Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Tsy Maintsy Mankany Amin’ny Trano Fivavahana ve vao Afaka Mivavaka?

Tsy Maintsy Mankany Amin’ny Trano Fivavahana ve vao Afaka Mivavaka?

OLONA maro no mandeha tsy tapaka any amin’ny trano fivavahana mba hivavaka amin’Andriamanitra. Misy aza manao fivahiniana masina any an-tany lavitra. Ahoana ny hevitrao? Tsy maintsy mankany amin’ny tempoly, na toerana masina, na fiangonana ve ianao vao afaka mivavaka amin’Andriamanitra? Sa afaka miresaka aminy ianao, na aiza na aiza ary na rahoviana na rahoviana? Ahoana hoy ny Baiboly?

Mbola tsy nisy trano fivavahana, tamin’ny olombelona vao noforonina. Nipetraka tao amin’ny zaridaina tsara tarehy i Adama sy Eva, ary tao izy ireo no niresaka tamin’i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona azy. (Genesisy 2:8) Nihamaro ny olombelona tatỳ aoriana, ary nisy olona “niara-nandeha tamin’Andriamanitra.” (Genesisy 6:9) Anisan’izy ireny i Noa, na dia tsy nisy trano fivavahana aza tamin’izany. Tia an’i Jehovah ireny olona ireny ka nivavaka taminy, ary nankasitrahany.

Tsy mipetraka amin’ny trano nataon-tanana Andriamanitra

Fantatr’ireo olona nanam-pinoana fahiny fa tsy mipetraka amin’ny trano nataon-tanana ilay Mpamorona ny tany sy izao rehetra izao. Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: ‘Andriamanitra ve dia hiara-monina amin’ny olona etỳ an-tany tokoa?’ Niaiky izy hoe: “Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao.” (2 Tantara 6:18) Marina aloha hoe nanana tranolay masina ny Israelita. Nanorina tempoly koa izy ireo tatỳ aoriana, ary niara-nivavaka tao nandritra an’ireo fety fanao isan-taona, araka ny notakin’ny Lalàna. (Eksodosy 23:14-17) Afaka nivavaka tamin’Andriamanitra foana anefa izy ireo, ohatra hoe rehefa niandry ondry, niasa teny an-tsaha, niaraka tamin’ny fianakaviany, na rehefa irery.—Salamo 65:2; Matio 6:6.

Azontsika atao koa ny mivavaka, na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza. Nanome modely ho antsika i Jesosy Kristy. Matetika izy no nitady toerana mangina sy mitokana rehefa hivavaka. (Marka 1:35) “Nankany an-tendrombohitra izy”, indray mandeha, “mba hivavaka, ary nandritra ny alina manontolo izy no nivavaka tamin’Andriamanitra.”—Lioka 6:12.

Mazava ho azy fa nanatrika an’ireo fety ara-pivavahana tao amin’ny tempolin’i Jerosalema foana i Jesosy satria Jiosy. (Jaona 2:13, 14) Naminany anefa izy hoe tsy hampiasaina amin’ny fivavahana marina intsony io tempoly io. Niresaka tamin’ny vehivavy samaritanina iray izy, indray mandeha, teo akaikin’ny tendrombohitra iray nisy tempoly, tao Samaria. Hoy izy: “Ho avy ny fotoana ka tsy ho eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema no hivavahanareo amin’ny Ray.” Nolazainy koa fa “hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana” ny tena mpivavaka.—Jaona 4:21, 23.

Tsy ny trano no zava-dehibe tamin’i Jesosy, fa ny fivavahana marina narahin’ny olona tso-po. Midika ve izany fa nivavaka nitokana foana ny mpanara-dia an’i Jesosy, izay nantsoina hoe Kristianina tatỳ aoriana? (Asan’ny Apostoly 11:26) Tsia, ary maro ny antony.

Toy ny mpianakavy ny vahoakan’Andriamanitra

Toy ny mpianakavy ny tena mpanompon’Andriamanitra. (Lioka 8:21) Miara-manao zavatra ny fianakaviana mifandray tsara. Miara-misakafo, ohatra, izy ireo, ka lasa mifankatia kokoa. Toy ny hoe misakafo ara-panahy koa ny Kristianina rehefa miara-mivory, ka lasa mihatsara ny toetrany ary vao mainka izy ireo mifankatia. Hoy ny apostoly Paoly: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa.”—Hebreo 10:24, 25.

Fantatry ny tena mpanompon’Andriamanitra àry fa tena ilaina ny fiangonana, satria manampy ny tsirairay hanana toetra tsara. Tsy afaka manatsara ny toetrany izy ireo raha mitokantokana. Anisan’izany toetra tsara izany ny fitiavana, famelan-keloka, hatsaram-panahy, fahalemem-panahy, ary fiadanana.—2 Korintianina 2:7; Galatianina 5:19-23.

Taiza ireo Kristianina voalohany no nanao fotoam-pivavahana? Natao tany an-tranon’olona izany matetika. (Romanina 16:5; Kolosianina 4:15) Nanoratra ho an’ny Kristianina iray sy ny ‘fiangonana tao an-tranony’ ny apostoly Paoly, indray mandeha. *Filemona 1, 2.

Tsy mila trano fivavahana mirenty koa ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny, fa trano tsotra antonona ny rehetra dia efa mety aminy. Toerana toy izany no ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary Efitrano Fanjakana no iantsoany azy. Mety hisy Efitrano Fanjakana aza eny akaikinareo. Tsotra nefa tsara ireny trano ireny. Tsy sarotra koa ny zavatra atao any, satria hira sy vavaka ary fianarana Baiboly.

Tena tian’ny Vavolombelon’i Jehovah ny miresaka mitokana amin’Andriamanitra. Manokana fotoana isan’andro àry izy ireo mba hivavahana, na mitokana izany na miaraka amin’ny fianakaviany. Hoy ny Jakoba 4:8: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ilay teny grika nadika hoe “fiangonana” dia manondro antokon’olona fa tsy trano fivavahana.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Mipetraka ao amin’ny trano nataon-tanana ve Andriamanitra?—2 Tantara 6:18.

● Taiza i Jesosy, indray mandeha, no nivavaka nandritra ny alina manontolo?—Lioka 6:12.

● Nahoana ny tena mpanompon’Andriamanitra no miara-mivory? —Hebreo 10:24, 25.

[Teny notsongaina, pejy 15]

Mety hohenoin’Andriamanitra kokoa ve ny vavaka ataonao rehefa any amin’ny toerana sasany?