Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FANAMBADIANA

Mahaiza Miala Tsiny

Mahaiza Miala Tsiny

OLANA

Vao avy nifamaly ianao sy ny vadinao. Mieritreritra ianao hoe: ‘Tsy voatery hiala tsiny aho. Tsy izaho ange no nanomboka an’ilay izy e!’

Odianao fanina ilay izy, nefa mbola mihenjana ihany ny tady. Te hiala tsiny ianao nefa tsy vitanao ny hiteny an’ilay teny kely hoe “miala tsiny aho.”

INONA NO MAHATONGA AN’ILAY OLANA?

Hambom-po. Hoy i Benja *: “Sarotra amiko indraindray ny miala tsiny amin’ny vadiko satria izaho be hambom-po.” Mety tsy hiaiky ianao hoe mba diso koa, raha diso toerana ny hambom-ponao.

Fomba fijery. Mety hieritreritra ianao hoe tsy tokony hiala tsiny raha tsy diso. Hoy i Niry: “Rehefa fantatro hoe tena diso aho dia mora amiko ny miala tsiny. Raha samy nanao teny mandratra anefa izahay mivady dia sarotra be ny manao an’ilay izy. Hozy aho hoe: ‘Nahoana moa aho no tokony hiala tsiny nefa izahay samy diso?’”

Vao mainka koa ianao mieritreritra hoe tsy mila miala tsiny, raha hitanao fa ny vadinao ihany no diso. Hoy i Fetra: “Tsy hiala tsiny ianao raha resy lahatra hoe tsy nanao zavatra tsy nety. Izany no fomba ampisehoanao hoe tsy ianao no diso.”

Fanabeazana azo. Tsy fandre tany aminareo angamba izany teny hoe miala tsiny izany, tamin’ianao mbola tany amin’ny ray aman-dreninao. Mety tsy ho hainao àry ny miaiky ny fahadisoanao. Tsy zatra miala tsiny avy amin’ny fonao koa ianao, satria tsy tena nanao an’izany tamin’ny mbola kely.

INONA NO AZONAO ATAO?

Toy ny afo ny tsy fifanarahana. Mamono an’ilay izy ianareo rehefa miala tsiny

Eritrereto ny fihetseham-pon’ny vadinao. Inona no tsapanao rehefa nisy olona niala tsiny taminao? Azo inoana hoe tony kokoa ianao. Maninona àry raha mba miala tsiny amin’ny vadinao? Afaka manao an’izany ianao na dia mieritreritra aza hoe tsy diso, satria mety ho nankarary ny fony ny teninao na ny nataonao. Hanampy azy ho tony kokoa izany.—Toro lalan’ny Baiboly: Lioka 6:31.

Eritrereto ny tokantranonao. Tsy resy akory ianao raha miala tsiny. Hanamafy orina ny tokantranonareo kosa izany. Milaza ny Ohabolana 18:19 fa “sarotra azo kokoa noho ny tanàna misy manda” ny olona tezi-dava. Mety ho sarotra ny hihavana, na tsy ho vita mihitsy, raha samy tsy manaiky ho diso ny andaniny sy ny ankilany. Ho mora anefa izany raha miala tsiny ianao. Ny fanambadianao amin’izay no heverinao ho zava-dehibe kokoa noho ny tenanao.—Toro lalan’ny Baiboly: Filipianina 2:3.

Miezaha hiala tsiny haingana. Mety ho sarotra ny hiala tsiny raha tsy tena ianao no diso. Na ny vadinao aza anefa no diso, dia tsy hoe manana ny rariny ianao raha tsy miala tsiny. Aza misalasala àry fa mialà tsiny haingana. Aza mieritreritra hoe aleo ny fotoana no handamina an’ilay olana. Tsy ho sarotra amin’ny vadinao koa ny hiala tsiny raha manome modely ianao. Ho mora kokoa aminao aza ny hiala tsiny raha zatra manao an’izany ianao.—Toro lalan’ny Baiboly: Matio 5:25.

Asehoy hoe vokatry ny fonao ilay izy. Tsy mitovy ny manamarin-tena sy ny miala tsiny. Tsy tena vokatry ny fo ny fialan-tsininao raha ampiana esoeso toy ny hoe: “Azafady àry raha izany avy dia tsy zakanao.” Ekeo fa diso ianao tamin’izay nataonao ary nankarary ny fon’ny vadinao ilay izy. Tokony hanao an’izany ianao na hitanao hoe ara-drariny ny fihetseham-pony na tsia.

Tadidio fa mety ho diso koa ianao. Manao fahadisoana daholo mantsy isika rehetra. Na dia mieritreritra aza ianao hoe tsy diso, dia ekeo fa voafetra ny zavatra fantatrao. Hoy ny Baiboly: “Izay miteny voalohany eo amin’ny fitsarana no toa marina, fa miditra kosa ny andaniny ka manadihady azy.” (Ohabolana 18:17) Hahay hiala tsiny kokoa ianao raha manetry tena sady tsy manamaivana ny fahadisoanao.

^ feh. 7 Novana ny anarana sasany ato.