Nifikitra Tamin’ny Zavatra Inoany Izy
Tamin’i Song Hee 11 taona, dia tsikaritry ny reniny fa nivilana ny hazondamosiny. Hitan’ny dokotera fa voan’ny skôliôzy izy. Mety hivilana hoatran’ny paozin’ny litera “C” na “S” ny hazondamosina rehefa voan’io aretina io. Nihombo ilay izy ka nila nodidiana i Song Hee. Tsy nanaiky hampidiran-dra anefa izy. Nanontany azy momba an’izany ny “Mifohaza!”
Afaka nitsabo anao tsara ve ny dokotera, rehefa fantatra hoe voan’ilay aretina ianao?
Dokotera roa no nanara-maso ny fahasalamako nandritra ny telo taona teo ho eo, nefa nihanivilana foana ny hazondamosiko. Nanomboka nanery ny foko sy ny havokavoko mihitsy aza ilay izy, dia lasa sarotra tamiko ny nifoka rivotra. Fandidiana ihany no vahaolana.
Nanaiky hodidiana ve ianao?
Ie! Fa niteny ny dokotera hoe tena ho sarotra ilay izy, satria efa nivilana 116 degre ny hazondamosiko. Olana ho an’ahy koa anefa ilay fandidiana, satria izaho tsy manaiky hampidiran-dra, noho ny zavatra inoako avy ao amin’ny Baiboly. *
Nahita mpandidy vonona hanao an’izany ve ianao?
Nanatona manam-pahaizana momba ny skôliôzy teto Floride izahay sy Neny. Fa rehefa niteny aho hoe tsy manaiky hampidiran-dra, dia hoy izy hoe tsy hisy dokotera hanaiky handidy ahy izany satria sarotra be ilay fandidiana. Nolazainy koa fa ho faty alohan’ny faha-20 taonako aho raha tsy didiana. Vao 14 taona aho tamin’izay.
Nohazavainao taminy ve ny antony tsy anekenao hampidiran-dra?
Ie. Hoy aho hoe miorina amin’ny Baiboly ilay izy, satria nilaza Andriamanitra fa masina daholo na ny ran’olona na ny ram-biby. * Ny Israelita aza raha vao nihinan-dra dia novonoina. * Nasehoko azy koa ny Asan’ny Apostoly 15:19, 20. Voalaza ao fa tokony ‘hifady ny ra’ ny Kristianina. Tsy tokony hampidirina ao amin’ny vatana ilay izy, na ao am-bava izany na amin’ny lalan-dra.
Dia ahoana hoy ilay mpandidy?
Mbola nanizingizina ihany izy hoe tsy maintsy hampiditra ra. Nilaza koa aza ny hopitaly hoe raha manaiky hampidiran-dra aho, dia ho maimaim-poana ilay fandidiana.
Dia inona no nataonareo mianaka?
Tsy niova hevitra izahay, na dia hoatran’ny tsy nisy dokotera
nanaiky hanao fandidiana tsy ampiasana ra aza. Niampy aza ilay olana satria izaho mbola tsy ampy taona, dia lasa niakatra fitsarana ilay raharaha. Soa ihany fa nanome anay 30 andro ilay mpampanoa lalàna eto Floride, mba hitadiavanay mpandidy hanaja ny faniriako.Dia nahita ve?
Ie! Nisy manam-pahaizana momba ny skôliôzy, tany New York, nantsoin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly. Nanaiky hijery ahy izy, dia tratranay ilay fotoana nomen’ny fitsarana. *
Nanao ahoana ilay fandidiana?
Nety tsara mihitsy! Nanisy vy tao amin’ny lamosiko ny Dr. Robert Bernstein, mba hanitsiana ny hazondamosiko. Indroa no nanaovany an’ilay fandidiana ary tapa-bolana ny elanelany.
Nahoana no indroa?
Raha very ra be aho amin’ilay fandidiana voalohany, dia afaka mamokatra liomena ny vatako mandra-pahatongan’ilay faharoa. Kely fotsiny anefa ny rako very tamin’ireo fandidiana roa ireo, satria tena nahay sy nitandrina tsara ilay ekipa nanao ny fandidiana. Vetivety koa aho dia sitrana, nefa raha nampidiran-dra aho dia mety tsy ho hoatr’izay. *
Nanao ahoana ny fihetseham-pon’ilay mpandidy?
Tokony hihevitra an’izay rehetra mombamomba an’ilay olona marary ny dokotera
Faly be izy! “Tsy mandidy fotsiny” hoy izy “no atao hoe mitsabo.” Nilaza izy fa tokony hihevitra an’izay rehetra mombamomba an’ilay olona marary ny dokotera, anisan’izany ny zavatra inoany. Betsaka no miombon-kevitra amin’izany, na dia tsy Vavolombelon’i Jehovah aza.
^ feh. 7 Vavolombelon’i Jehovah ny renin’i Song Hee. Mitovy fivavahana aminy koa i Song Hee, ary natao batisa tamin’ny 2012, tamin’izy 16 taona.
^ feh. 17 Ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly no manampy ny Vavolombelon’i Jehovah hahita dokotera afaka mitsabo azy ireo tsara nefa tsy mampiasa ra.
^ feh. 21 Namoaka lahatsoratra momba ny voka-dratsin’ny fampidiran-dra ny Vaomiera Momba ny Fanatsarana ny Fitsaboana, any Nouvelle-Galles Atsimo, any Aostralia. Hoy izy io: “Tambatsela velona no afindra rehefa manao fampidiran-dra. Efa voajanahary amin’ny vatana anefa ny hoe tsy tia an’izay zava-baovao tafiditra ao anatiny. Misy vokany be eo amin’ny fahasalamana izany.”