Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Zava-misy Eran-tany

“Efa ho telo tapitrisa isan-taona ny zazakely maty nefa tsy ampy iray volana akory. Azo sorohina ny ankamaroan’ny antony nahafaty azy ireo. Maherin’ny ampahatelon’ireo zaza vao teraka ireo no tsy ampy iray andro akory dia maty.”—Fikambanana Iraisam-pirenena Mpiaro ny Ankizy.

Grande-bretagne

Milaza ny Minisiteran’ny Fahasalamana fa tamin’ny 2011 dia nitombo ny isan’ny olona maty vokatry ny rivotra maloto, tao amin’ny faritra 15 any Londres. Noheverina hoe tsy mandoto ny tontolo iainana ny fiara mandeha gazoalina, satria mitsitsy kokoa sady kely ny gazy karbonika avoakany. Hita anefa fa avy amin’ny gazoalina ny 91 isan-jaton’ny zavatra simika mandoto ny rivotra any amin’ireo faritra ireo.

Rosia

Nisy fanadihadiana natao tamin’ny 2013, ka ny 52 isan-jaton’ny Kristianina ortodoksa no nilaza fa mbola tsy namaky Baiboly mihitsy, ary ny 28 isan-jato no zara raha mivavaka.

Afrika

Milaza ny Banky Iraisam-pirenena fa mampihena ny vokatra azo avy amin’ny fambolena ny ady tany, sady mampahantra ny olona. Mahatratra 202 tapitrisa hektara eo ho eo, ohatra, ny tany tsy misy mpamboly atsy Afrika. Antsasaky ny tany azo volena nefa tsy misy mikarakara izany, eran-tany. Mbola tokony hamokatra avo efatra heny noho izany anefa ny tany any.

Etazonia

Sekoly sy oniversite maro no tsy mampiasa boky intsony, fa aleony mampiasa fitaovana elektronika toy ny tablette, izay azo asiana programa sy zavatra hafa ilaina amin’ny taranja isan-karazany. Asa anefa aloha raha mandany vola kokoa izany.