsara taminy ilay izy. Hoy i Bharti Arora, lehiben’ny polisy: “Olona 1 000 isan’andro no tratra mandika ny lalàn’ny fifamoivoizana eto Gurgaon, ka afaka mahazo ‘polisy’ 1 000 fanampiny izahay isan’andro.”