Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miantehera Amin’Andriamanitra

Miantehera Amin’Andriamanitra

Miantehitra amin’Andriamanitra ve ianao rehefa mitaiza ny zanakao?

“Nitalaho ny fanampian’Andriamanitra aho rehefa nandao anay sy ny ankizy ny vadiko. Namaly vavaka tokoa izy. Nanana an’izay tena nilainay foana izahay. Sady nanampy anay izy no nitari-dalana anay.”—MAKI, JAPON.

TIA vola izao ny olona, ka maro no tsy miraharaha an’Andriamanitra. Tena miahy antsika anefa ny Mpamorona, ary tiany ho sambatra isika. Hoy izy ao amin’ny Isaia 41:10: “Aza matahotra fa momba anao aho ... ka hanampy anao.”

Hitantsika teo aloha fa manampy antsika Andriamanitra ka omeny fitsipika tsara momba ny fitondran-tena isika ao amin’ny Baiboly. (2 Timoty 3:16) Tsy mpitari-dalana fotsiny anefa ny Baiboly. Resahiny koa fa manana toetra tsara Andriamanitra ary tia antsika. Rehefa mampihatra izay ampianarin’ny Baiboly isika, dia tena hahatsapa hoe tsara fanahy Andriamanitra. Maro amin’ireo ray aman-dreny kristianina no nahatsapa an’izany, na mitaiza irery izy ireo na tsia.

Hoy i Robert, any Aotrisy: “Tsara kokoa noho ny ray sy reny rehetra i Jehovah Andriamanitra. Fantany izay ilain’ny zanatsika sy ny fomba iarovana azy ireo. Mivavaka aminy foana àry izaho sy ny zanako vavy.”

Hoy i Ayusa, any Japon: “Faly erỳ aho rehefa matoky an’i Jehovah ny zanako lahy, ka milaza hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy antsika i Jehovah.’ ”

Hoy i Cristina, any Italia: “Mivavaka amin’i Jehovah aho rehefa tsy hitako intsony izay atao, ary apetrako aminy ilay olana. Lasa milamin-tsaina aho avy eo, satria matoky fa izy no tena mahay mamaha an’ilay izy.”

Hoy i Laurentine, any Frantsa: “Sahiko ny milaza fa tena nitahy ahy i Jehovah na dia nitaiza irery ny zanako aza aho. Vonjeny tokoa ny ory sy ny tsy manana ray na reny.”

Hoy i Keiko, any Japon: “Tsy mba miangatra Andriamanitra. Karakarainy daholo ny fianakaviana rehetra, na misy ray aman-dreny, na tsy misy afa-tsy ray na reny.”—Asan’ny Apostoly 10:34.

Miahy sy mangoraka toa an’Andriamanitra i Jesosy Kristy, ka nilaza hoe: “Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra miasa mafy sy mavesatra entana, fa hamelombelona anareo aho. ... Fa malemy fanahy sy manetry tena aho, dia ho velombelona ianareo.” (Matio 11:28-30) Tia sy miahy antsika i Jesosy sy Jehovah Andriamanitra, ilay Rainy any an-danitra, ary tiany hilamin-tsaina isika. Hoy ny Salamo 34:8: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.” Tian’Andriamanitra ho tsapanao fa mandaitra ny toroheviny, ary tena mitady izay hahasoa anao izy. Hanaiky hampiany ve ianao?