Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Ranomasina maty

Mihena iray metatra isan-taona ny Ranomasina Maty, ka atahorana ho ritra tanteraka amin’ny taona 2050. Miezaka mitady vahaolana àry ny manam-pahefana. Mieritreritra ny haka rano avy amin’ny Ranomasina Mena izy ireo. Izao no tian’izy ireo hatao: Esorina ny sira mba hanomezana rano madio ho an’ny olona, fa izay ranon-tsira tavela kosa no halefa ao amin’ny Ranomasina Maty. Misy anefa milaza fa mety hanimba ny tontolo iainana manodidina ny Ranomasina Maty izany.

Alemaina

Voalazan’ny orinasa fiantohana iray fa miampy 30 isan-jato mahery ny olona miditra hopitaly satria mihetsika aretim-po, rehefa andro Krismasy. Miady saina loatra, hono, ny olona amin’io satria sahirana mitady zavatra hatao fanomezana. Misy koa miferinaina satria manantena zavatra miavaka be ny namany sy ny havany.

Grande-bretagne

Nilaza ny mpahay siansa anglisy fa ilay sifodranomasina avy any Islandy no biby ela velona indrindra hatramin’izay. * Noheverina fa 405 taona izy io, nefa 507 taona raha ny marina. Mbola tsy tokony ho faty io sifotra io, saingy nataon’ny mpikaroka tao anaty gilasy izy rehefa nentina tany amin’ny laboratoara. Izay no nahafaty azy tamin’ny 2006.

Amerika Latinina sy Karaiba

Nanao fihaonam-be tany La Havane, any Cuba, ny tany 33, mpikambana ao amin’ny Fikambanan’ny Firenena any Amerika Latinina sy Karaiba, tamin’ny fiandohan’ity taona ity. Nifanaiky izy ireo hoe hataony ‘faritra milamina’ ny taniny, ka tsy hampiasa hery na hiady ry zareo rehefa mandamina olana. Anisan’ny nanatrika an’ilay fihaonam-be i Ban Ki-moon, Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana.

^ feh. 7 Tsy heverina ho anisan’ny biby ny zavamananaina toy ny haran-dranomasina, na dia velona an’arivony taona aza.