Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa Aiza àry Ireo Lolo Mivolomboasary?

Lasa Aiza àry Ireo Lolo Mivolomboasary?

TENA tian’ny mpikaroka eoropeanina ilay karazana lolo, antsoin’ny manam-pahaizana hoe Vanessa cardui. Tsy hita mihitsy ireny lolo ireny rehefa ririnina. Tsy mahazaka hatsiaka ve izy ireo ka maty daholo? Sa lasa aiza? Mahavariana ny zavatra hitan’ny mpikaroka, vao tsy ela izay. Hay ireo lolo ireo miala any Eoropa Avaratra ka mifindra atỳ Afrika!

Nampiasa fitaovana arifomba ireo mpikaroka, sady nahazo sary be dia be avy tamin’ny olona nanampy azy ireo. Nakambana àry ny fanazavana ka hita fa lolo an-tapitrisany no miara-mianatsimo. Tsy tazana ry zareo satria eny amin’ny 500 metatra eny ambony eny no misidina. Manaraka ny fitsokan’ny rivotra fotsiny izy ireo ka mahavita 45 kilaometatra isan’ora eo ho eo. Lavitra be ny dia vitan’ireo lolo ireo isan-taona, satria tonga hatrany Afrika Andrefana, nefa misy miainga any amin’ny faran’ny Tendrontany Avaratra. Mahatratra 15 000 kilaometatra be izao ilay izy. Antsasak’izay ihany anefa no vitan’ny lolo mpanjaka any Amerika Avaratra. Marihina fa tsy izay lolo niainga tany Eoropa no tafaverina any, fa efa ny taranany fahenina.

Hoy i Jane Hill, mpampianatry ny oniversite: “Mifindra monina foana ireny lolo ireny. Manatody izy ireo ka rehefa foy ireny, dia izy ireny indray no manohy an’ilay dia.” Dia izany foana isan-taona no fiainan’ireo lolo ireo: Avy any Eoropa mankatỳ Afrika, ary miverina indray.

Hoy i Richard Fox, mpanao fanadihadiana mba hiarovana ny lolo: ‘Mahagaga mihitsy ity karazana lolo ity satria mahavita mitety firenena maro rehefa mifindra monina, nefa tsy ampy iray grama akory ny lanjany. Tsy diso lalana koa izy nefa ny atidohany aza bitika kely hoatran’ny loham-panjaitra, sady amin’izay tsy hoe nisy lolo hafa nampianatra azy fa hainy ho azy ilay izy. Taloha ry zareo noeritreretina hoe mandeha an-jambany fotsiny any amin’izay itondran’ny rivotra azy, dia maty daholo rehefa ririnina.’ Hita anefa fa “hay ireny lolo mivolomboasary ireny efa mahafantatra tsara ny lalan-kalehany!”