Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Zava-misy Eran-tany

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa lasa be dia be sady vao mainka mihamitombo ny vehivavy iharan’ny herisetra. ‘Ny 35 isan-jato eo ho eo amin’ny vehivavy eran-tany no misy mampijaly. Ireo ampijalin’ny vadiny na olona niaraka taminy no tena betsaka, satria mahatratra 30 isan-jato.’

Grande-bretagne

Nilaza ny 79 isan-jaton’ny olona 64 303 nanontaniana, fa “ny fivavahana izao no tena mampiady sy mahatonga ny olona tsy ho sambatra.” Nisy fanadihadiana koa tany Angletera sy Pays de Galles tamin’ny 2011, ka ny 59 isan-jato ihany no nilaza fa Kristianina, ary 25 isan-jato no tsy mpivavaka. Tamin’ny 2001 anefa, dia mbola 72 isan-jato no nilaza fa Kristianina ary 15 isan-jato fotsiny no tsy mpivavaka.

Chine

Navoakan’ny filazam-baovao fa nisy lalàna iray nohavaozina nilaza hoe mila mitsidika ny ray aman-dreniny efa be taona ny zanany, sady mba “maneho fitiavana” azy ireo. ‘Tsy voalaza ao amin’ilay lalàna akory anefa ny sazy hampiharina’ amin’izay tsy manao an’izany.

Eoropa

Manao hosoka amin’ny zavatra fampiasa andavanandro koa izao ny fikambanan-jiolahy. Anisan’izany ny makiazy, savony ranony, ary na sakafo aza. Milaza ny filohan’ny fikambanana iray mpanara-maso ny entana eny an-tsena, fa “tsy azo antoka daholo izao ny zavatra ao anatin’ny sakafo amidy, na dia izay tena mora aza.” Misy manam-pahaizana aza miteny hoe ny 10 isan-jaton’ny sakafo amidy any amin’ny tany mahantra, dia mifangaro zavatra hafa.