Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA

Ilay Tranonkala ho An’ny Olon-drehetra!

Ilay Tranonkala ho An’ny Olon-drehetra!
  • AFAKA MAMAKY Baiboly ianao, ao amin’ny tranonkala jw.org, ao amin’ny Internet. Misy fiteny 50 eo ho eo azo isafidianana. Misy lahatsoratra ara-baiboly amin’ny fiteny 500 mahery koa ao.

  • AFAKA MIJERY video amin’ny tenin’ny tanana ianao, amin’ny fiteny 70 eo ho eo.

  • AFAKA MANOVAOVA ny fiteny ao amin’ilay tranonkala ianao, satria misy hatramin’ny an-jatony izany.

  • AFAKA MIHAINO tantara mahaliana nalaina avy ao amin’ny Baiboly ianao.

  • AFAKA MANARAKA tantara an-tsary ianao, momba ny zava-niseho resahin’ny Baiboly.

  • AFAKA MIJERY video maoderina sy fahiny ianao. Hanampy anao izany hiatrika ny fiainana sarotra ankehitriny.

  • AFAKA MAKA lahatsoratra sy boky ary raki-peo ianao. Samy maimaim-poana avokoa ireo.

  • AFAKA MIKAROKA hevitra isan-karazany ianao, ao amin’ny FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon’i Jehovah. Misy foto-kevitra maro samihafa ao, amin’ny fiteny 100 mahery.

 HO AN’NY MPIVADY

“Hoatran’ny lasa niadiady foana izahay mivady, indrindra rehefa nanan-janaka. Tena mila fanampiana izahay, satria mba tiako ho sambatra ny tokantranoko”

HOY NY BAIBOLY:

“Fahendrena no ilaina mba hanorenana ny trano, ary fahaiza-manavaka no ilaina mba hahamafy orina azy.”—Ohabolana 24:3.

AFAKA MANAMPY ANAREO NY JW.ORG

Midira ao amin’ilay hoe “Mpivady & Ray Aman-dreny.” Misy torohevitra maro ao. Hanampy anareo, ohatra, izany mba . . .

  • hiatrika ny taona voalohany amin’ny fanambadiana

  • hifandray tsara amin’ny rafozana

  • hahay hitaiza an’ireo zanakareo

  • tsy hifamaly foana

  • hahay hitantam-bola

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > MPIVADY & RAY AMAN-DRENY)

Misy hevitra tsara be dia be koa ao amin’ilay boky hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana. Na ireo vao mikasa hanambady, na ireo efa mikarakara ray aman-dreny zokiolona, dia samy voaresaka ao.

(Azo jerena ao amin’ny www.pr418.com/mg io boky io, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY)

 HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

“Ny zanako ny ahy no zava-dehibe indrindra amiko. Tiako ho voataiza tsara izy ireo, amin’izay mba ho reharehako any aoriana any”

HOY NY BAIBOLY:

“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6.

AFAKA MANAMPY ANAREO NY JW.ORG

Midira ao amin’ilay hoe “Ankizy.” Misy kilalaon-tsary, video, tantara an-tsary avy ao amin’ny Baiboly, ary zavatra maro hafa ao. Hanampy anao izany mba hampianatra ny zanakao . . .

  • hankatò

  • ho tsara fanahy

  • tsy hiadiady amin’ny ankizy

  • hahay hisaotra

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > ANKIZY)

Azo vakina amin’ny ankizy ireo boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly sy Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe. Feno sary tsara tarehy ao amin’ireo boky ireo.

(Azo jerena ao amin’ny www.pr418.com/mg ireo boky ireo, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY)

 HO AN’NY TANORA

“Tiako aho raha mba mahita torohevitra momba ny fianarana, ray aman-dreny, namana, ary resaka fitiavana. Izaho tsinona efa mba lehibe ihany, dia tsy tiako mihitsy ny atao hoatran’ny zazakely”

HOY NY BAIBOLY:

“Mifalia ry tanora dieny mbola tanora ianao.”—Mpitoriteny 11:9.

AFAKA MANAMPY ANAO NY JW.ORG

Midira ao amin’ilay hoe “Tanora.” Misy lahatsoratra sy video maro ao, hanampy anao...

  • raha tsy mana-namana ianao

  • raha misy manahirana anao any am-pianarana

  • raha nanao fahadisoana ianao

  • raha misy mampijaly na manadala ianao

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > TANORA)

Misy fanontaniana 77 valiana ao amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky 1 sy 2.

(Azo jerena ao amin’ny www.pr418.com/mg ireo boky ireo, ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BOKY & BOKIKELY)

 HO AN’IZAY TE HIANATRA BAIBOLY

“Te hianatra Baiboly aho, fa tsy haiko hoe ahoana no hatao”

HOY NY BAIBOLY:

“Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana.”—2 Timoty 3:16.

AFAKA MANAMPY ANAO NY JW.ORG

Jereo Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Marina tsara sady mazava ny fomba nandikana an’io Baiboly io.

(Jereo ao amin’ilay hoe ZAVATRA MISY > BAIBOLY)

Azonao atao ny miditra ao amin’ilay hoe “Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly.” Be dia be ny fanontaniana valiana ao, toy ny hoe “Sazy avy Amin’Andriamanitra ve ny Loza Voajanahary?”, sy ny hoe “Oviana i Jesosy no Teraka?”

(Jereo ao amin’ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > VALIN’IREO FANONTANIANA ARA-BAIBOLY)

Midira ao amin’ilay hoe “Hangataka Hianatra Baiboly” raha tianao ny hianatra Baiboly maimaim-poana.

(Tsindrio ilay soratra hoe “Hangataka Hianatra Baiboly” eo amin’ny pejy fandraisana)

“Tsy namaky Baiboly intsony aho satria tsisy azoko izay novakiko. Gaga anefa aho rehefa nianatra ilay boky hoe ‘Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?’ Hay mora azo sady mazava be ny Baiboly!”—Christina.

Olona 700 000 eo ho eo isan’andro no mijery ny tranonkala jw.org ao amin’ny Internet. Nahoana raha mba miditra ao koa?