Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

Satana

Satana

Tena misy ve i Satana?

“Ilay menarana tany am-boalohany, ilay antsoina hoe Devoly sy Satana, [no] mamitaka ny tany rehetra misy mponina.”—Apokalypsy 12:9.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Misy mino fa tsy tena misy i Satana Devoly fa ny faharatsiana ao amin’ny olona tsirairay fotsiny, hono.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Tena misy i Satana. Anjely mpikomy nanohitra an’Andriamanitra izy. Antsoin’ny Baiboly hoe “mpitondra an’izao tontolo izao” izy. (Jaona 12:31) ‘Mamitaka’ sy mampiasa “fambara mandainga” i Satana mba hanatratrarana ny tanjony.—2 Tesalonianina 2:9, 10.

Lazain’ny Baiboly fa nifampiresaka Andriamanitra sy Satana. Raha ny faharatsiana ao anatin’ny olona tsirairay fotsiny i Satana, ahoana no hetezan’ny hoe miresaka amin’ny faharatsiana ao anatiny Andriamanitra, nefa izy aza lavorary sy tsy misy tsiny? (Deoteronomia 32:4; Joba 2:1-6) Tena misy àry i Satana fa tsy ny faharatsiana ao amin’ny olona fotsiny.

ILAINA FANTARINA IZANY

Nahoana i Satana no manao izay hinoantsika fa tsy tena misy izy? Toy ny mpanao heloka bevava izy ka manafina ny maha izy azy, mba tsy ho tratra na manao ratsy foana aza. Ahoana àry no hiarovan-tena aminy? Ilaina aloha ny miaiky hoe misy izy.

Aiza i Satana no mipetraka?

“Loza ho an’ny tany ... fa nidina any aminareo ny Devoly.”—Apokalypsy 12:12.

IZAY LAZAIN’NY OLONA

Maro no mino fa any amin’ny afobe any ambanin’ny tany i Satana no mipetraka. Ny hafa indray mihevitra hoe ao anatin’ny ratsy fanahy izy.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Anjely i Satana ka mipetraka any amin’ny faritra tsy hita maso. Nisy fotoana izy afaka nivezivezy tany amin’ny fonenan’Andriamanitra sy ny anjely tsy mivadika. (Joba 1:6) Noroahina tany anefa izy. Tsy afa-miala etỳ amin’ny manodidina ny tany intsony àry izy sy ny anjely ratsy hafa.—Apokalypsy 12:12.

Midika ve izany fa monina ao amin’ny toerana iray eto an-tany i Satana? Mety ho efa novakinao, ohatra, hoe ‘teo amin’izay nonenan’i Satana’ ny tanànan’i Pergamosy fahiny. (Apokalypsy 2:13) Te hilaza ny Baiboly eo fa nanjaka tao ny fivavahana tamin’i Satana. Tsy mipetraka ao amin’ny toerana iray eto an-tany i Satana. Milaza kosa ny Baiboly fa azy “ny fanjakana rehetra manerana ny tany onenana.”—Lioka 4:5, 6.

Afaka mampijaly na mifehy ny olona ve i Satana?

“Izao tontolo izao manontolo [dia] eo ambany fahefan’ilay ratsy.”—1 Jaona 5:19.

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

Manaiky hotaomin’i Satana hanao ratsy ny ankamaroan’ny olona ka lasa eo ambany fahefany. (2 Korintianina 11:14) Izany no tsy ahafahan’ny olombelona manatsara ny toe-piainana eto an-tany.

Tantarain’ny Baiboly koa fa manao zavatra ratsy kokoa noho izany i Satana sy ireo anjely hafa mpikomy. Mifehy ny olona izy ireo ka mampijaly azy.—Matio 12:22; 17:15-18; Marka 5:2-5.

IZAY AZONAO ATAO

Aza matahotra an’i Satana. Tsy ho lasa eo ambany fifehezany ianao raha mamantatra ny fomba famitahany sy mahalala ny “teti-dratsiny.” (2 Korintianina 2:11) Vakio ny Baiboly mba hahafantaranao ny paikadin’i Satana. Tsy ho voafitany ianao amin’izay.

Ario ireo zavatra rehetra misy ifandraisany amin’ny asan’ny demonia. (Asan’ny Apostoly 19:19) Anisan’izany ny ody fiaro, boky, video, mozika, ary programan’ordinatera manasongadina ny asan’ny maizina na ny fanaovana sikidy.

Hoy ny Baiboly: ‘Tohero ny Devoly, dia handositra anareo izy.’ (Jakoba 4:7) Ankatoavy àry ireo torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly, dia ho voaro amin’ny teti-dratsin’i Satana ianao.—Efesianina 6:11-18.