Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Afrika Atsimon’i Sahara

Milaza ny UNICEF fa “38 isan-jato ihany amin’ireo ankizy latsaka ny 5 taona no manana kopia nahaterahana”, any amin’io faritra io. Hoy anefa i Elke Wisch, tale lefitry ny UNICEF any Afrika atsinanana sy atsimo: “Raha tsy voasoratra ara-panjakana ny zaza any, dia tsy afaka mianatra sy mahazo fitsaboana, ary raha kamboty izy dia tsy afaka mandova.”

Italia

Araka ny fanadihadiana, dia ny fampijaliana amin’ny alalan’ny Internet no tena atahoran’ny ankizy any. Ny 72 isan-jaton’ny tanora 12 ka hatramin’ny 17 taona no milaza fa matahotra an’ilay izy. Betsaka izany raha oharina amin’ireo matahotra rongony (55 isan-jato), sy ireo matahotra mpametaveta (44 isan-jato), ary ireo matahotra aretina azo avy amin’ny firaisana (24 isan-jato).

Japon

Mihamaro ny tanora tsy manaiky rehefa omena fisondrotana amin’ny asany, hoy ny gazety The Japan Times. Nahoana? Ny 40 isan-jato no tsy faly satria be loatra ny mpampiasa tsy manara-dalàna. Maro koa no tsy mba afaka maneho ny heviny, na miresaka amin’ny lehibeny. Ny 60 isan-jaton’ny tanora miasa koa no tsy mifikitra amin’ny asa iray, fa miala raha vao mahita tsara kokoa. Taloha anefa ny olona tsy niovaova izany fa nijanona tamin’ny mpampiasa azy foana.

Brezila

Efa ho 800 000 ny olona maty voatifitra tany Brezila, tamin’ny 1980 ka hatramin’ny 2010. Ny 450 000 mahery amin’ireo dia eo anelanelan’ny 15 sy 29 taona. Hita tato ho ato fa ireto matetika no mahatonga ny olona hifamono: Fialonana, adin’ny mpivady na mpifanila trano, ary mpamily mifamaly.