Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha Hifampiresaka Tsara

Miezaha Hifampiresaka Tsara

Miezaha hihaino rehefa te hiresaka ny zanakao

“Niezaka mafy aho mba hahay hihaino na dia reraka be aza.”—MIRANDA, AFRIKA ATSIMO.

Olana:

Hoy i Cristina: “Be atao sy rera-dava aho ka tsy manam-potoana hiresahana amin’ny zanako vavy. Ary na miresaka aza izy, dia matetika aho no tsy mifantoka sady tsy miraharaha ny fihetseham-pony.”

Soso-kevitra:

Ataovy izay hahatonga ny zanakao tsy hisalasala hiresaka. Hoy i Elizabeth, izay manan-janaka dimy: “Tsy misalasala aho miresaka amin’ireo zanako, dia mba manao toy izany koa ry zareo. Ampirisihiko koa ry zareo mba hifampiresaka. Ataoko fantany fa tsy tiako mihitsy ny ankizy mifampimonjomonjo. Tsy maintsy miombona izy ireo alohan’ny hatory raha sendra miady.”

Henoy foana ny zanakao rehefa miresaka. Hoy i Lyanne: “Tena be resaka ilay zanako lahy tamin’izy mbola kely, ka matetika aho no tsy nihaino azy. Tsy niresaka tamiko intsony izy rehefa nihalehibe, ka teo vao tsapako hoe diso aho. Nataoko daholo izay fomba hanerena azy hiteny. Nitady fanampiana tamin’ny anti-panahy aho, ary nampirisihiny ho tsara fanahy tamin-janako sy hiresaka tsikelikely. Nataoko izany, ka efa manomboka mifampiresaka izao izahay mianaka.”

Manàna faharetana. Hoy ny Mpitoriteny 3:7: “Misy fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” Hoy i Dulce, manan-janaka telo: “Tsy te hiresaka ny zanako indraindray. Nataoko fantany anefa hoe vonona hihaino foana aho rehefa te hiresaka izy ireo.” Aza terena hiresaka àry ny zanakao, fa mahaiza manambitamby ary manàna faharetana. Hoy mantsy ny Baiboly: “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.”—Ohabolana 20:5.

Aoka ianao “ho mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny.” (Jakoba 1:19) Hoy i Lizaan, ilay voaresaka tany aloha: “Niezaka aho mba tsy hilaza avy hatrany izay tao an-tsaiko rehefa nitantara ny nanjo azy ny zanako. Tsy tonga dia nanome torohevitra koa aho rehefa nisy nahasosotra, fa tony tsara ary niresaka moramora.” Hoy i Leasa, reny manan-janaka roa lahy kely: “Tsy tena mahay mihaino aho. Tsy dia nisy dikany tamiko indraindray ny zavatra nanjo ny zanako, ka nila niezaka kokoa aho hahatakatra ny fihetseham-pony.”

‘Aoka ho teny mahafinaritra foana no holazainareo.’ (Kolosianina 4:6) Hoy i Lyanne: “Tsy maintsy niezaka be aho mba ho tony, ka nifampiresaka foana izahay na dia nisy olana lehibe aza.”

Ho tezitra be ianao ary hilelalela raha tsy mahafehy tena. Hiteraka olana anefa izany. (Efesianina 4:31) Tsy hiresaka aminao intsony, ohatra, ny zanakao raha ilelalelanao, ka vao mainka haditra. Hoy i Heidi, manan-janaka vavy mbola tanora: “Hoatran’ny akorandriaka velona ny ankizy. Hisokatra izy raha tsara fanahy sy be fitiavana ianao. Hikombona kosa izy ary tsy hiresaka aminao intsony, raha milelalela sy manambany azy ianao. Nasiako sarina akorandriaka misokatra teo amin’ny vata fampangatsiahana, mba hitadidiako an’izany.”

Fantaro tsara ny zanakao. Hoy i Yasmin, ilay voaresaka tany aloha: “Tsy mitovy mihitsy ny zanako roa lahy. Ny iray be resaka fa ny iray mimpirimpirina. Tsy tonga dia manadinadina an’ilay tsy be resaka aho. Manararaotra miresaka aminy kosa aho rehefa miara-manao zavatra izahay, ohatra hoe miara-milalao, na mba miresaka ny zavatra tiany izy. Amin’ireny fotoana ireny aho no manontany azy ny heviny momba ny zavatra iray.”

Ahoana raha tsy tian’ny ankizilahy ny miresaka zavatra manokana amin-dreniny, toy ny nahazo ny zanakalahin’i Misao? Hoy izy io tamin-dreniny: “Tsy azonao mihitsy ilay izy.” Nitady fanampiana tamin’ny lehilahy matotra sy azo itokisana tao amin’ny fiangonana nisy azy i Misao. Hoy izy: “Io no lasa mpanoro hevitra an-janako, ka milamina izao ny sainy.”

Tadidio fa reny ianao fa tsy namana fotsiny. Hoy i Iwona, izay manan-janaka roa: “Ilay zanako vavy foana no nitantarako ny fiainako. Fantatro hoe tsy nety izany nefa mbola nataoko ihany, ka tsy maintsy nanitsy tena aho.” Marina aloha hoe te hifandray tsara amin’ny zanakao ianao. Tadidio anefa fa reniny ianao, ka manana fahefana aminy. Raha hitan’ny zanakao hoe matotra ianao, hentitra tsara, ary manana ny maha ianao anao, dia ho mora aminy ny hanaja anao sy hankatò an’ilay didin’ny Baiboly hoe: “Ianareo zanaka, ankatoavy ny ray aman-dreninareo.”—Efesianina 6:1, 2.

‘Tiavo ny zanakao.’ (Titosy 2:4) Mila fitiavana ny ankizy, toy ny ilany sakafo sy rano ihany. Omeo toky foana àry izy ireo hoe tianao izy. Asehoy amin’ny teny sy atao izany. Hilamin-tsaina izy ireo amin’izay, ary tsy hisalasala hiresaka aminao sady hankatò anao.