Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vola Mandehandeha!

Vola Mandehandeha!

Vola Mandehandeha!

HOY i Enmarie Kani, tovovavy 17 taona any Papouasie-Nouvelle-Guinée: “Tena harena ny kisoa atỳ aminay, ka andraikitra be ny miompy azy. Faly erỳ aho rehefa nasain’i Dada niompy kisoa kely, nefa natahotra koa. Kely loatra ilay izy ka natahorako ho faty.”

Ahoana no nikarakaran’i Enmarie an’ilay kisoa kely? Nahoana no sarobidy toy ny vola ny kisoa, any ambanivohitr’i Papouasie-Nouvelle-Guinée? Araho ny resadresak’i Enmarie tamin’ny Mifohaza!

Hoatran’ny ahoana ny atỳ aminareo?

Avo toerana ny tanànanay, atỳ amin’ny faritra afovoany andrefan’i Papouasie-Nouvelle-Guinée. Mipetraka amin’ny trano hazo mitafo bozaka izaho sy ny ray aman-dreniko ary ny zandriko efatra mianadahy. Olona 50 eo ho eo no eto an-tanàna ary havanay daholo izy ireo. Lalovan’ny renirano kely ny tanànanay ary mikoriana mankany anaty ala ilay izy.

Mpamboly sy mpiompy ny ankamaroan’ny olona eto. Manana tanimboly lehibe izahay ary mamboly vomanga, voatavo, kôkômbra, kafe, ary zavatra hafa. Tiako ny mamboly sy miasa tany. Manao raharaha hafa koa aho, ohatra hoe manadio trano, manasa lamba, ary mikarakara an’ilay kisoanay.

Ahoana no nikarakaranao azy io?

Tena kely ilay kisoa tamin’izy vao novidin’i Dada tamin’ny herintaona, ka azoko noraisina tamin’ny tanana. Vovo-trondro nafangaro vomanga voatoto, rano, sira, ary ranom-pary no nomeko azy isan’andro. Mangatsiaka atỳ rehefa alina ka natsofoka tao anaty gonim-bary izy ary nahantona teo ambony fatana. Tao izy no natory, fa izaho teo amin’ny tany teo akaiky teo. Nitombo tsara izy noho izany.

Tsy nomeko anarana izy fa nantsoiko fotsiny hoe Kisoa. Nataoko hoatran’ny zanako mihitsy izy ary nofahanako sy nampandroiko. Niara-nilalao nandritra ny ora maro koa izahay. Lasa tiany be aho ary narahiny foana.

Rehefa nihalehibe i Kisoa dia nozariko nentina tany an-tsaha. Lalana fahefatr’adiny avy eo aminay izany. Nasiako tady ny tongony ary nofatorako tamin’ny hazo ilay tady. Navelako hitrongitrongy teo an-tanimbolinay izy nandritra ny andro. Mihinana fakan-javatra sy kankana izy amin’izany, sady miasa tany sy manisy zezika. Entiko mody izy rehefa hariva, omeko vomanga manta sy masaka, ary ateriko ao amin’ny tranony.

Nahoana no tena sarobidy amin’ny mponina atỳ afovoan-tany ny kisoa?

Fitenin’ny olona atỳ afovoan-tany ny hoe ny kisoa no vola. Ireny no nampiasaina hividianan-javatra tamin’ny mbola tsy nisy ny vola, ary na izao aza dia mbola manao an’izany ny olona. Nanome kisoa velona iray ho an’izay nividy fiara tao aminy, ohatra, ny mpivarotra fiara iray. Matetika koa izy ireny no atao onitra mba handaminana disadisa. Maro aza ny lehilahy manome kisoa ho an’ny ray aman-drenin-drazazavavy, rehefa mangata-bady.

Marina ve ilay hoe mandany harena ny olona mihinana kisoa?

Ie! Tena sarobidy ny kisoa ka tsy mihinana azy ireny izahay raha tsy amin’ny fotoana manokana, ohatra hoe rehefa misy fandevenana na fety. Mamono kisoa an-jatony mihitsy aza ny foko sasany rehefa manao fety, mba hampideraderana ny harenany na mba hamaliana ny soa natao taminy.

Hataonareo inona izao ny kisoanareo?

Efa manan-janaka maromaro izao i Kisoa, ary vao namidinay 100 kina (76 000 ariary eo ho eo) ny iray. Nataonay saran-dalana nankany Banz ilay vola, tamin’izahay hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra fanaon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Mety hamidin’i Dada koa izao ny zanak’i Kisoa sasany, mba hividianana an’izay ilainay mianakavy.

Maninona raha miompy kisoa maro kokoa, dia mba betsabetsaka ny vola?

Tsy te hanan-karena izahay fa te hahazo izay ilainay fotsiny, toy ny sakafo sy fitafiana ary fialofana. Ny fivavahanay no tena zava-dehibe aminay mianakavy. Manompo an’i Jehovah Andriamanitray izahay, mamonjy fivoriana kristianina, manampy olona ara-bola na ara-panahy, ary miara-manao zavatra. Tsotra ny fiainanay nefa sambatra sy mifankatia izahay.

Efa miasa aho izao ary miompy kisoa sy mamboly no ataoko. Tapa-potoana ihany anefa izany fa ny mitory manontolo andro no tena asako, izany hoe mampianatra Baiboly ny mpiara-monina aminay. Asa nampanaovin’i Jesosy ny mpanara-dia azy izany, ary anokanako andro maromaro isan-kerinandro. (Matio 28:19, 20) Mba te hiasa any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Port Moresby aho indray andro any. Any mantsy no andikana an’ireo boky ara-baiboly ho amin’ny fiteninay. Na tsy manompo any aza anefa aho, dia fantatro fa ho sambatra foana aho manompo an’i Jehovah sy manao loha laharana ny fanompoana azy. Misaotra azy aho satria mahazo izay ilaiko avy amin’ilay vola mandehandeha.

[Efajoro/Sary, pejy 12]

NY KISOA ANY NOUVELLE-GUINÉE

● Tsy latsaka ny roa tapitrisa ny kisoa any amin’io nosy io, izany hoe kisoa 1 eo ho eo isaky ny olona 3.

● Manana kisoa daholo ny antsasany mahery amin’ny mponina any ambanivohitra.

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

INDONEZIA

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

AOSTRALIA

INDONEZIA

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

PORT MORESBY

AFOVOANY ANDREFANA

AOSTRALIA

[Sary, pejy 10, 11]

Ho any an-tanimboly

[Sary, pejy 11]

Mandro

[Sary, pejy 11]

Milalao