Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Natao ho Fahatsiarovana”

“Natao ho Fahatsiarovana”

MISY trano iray efa simba eo amin’ny ilany atsinanan’ny Reniranon’i Motoyasu, ao amin’ny Tanànan’i Hiroshima, any Japon. Efa tamin’ny 1945 izy io no potika, nefa tsy namboarina mihitsy hatramin’izao. Nahoana?

Misy rihana telo ilay izy, ary tamin’ny 1915 no naorina. Trano fampirantiana momba ny indostria no nampiasana izy io. Tamin’ny 6 Aogositra 1945 anefa, tamin’ny valo ora sy fahefany maraina, dia nilatsahan’ny baomba ataomika ilay tanàna. Io no baomba ataomika voalohany nampiasaina tamin’ny ady. Teny amin’ny 550 metatra teny ambony teny no nipoaka ilay izy, sady nifanandrify tamin’ilay trano fampirantiana. Tonga dia maty daholo ny olona tao. Ny rindrina sisa niangana.

Tsy namboarina intsony ilay trano, fa “natao ho fahatsiarovana an’ilay fitaovam-piadiana nahery vaika indrindra noforonin’ny olona tamin’izany”, araka ny voalazan’ny UNESCO. * Nampidirina ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena ilay trano tamin’ny 1996, ary nantsoina hoe Mariky ny Fiadanana ao Hiroshima.

Mampalahelo anefa fa na eo aza ireny fahatsiarovana ireny, dia mbola misy foana ny ady. Misy mantsy ireo mampirisika ny ady satria tia vola loatra, na mihevitra fa ny fireneny no ambony noho ny hafa. Ao koa ireo mankahala ny olona tsy mitovy foko, na fivavahana, na tsy mitovy volon-koditra aminy. Dia hitohy foana ve izany ny ady?

Tsy izany mihitsy! Hoy ny Salamo 46:9: “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany [Andriamanitra]. Tapatapahiny ny tsipìka, ary potipotehiny ny lefona. Dorany ny kalesin’ady.” Ny Fanjakan’Andriamanitra irery no hitondra ny tany amin’izay. Hesoriny daholo mantsy ireo fitondrana ara-politika rehetra, fa i Jesosy Kristy, ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka”, no hasainy mitondra.—Apokalypsy 11:15; 19:16.

Tsy hilaina intsony amin’izay ireo fahatsiarovana natao hampitsaharana ny ady. Milaza ny Isaia 65:17 fa “tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha”, anisan’izany ny zavatra rehetra nampahory anao sy nankarary ny fonao.

^ feh. 4 Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina.