INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?
Ny Mesia
Nilaza mialoha ny Baiboly fa ho tonga etỳ an-tany ny Mesia, mba hanafaka ny olona amin’ny aretina sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. I Jesosy Kristy tokoa ve io Mesia io?
Ahoana no amantarana hoe iza ny Mesia?
Mamaly an’izany ny faminanian’ny Baiboly. Voalaza ao fa mizara roa ny asa tokony hataon’ny Mesia, na Kristy. * Ny voalohany tokony hataony etỳ an-tany, ary ny faharoa kosa hataony any an-danitra, ela be atỳ aoriana. Tsy maintsy lasa olombelona aloha izy mba hanatanteraka an’ilay asany voalohany. Nanome famantarana be dia be momba ny fiainany sy ny fanompoany ny mpanoratra Baiboly, amin’izay mora amin’ny olona ny mamantatra ny Mesia. Tsy mahagaga raha ny “fitoriana momba an’i Jesosy” no tena resahina ao amin’ny faminanian’ny Baiboly.—Apokalypsy 19:10.
Rehefa lasa anjely mahery any an-danitra i Jesosy, dia hataony maneran-tany ny fahagagana nataony tamin’izy olombelona tetỳ an-tany
IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
Ny Mesia dia tsy maintsy...
-
Taranak’i Davida Mpanjaka.—Isaia 9:7; Lioka 3:23-31. *
-
Teraka tao Betlehema.—Mika 5:2; Lioka 2:4-7.
-
Mitory ny “vaovao tsara.”—Isaia 61:1; Lioka 4:43.
-
Natao tsinontsinona sy nohamavoina.—Isaia 53:3; Matio 26:67, 68.
-
Nisy namadika tamin’ny farantsa volafotsy telopolo.—Zakaria 11:12, 13; Matio 26:14, 15.
-
Nampangaina sy nomelohina ho faty tsy ara-drariny, nefa tsy namaly mihitsy.—Isaia 53:6, 7; Matio 27:12-14.
-
Nantsoina hoe ‘zanak’ondry’ satria hanao sorona ny ainy, mba hanaisotra ny fahotan’ny olona sy hahatonga azy ireo hihavana amin’Andriamanitra.—Isaia 53:7; Jaona 1:29, 34, 36.
-
Novonoina nefa tsy nisy tapaka mihitsy ny taolany na dia kely aza.—Salamo 34:20; Jaona 19:33, 36.
-
Nalevina tao amin’ny fasan’ny mpanankarena.—Isaia 53:9; Matio 27:57-60.
-
Natsangana tamin’ny maty rehefa afaka telo andro.—Matio 16:21; 28:5-7.
Tanteraka tamin’i Jesosy daholo ireo faminaniana ireo sy ny maro hafa. Nanasitrana ny marary koa izy, sady nanangana ny maty. Vao mainka izany manaporofo hoe izy no Mesia. Tsy vitan’izay fa manampy antsika hatoky ny fampanantenan’ny Baiboly koa izany, hoe mbola hanasitrana ny marary rehetra sy hanangana ny maty rehetra izy amin’ny hoavy. (Lioka 7:21-23; Apokalypsy 21:3, 4) Rehefa niakatra any an-danitra i Jesosy taorian’ny nananganana azy, dia ‘nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra’, mandra-pahatongan’ny fotoana hanatanterahany an’ilay asany faharoa.—Salamo 110:1-6.
“Rehefa tonga i Kristy, hanao famantarana maro noho ny vitan’ity lehilahy ity ve izy?”—Jaona 7:31.
Inona avy ny asa mbola hataon’ny Mesia?
Nanantena ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy fa hanafaka azy ireo amin’ny fitondrana romanina ny Mesia, sady hanjaka eo amin’izy ireo ka hahaleo tena indray ny Israely. (Asan’ny Apostoly 1:6) Tatỳ aoriana anefa vao takatr’ireo Jiosy mpanara-dia an’i Jesosy hoe any an-danitra ny Mesia no hamita tanteraka ny asany, rehefa lasa fanahy mahery izy ka homena fahefana lehibe.—Matio 28:18.
IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY
Rehefa lasa any an-danitra ny Mesia dia...
-
Ho lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hitondra ny tany manontolo.—Daniela 7:13, 14; Apokalypsy 11:15.
-
Hanome fitahiana ho an’ny olona rehetra maneho finoana azy.—Genesisy 22:17, 18; Salamo 72:7, 8.
-
Handringana an’ireo fanjakana sy mpitondra ara-politika manohitra azy.—Isaia 52:15; Apokalypsy 19:19, 20.
-
Hamonjy ny “vahoaka be”, na ny olo-marina avy amin’ny firenena rehetra, ka hitondra azy ireo ao amin’ny tontolo vaovao hanjakan’ny fiadanana.—Apokalypsy 7:9, 10, 13-17.
-
Hampiasain’i Jehovah hanangana ny maty, mba hiainan’izy ireo ao amin’ny Paradisa eto an-tany.—Lioka 23:43; Jaona 5:21, 28, 29.
-
Hampianatra ny vahoakany mba hihavana.—Isaia 11:1, 2, 9, 10.
-
Hanafoana ny fahotana, izay mahatonga ny aretina sy ny fahafatesana.—Jaona 1:29; Romanina 5:12.
-
Handrava tanteraka ny asan’i Satana, ka hanampy ny olona rehetra hiray saina ka hanaiky ny fitondran’i Jehovah Andriamanitra.—1 Korintianina 15:25-28; 1 Jaona 3:8.
Efa vitan’i Jesosy tsara ny asa nampanaovina ny Mesia teto an-tany. Azo antoka fa ho vitany koa ny asa nampanaovina azy any an-danitra. Raha hendry àry isika dia handinika tsara ny fiainan’i Jesosy, satria efa nilaza izy hoe: “Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana.”—Jaona 14:6.
‘Amin’ny andro anjakany, dia hiroborobo ny olo-marina, ary ho be ny fiadanana raha mbola misy koa ny volana. Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny faran’ny tany.’—Salamo 72:7, 8.
^ feh. 5 Avy amin’ny teny hebreo ilay hoe “Mesia”, ary avy amin’ny teny grika kosa ny hoe “Kristy.” Mitovy ihany ny dikan’ireo.—Jaona 1:41.
^ feh. 7 Ny andinin-teny voalohany no faminaniana, ary ny faharoa kosa fomba nahatanterahan’ilay faminaniana.