Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Ilain’ny Ankizy avy Amin’ny Ray Aman-dreniny?

Inona no Ilain’ny Ankizy avy Amin’ny Ray Aman-dreniny?

Be dia be izao ny herisetra sy ny zavatra vetaveta mety ho hitan’ny ankizy. Tena ilaina àry ny manampy azy ireo hifandray tsara amin’Andriamanitra sy hahalala an’izay fitondran-tena mety. Inona no hanampy ny ray aman-dreny hitaiza ny zanany? Ray aman-dreny maro no mahomby satria manaraka izay lazain’ny Baiboly. Miaiky izy ireo fa misy tari-dalana tsara momba ny fitondran-tena sy ny fomba fiaina ao.

Namoaka an’ilay boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany. Misy toko 48 ao ary ireto ny sasany aminy: “Miaro Anao ny Fankatoavana”, “Nahoana Isika no Tokony Hamela Heloka?”, “Nahoana no Ratsy ny Mandainga?”, “Inona no Manampy Antsika Handresy ny Tahotra?”, ary “Nahoana Isika no Mila Miasa?”