Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manomeza Fitsipika Mazava Tsara

Manomeza Fitsipika Mazava Tsara

Tokony ho hentitra sy hitana ny teninao ianao

“Tsy mora ny mitaiza irery, indrindra rehefa mihalehibe ny ankizy ka lasa te hikomy hoatran’ny tanora hafa.”—DULCE, AFRIKA ATSIMO.

Olana:

Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa maro ny ankizy “tsy hankatò ray aman-dreny” amin’ny “andro farany.”—2 Timoty 3:1, 2.

Soso-kevitra:

Tadidio fa “ilain’ny ankizy ny mahafantatra ny fitsipiky ny ray aman-dreniny sy izay antenain’izy ireo aminy”, araka ny boky iray nosoratan’i Brook Noel. Hoy i Barry Ginsberg, manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina eo amin’ny ankizy sy ny fianakaviana: ‘Mifandray tsara kokoa ny mpianakavy sady tsy dia misy ny disadisa, rehefa mazava tsara sy amin’ny an-tsipiriany ny fitsipika arahiny.’ Inona àry no azo atao?

Miezaha ho hentitra. Hita tamin’ny fikarohana natao tany Aostralia, fa lasa maditra ny ankizy rehefa tsy mahavita mandà izay lazain-janany ny ray aman-dreny na mamela azy hanao izay tiany. Milaza ny Baiboly fa ‘mahatonga henatra ho an-dreniny ny zaza avela hanaram-po.’—Ohabolana 29:15.

Mety hanamelo-tena ny ray na reny mitaiza irery ka lasa milefitra loatra. Tsy mety anefa izany. Hoy i Yasmin, ilay voaresaka tany aloha: “Malahelo be an’izy roa lahy aho indraindray, noho izy ireo tsy eo anilan’ny rainy.” Tsy ratsy ny malahelo, nefa hentitra foana izy fa tsy navelany hanaram-po ny zanany.

Aoka ianao hitana ny teninao. (Matio 5:37) Hoy ny Gazety Amerikanina Momba ny Aretin-tsaina sy ny Fitondran-tenan’ny Tanora: “Tena hanampy ny ankizy tsy haditra sy tsy ho mora kivy ny mahafantatra hoe ho voasazy izy raha vao manao zavatra tsy mety.” Hoy i Yasmin: “Mipetraka izahay sy ny zanako ary miresaka hoe ahoana no hamaizana azy raha maditra izy. Miezaka hitana ny teniko aho. Na izany aza, dia mihaino izay tenenin’izy ireo aho aloha, ary avy eo manazava aminy moramora fa nisy vokany teo aminay rehetra ny nataony. Izay aho vao mampihatra an’ilay sazy.”

Mahaiza mandanjalanja ary aza manafay raha mbola tezitra. Tena tokony ho hentitra ianao, nefa tsara koa ny milefitra rehefa ilaina izany. Milaza ny Jakoba 3:17 fa “ny fahendrena avy any ambony”, izany hoe avy amin’Andriamanitra, dia “mahay mandanjalanja.” Tsy manao zavatra maimaika, na amin’izy mbola tezitra, ny olona mahay mandanjalanja. Tsy hoe hentitra loatra koa anefa izy. Mieritreritra kosa izy aloha, na mivavaka mihitsy aza, ary avy eo tony tsara ka afaka manao zavatra araka ny tokony ho izy.

Ho vitanao ny hanome fitsipika mazava tsara raha tsy miovaova sy hentitra ary mahay mandanjalanja ianao sady manome modely. Tena ho fiarovana ho an’ny zanakao ny tokantranonao amin’izay.