TANY SY MPONINA
Fitsidihana An’i Indonezia
FITAMBARANA nosy 17 000 eo ho eo i Indonezia. Miavaka ny mponina eto satria tena sariaka, manam-paharetana, mahalala fomba, ary tia mandray vahiny.
Vary sy laoka ary voankazo no sakafon’izy ireo. Asiany zavamanitra mampahatsiro sakafo ny laoka matetika. Eo ambony tsihy ny mpianakavy any amin’ny faritra sasany no misakafo, ary mihinam-bary amin’ny tanana ry zareo. Maro ny Indonezianina milaza fa matsiro kokoa ny sakafo hanina amin’ny tanana.
Tia zava-kanto sy dihy ary mozika ny Indonezianina. Mampiavaka an-dry zareo ny zavamaneno antsoina hoe anklong. Volotsangana maromaro alahatra sy ahantona amin’ny tsivalan-kazo izy io, ary mamoaka feo isan-karazany rehefa ahetsiketsika. Tsy maintsy mahay manetsiketsika ny azy ara-potoana ny mpilalao maromaro mba hamoahana mozika mahafinaritra.
Nanjaka teto Indonezia ny Hindoisma sy ny Bodisma, talohan’ny taonjato faha-15. Nahazo vahana indray ny Silamo taloha kelin’ny taonjato faha-16. Tonga nitady zavamanitra mampahatsiro sakafo ny Eoropeanina tamin’ny taonjato faha-16, ary nitondra ny Fivavahana Kristianina.
Ny asa fampianarana Baiboly no ahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. Nitory teto izy ireo nanomboka tamin’ny 1931. Misy Vavolombelona 22 000 mahery izao eto, ary miezaka mitory amin’ny marenina izy ireo. Nanao fivoriana manokana tamin’ny tenin’ny tanana ny Vavolombelon’i Jehovah, vao haingana, mba hahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy Kristy. Nisy 500 mahery ny mpanatrika.
Avoaka amin’ny fiteny 98 izao ny Mifohaza! ary anisan’izany ny teny bahasa indonezia