Ahoana no Hitsitsiana Vola?
Efa manery antsika handany vola ny dokam-barotra. Eo koa anefa ny fahazarantsika sy ny toe-pontsika. Misy soso-kevitra enina ireto, hanampy anao hitsitsy vola.
-
Aza tia mividy zavatra tampotampoka. Tia miantsena sy mitady entana mora ve ianao? Mety ho tia mividy zavatra tampotampoka àry ianao. Inona no hanampy anao tsy hanao izany? Diniho tsara aloha ny vokany any aoriana raha mividy sy mahazo an’ilay zavatra tianao ianao, ary tsy maintsy hikojakoja azy. Tadidio koa ny zavatra efa novidinao nefa nanenenanao avy eo. Mieritrereta tsara aloha vao manapa-kevitra hoe hividy sa tsia.
-
Aza atao fanalana sorisory ny miantsena. Mety hanala sorisory vetivety ny miantsena. Mety ho vao mainka te handanilany vola anefa ianao, rehefa kivikivy na sorena indray. Aleo mitady namana mampahery toy izay mandeha miantsena. Mety koa ny mampiasa vatana, ohatra hoe mandeha an-tongotra kely.
-
Aza atao fialam-boly ny miantsena. Lasa fialam-boly izao ny miantsena satria atao mirenty be ny toeram-pivarotana lehibe. Mety hoe mba tianao fotsiny ny mandehandeha eny an-tsena na mijerijery entana ao amin’ny Internet. Natao handrisihana anao hividy anefa ny ankamaroan’ny zavatra hitanao. Aza miantsena àry raha tsy efa fantatrao ny zavatra hovidina, ary aza miovaova hevitra.
-
Fidio tsara ny namanao. Misy vokany be eo amin’ny zavatra tianao hananana ny fomba fiainan’ny namanao sy ny resakareo. Olona tsy dia mifantoka amin’ny vola sy fananana atao namana, raha hitanao hoe lany vola be loatra ianao satria te hitovy amin’ny namanao.
-
Aza tia mitrosa. Tsy tena mieritreritra tsara ny vokatry ny ataony ny olona tia mitrosa fa may ny hahazo zavatra fotsiny. Ataovy azo antoka fa ho voaloanao amin’ny faran’ny volana izay zavatra trosainao. Olona tsy mitaky zanabola be na maka tombony be no itrosao, raha tsy maintsy mitrosa. Aleo tsy mitrosa fa manangom-bola aloha vao mividy zavatra lafo.
-
Fantaro ny toe-bolanao. Mora mandanilany vola ianao raha tsy fantatrao tsara ny toe-bolanao. Soraty àry hoe ohatrinona ny vola kasainao holanina isam-bolana, arakaraka ny vola miditra sy ny fandaniana tany aloha. Ampitahao amin’ilay vola nokasainao holanina avy eo ny vola laninao. Mitadiava fanampiana amin’ny namana azo itokisana, raha misy zavatra tsy hainao eo amin’ny resaka vola.