Manankarena Fiteny i Caucase
AOKA hatao hoe eo amin’ny faritra iray midadasika sy be tendrombohitra ianao. Gaga ianao fa samy manana ny fiteniny ireo firenena maromaro ao. Tsy mifankahazo resaka aza ny mponina ao amin’ny tanàna mifanila, any amin’ny toerana sasany! Hoatr’izany mihitsy ny any Caucase. Nisy mpahay jeografia iray nilaza fa manankarena fiteny ilay faritra.
Eo anelanelan’ny Ranomasina Mainty sy ny Ranomasina Caspienne i Caucase. Efa nisy hatry ny ela izy io ary ahitana kolontsaina maro satria toerana fivezivezen’ny olona. Malaza ho mpanaja zokiolona sy tia mandihy ary tia mandray vahiny ny olona any. Ny habetsahan’ny foko sy ny fiteny any anefa no tena mahavariana ny mpitsidika. Mbola betsaka noho ny an’ny firenena mitovy habe aminy any Eoropa izany.
Mahatalanjona ilay fahasamihafana
Hoy i Hérodote, mpahay tantara grika, tamin’ny taonjato fahadimy T.K.: “Misy
firenena be dia be any Caucase.” Nanoratra koa i Strabon, tany am-piandohan’ny taonjato voalohany, fa nisy foko 70 tao amin’io faritra io. Samy nanana ny fiteniny izy ireo ary tonga nanao raharaham-barotra tao Dioscurias (Soukhoumi ankehitriny), any amin’ny Ranomasina Mainty. Nanoratra koa ilay manam-pahaizana romanina atao hoe Pline Zokiny, am-polony taona tatỳ aoriana, fa nila mpandika teny 130 ny Romanina rehefa nanao raharaham-barotra tany Dioscurias.Misy foko 50 mahery izao any Caucase. Samy manana ny fomba amam-panaony izy ireo, ary manana ny fitafiana sy ny zavakanto ary ny taotrano mampiavaka azy. Fiteny 37, fara fahakeliny, no ampiasain’ny mponina any. Olona an-tapitrisany no mampiasa ny fiteny sasany, fa tanàna vitsivitsy monja no mampiasa ny fiteny hafa. Ao amin’ny Repoblikan’i Daghestan, firenena rosianina, no be fiteny samihafa indrindra, ary misy foko 30 eo ho eo. Mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao ny fiavian’ireny fiteny ireny sy ny fifandraisany.
www.pr418.com/mg, ary ampiasaina any Caucase ny sasany amin’ireo fiteny ireo.
Tianao ho fantatra ve hoe hoatran’ny ahoana izany fiteny any Caucase izany? Mamoaka boky sy gazety amin’ny fiteny 400 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah, ao amin’ny tranonkala