Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ny Mahafantatra Izay Lazain’ny Baiboly

Mahasoa ny Mahafantatra Izay Lazain’ny Baiboly

● Ny Baiboly no boky miely indrindra hatramin’izay, ary maro no mihevitra azy io ho sarobidy. Mianiana amin’ny Baiboly ny olona rehefa eny amin’ny fitsarana, na alohan’ny hiantsorohana andraikitra sasany. Tsy misy fampianarana tsara kokoa noho izay hita ao amin’ny Baiboly.

Betsaka no miaiky fa hihatsara ny fiainana, raha maro kokoa ny olona mamaky sy manaraka izay lazain’ny Baiboly. Hanampy anao hahalala izay ampianarina ao ilay bokikely 32 pejy hoe Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly? Misy sary mahafinaritra ao amin’izy io. Resahin’ny toko roa voalohany fa nanao paradisa ho an’ny olombelona ny Mpamorona. Hita ao koa hoe nahoana izy ireo no voaroaka avy tao. Hazavain’ireo toko manaraka ny tantaran’ny razamben’i Jesosy Kristy. Izy no mpanjakan’ilay fanjakana hamerina ny tany ho Paradisa.

Miresaka momba an’io Mpanjaka notendren’Andriamanitra io koa ilay bokikely. Anisan’izany ny fiainany, fanompoany, fahagagana nataony, ary ny nahafatesany sy ny nitsanganany. Resahina fohifohy avy eo ny fanompoan’ny mpanara-dia azy voalohany, sy ny taratasy nosoratan’izy ireo. Tantaraina ao koa fa tsy nivadika izy ireo. Hampahery anao ilay toko hoe “Ho Lasa Paradisa Indray ny Tany!”, sy ilay hoe “Famintinana Izay Voalazan’ny Baiboly”, izay misy sary mahafinaritra.

Raha te hanafatra an’io bokikely io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ilay adiresy voalaza eo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.