Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantaro Izay Tena Zava-dehibe

Fantaro Izay Tena Zava-dehibe

Miaraha misakafo indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny

“Reraka be foana aho mieritreritra hoe ahoana no hahavitako miasa, mitaiza, manompo an’Andriamanitra, manao raharaha, ary maka aina.”—YOKO, JAPON.

Olana:

Hoy i Miranda, ilay voaresaka tany aloha: “Tsy mora mihitsy ilay hoe ianao irery no tsy maintsy mamelona ny ankizy, mampahery sy manambitamby azy, ary manampy azy hifandray amin’Andriamanitra.”

Soso-kevitra:

Fantaro izay tena zava-dehibe aminao sy ny zanakao ary ataovy laharam-pahamehana izany.

Ampiasao amin’izay nataonao laharam-pahamehana ny fotoananao sy ny volanao fa aza lanilanina amin-javatra hafa. Zava-dehibe, ohatra, ny fahasalaman’ny zanakao, ka ividiano sakafo mahasalama ny karamanao. Aleo, hono, mantsy misoroka toy izay mitsabo. Manaova lisitra rehefa hiantsena mba tsy handanilany vola. Hoy i Roberto, manan-janaka efatra ary mipetraka any Etazonia: “Tia mahandro aho, nefa niezaka nifantoka tamin’izay tena nilaina fa tsy tamin’izay tiako. Ary tsy izay nilainay tamin’ny ankapobeny fotsiny, fa izay tena nilainay isan’andro.”

Ividiano sakafo mahasalama ny karamanao. Aleo, hono, mantsy misoroka toy izay mitsabo

Ario izay tsy ampiasaina, toy ny boky, akanjo, na fitaovana madinidinika. Hoy, ohatra, ny reny iray tokan-tena: “Mandrera-tsaina ny entana be dia be, satria tsy maintsy diovina sy amboarina ary karakaraina. Ahenao ny entana raha te hanatsotra fiainana.”

Ampio ny zanakao mba ho zatra mampirina ny entany isan-kariva. Aza avela hikorontana be ny trano. Hilamina foana ny efitranon’ny ankizy, ary na ny trano manontolo aza, raha hentitra tsara ianao. Ho mora mankatò ny zanakao raha manome modely ianao.

Mety ho be atao ianao, nefa tsy maintsy manokana fotoana iarahana amin’ny zanakao, ary tsy vetivety fotsiny fa betsaka araka izay azo atao. Mila anokanana fotoana sy karakaraina ny ankizy.—Deoteronomia 6:7.

Miaraha misakafo amin’ny zanakao indray mandeha isan’andro, fara fahakeliny, ary ataovy fotoana mahafinaritra izany. Hoy i Colette, manan-janaka telo: “Nanapa-kevitra izahay hoe hifampahery sy hiresaka zavatra ara-panahy rehefa misakafo hariva. Eo mantsy ny rehetra amin’io. Ankafizinay erỳ io fotoana io, ary mbola tianay foana hatramin’izao.”