Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TANY SY MPONINA

Fitsidihana An’i Salvadaoro

Fitsidihana An’i Salvadaoro

CUSCATLÁN na “Tanin’ny Vatosoa” no niantsoana an’i Salvadaoro taloha. Tamin’ny 500 taona lasa no tonga tany ny Espaniola, ka nifanambady tamin’ny tompon-tany. Taranaky ny tompon-tany sy Eoropeanina izao ny ankamaroan’ny olona any.

Sariaka sy mazoto miasa ny mponina any, sady manaja sy mahalala fomba. Miarahaba foana ny olona, na dia rehefa hividy zavatra aza. “Buenos días” no fiarahabana rehefa maraina, ary “buenas tardes” rehefa tolakandro. Any ambanivohitra aza, heverin’ny olona ho tsy mahalala fomba ianao raha mahita mpandalo nefa tsy miarahaba.

Nisy vokany teo amin’ny tantaran’i Salvadaoro ny fambolena kafe

Sakafo malaza any ny pupusa: Tsaramaso sy fromazy, fonosina amin’ny mofo fisaka vita amin’ny katsaka na vary. Azo asiana henan-kisoa na zavatra hafa koa ao anatiny. Matetika ilay izy no aroso miaraka amin’ny saosy voatabiha sy curtido, izay tsy inona fa lasary laisoa sy karaoty ary tongolo nampiana sakay. Raisina amin’ny tanana ilay izy, na dia misy ihany aza mampiasa forsety sy antsy.

Sakafo be mpitia ny pupusa

Riandranon’i Los Tercios, any Suchitoto

 FANTATRAO VE? Antsoina hoe tany be volkano i Salvadaoro. Misy volkano maherin’ny 20 any, ary mbola mety hipoaka ny sasany. Eo amin’ny Riandranon’i Los Tercios koa ahitana vato mahavariana, izay lavalava mitsangana sady misy rirany. Ary mbola volkano koa no nahatonga izany.

Misy Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 38 000 any Salvadaoro. Mizara ho fiangonana 700 eo ho eo izy ireo, ary mampianatra Baiboly olona 43 000, amin’ny teny espaniola sy anglisy ary tenin’ny tanana.