Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Ampifandraiso ny Sary sy ny Andinin-teny

Vakio ny Genesisy 1:1-31. Asio tsipika mampifandray ny sary tsirairay amin’ny andininy mifanitsy aminy. (Tsy milahatra ireo sary.)

IARAHA-MIDINIKA:

 

Ahoana no ahalalantsika fa tsy 24 ora ara-bakiteny ny andro famoronana?

Vakio ny Genesisy 2:4; Salamo 90:4.

Inona no ianaranao momba an’i Jehovah, rehefa mandinika ireo zavatra noforoniny ianao?

Vakio ny Salamo 115:16; Romanina 1:20; 1 Jaona 4:8; Apokalypsy 4:11.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

 

Miaraha mitsidika toeram-pijerem-biby na valan-javaboary, mba hahalalanareo bebe kokoa momba ny biby na zavamaniry tianareo indrindra. Resaho amin’ny mpianakavinao avy eo hoe inona no nianaranao momba an’i Jehovah rehefa nandinika ny zavatra noforoniny ianao.

Angony ary Ianaro

KARATRA ARA-BAIBOLY 23 JONATANA

FANONTANIANA

  1. A. Zanaka lahimatoan’i ․․․․․ i Jonatana.

  2. B. Marina sa diso? Notorahan’ny rainy lefona i Jonatana.

  3. D. Iza ilay olona tena tian’i Jonatana, ary nahoana?

MOMBA AZY

Zanak’i Saoly izy ary zokin’i Davida 30 taona teo ho eo. Izy no tokony handova ny seza fiandrianana, nefa nekeny hoe i Davida no mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. (1 Samoela 23:15-18) Vonona hamoy ny ainy mihitsy aza izy mba hiarovana an’i Davida tsy hovonoin’i Saoly, ilay mpanjaka be fialonana. (1 Samoela 20:1-42) Nanetry tena i Jonatana. Tsy tokony hialona koa isika rehefa mahazo zavatra tsara avy amin’Andriamanitra ny hafa.

VALINY

  1. A. Saoly Mpanjaka. —1 Samoela 14:47, 49.

  2. B. Marina.—1 Samoela 20:33.

  3. D. Davida. Hitany hoe be herim-po sy tia an’i Jehovah i Davida rehefa niady tamin’i Goliata.—1 Samoela 17:1–18:4.

Olona sy Tany

Pyae Aung sy Hsu Myat Lwin no anaranay, 11 taona sy 7 taona izahay, ary mipetraka atỳ Myanmar. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ aminay: 3 600, sa 6 300, sa 10 000?

Aiza amin’ireo teboka ireo no mampiseho ny atỳ aminay? Ataovy anaty boribory izany. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Myanmar.

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

VALIN’NY

  1. 1 mifanitsy amin’ny G.

  2. 2 mifanitsy amin’ny B.

  3. 3 mifanitsy amin’ny A.

  4. 4 mifanitsy amin’ny F.

  5. 5 mifanitsy amin’ny D.

  6. 6 mifanitsy amin’ny E.

  7. 3 600.

  8. E.