Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA

Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Fivavahana?

Hanao Ahoana ny Hoavin’ny Fivavahana?

Teraka tany Torkia i Gaffar. Sahiran-tsaina izy satria nampianarin’ny fivavahany fa tia manasazy Andriamanitra. Lasa tsy natoky ny fivavahany koa i Hediye vadiny, tamin’izy sivy taona. Hoy izy: “Nampianarina hino ny lahatra aho. Kamboty aho, ka lasa ny saiko hoe: ‘Fa inona no nataoko no dia hoatr’izao ny fiainako?’ Matetika aho no nitomany nandritra ny alina. Tsy te hiangona intsony aho rehefa 15 taona.”

LEO amin’ny ataon’ny fivavahana koa ve ianao? Maro no toy izany. Mihabetsaka mantsy ny olona milaza ho ‘tsy mpivavaka’ any amin’ny tany maro, ka mampanahy ny hoavin’ny fivavahana. Resahina etsy ambany ny sasany amin’ireo tany ireo.

Nahoana no betsaka no miala amin’ny fivavahana?

Diso fanantenana amin’ny fivavahana ny olona noho ny antony maro. Miditra amin’ny ady sy ny fampihorohoroana, ohatra, izy ireny, na mankasitraka an’izany. Misy koa mpitondra fivavahana mametaveta ankizy. Tsy izay ihany anefa no mahatonga ny olona hiala amin’ny fivavahana. Ireto misy antony hafa:

  • Ny harena: Hoy ny boky Antontan’isan’ny Olona Tia Fivavahana sy Tsy Mino An’Andriamanitra (anglisy): “Mihalefy ny fitiavanao fivavahana rehefa mitombo ny harenanao.” Misongadina izany any amin’ny tany maro, satria betsaka no lasa mpanankarena tampoka. Hoy i John Nye, mpampianatra ekonomia: “Tena mpanefohefo ny olona any amin’ny tany sasany, ka na ny mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny 200 taona lasa aza hitsiriritra azy.”

    INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Voalaza ao fa tsy ho tia an’Andriamanitra sy ny namany ny olona amin’ny “andro farany”, fa ho tia vola sy fahafinaretana. (2 Timoty 3:1-5) Fantatry ny mpanoratra Baiboly iray fa mampidi-doza ny harena. Hoy àry izy tamin’i Jehovah Andriamanitra: ‘Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa. Sao ho voky aho ka handa anao.’—Ohabolana 30:8, 9.

  • Ny zavatra ataon’ny fivavahana: Mihevitra ny olona maro, indrindra fa ny tanora, fa tsy ilaina eo amin’ny fiainana ny fivavahana. Ny hafa indray tsy matoky ny fivavahana intsony. Hoy i Tim Maguire, solontenan’ny Fikambanana Mpandala ny Maha Olona any Ekosy: “Raha mijery ny zavatra nataon’ny fivavahana nandritra ny taonjato maro ianao, dia ho azonao hoe nahoana ny olona no lasa tsy tia fivavahana. Tsy mino intsony izy ireo hoe ny fivavahana no tokony hametraka ny fitsipika momba ny fitondran-tena.”

    INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Hoy i Jesosy Kristy momba an’ireo mpampianatra sandoka: ‘Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny. Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra kosa mamoa voa ratsy.’ (Matio 7:15-18) Mamoa “voa ratsy” ny fivavahana rehefa miditra amin’ny politika sy mankasitraka an’ireo fanao manala baraka an’Andriamanitra. Anisan’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. (Jaona 15:19; Romanina 1:25-27) Mamoa “voa ratsy” koa izy ireo rehefa soloany fombafomba sy lovantsofina tsy misy dikany ny fampianarana mahasoa ao amin’ny Soratra Masina. (Matio 15:3, 9) Ary na nilaza aza i Jesosy hoe “fahano ny ondrikeliko”, dia olona maro no mbola mosarena ara-panahy.—Jaona 21:17.

  • Ny fivavahana sy ny vola: Milaza ny Foibem-pikarohan’i Pew fa maro no mahatsapa hoe matim-bola ny fivavahana. Manana fiainana mirenty koa ny mpitondra fivavahana sasany fa tsy toa an’ireo mpivavaka tsotra. Mitrongy vao homana, ohatra, ny ankamaroan’ny mpivavaka ao amin’ny tanàna iray any Alemaina, nefa ny eveka milomano ao anatin’ny harem-be. Katolika maro àry no tsy faly. Milaza koa ny gazetiboky GEO fa “olona 100 tapitrisa no mikarama latsaka ny iray euro isan’andro” any Nizeria, “nefa ny pasitera sasany mpanefohefo be. Manomboka miteraka olana izany.”

    INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Hoy i Paoly, mpanoratra Baiboly: ‘Tsy mivarotra ny tenin’Andriamanitra izahay.’ (2 Korintianina 2:17) Nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana kristianina voalohany i Paoly. Nanao asa tanana anefa izy mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ny hafa. (Asan’ny Apostoly 20:34) Nankatoaviny ilay tenin’i Jesosy hoe: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.”—Matio 10:7, 8.

Izany koa no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy mivarotra boky na gazety, sady tsy mitaky vola rehefa mampianatra Baiboly. Tsy mitaky ampahafolon-karena na rakitra koa izy ireo. Fanomezana an-tsitrapo kosa no ahazoany ny vola ilainy.—Matio 6:2, 3.

Tanteraka ny faminaniana

Tsy noeritreretina mihitsy, tany aloha tany, hoe ho betsaka ny olona hiala amin’ny fivavahana. Efa fantatr’Andriamanitra mialoha anefa izany, ary nolazainy ao amin’ny Baiboly. Nohariny tamin’ny mpivaro-tena antsoina hoe “Babylona Lehibe” ny fivavahana rehetra tsy mankatò azy.—Apokalypsy 17:1, 5.

Mety tsara io anarana io satria mihambo ho mankatò an’Andriamanitra ny fivavahan-diso, nefa miray petsapetsa amin’ny mpitondra mba hahazoana harena sy fahefana. ‘Nijangajanga taminy ny mpanjakan’ny tany’ hoy ny Apokalypsy 18:9. Mety tsara koa ny iantsoana ny fivavahan-diso hoe “Babylona”, satria avy any amin’ny tanànan’i Babylona fahiny ny fampianarana sy ny fombafomba arahin’izy ireo. Anisan’izany ny fampianarana momba ny fanahy tsy mety maty sy ny Andriamanitra telo izay iray. Eo koa ny fanaovana ny asan’ny maizina. *Isaia 47:1, 8-11.

Mora tamin’ny Medianina sy Persianina ny nandresy ny tanànan’i Babylona rehefa ritra ilay renirano niaro azy. (Jeremia 50:1, 2, 38) Tao anatin’ny iray alina monja dia resy ilay tanàna lehibe.—Daniela 5:7, 28, 30.

“Mipetraka eo ambonin’ny rano maro” koa i Babylona Lehibe. Manondro “olona sy vahoaka” io rano io, izany hoe ireo olona an-tapitrisany manaraka fivavahan-diso. (Apokalypsy 17:1, 15) Milaza ny faminaniana fa rehefa ho ritra io rano an’ohatra io, dia efa akaiky ho rava izay i Babylona. Ao anatin’ny fotoana fohy no hitrangan’izany. (Apokalypsy 16:12; 18:8) Iza no handrava azy? Ireo mpanao politika niray petsapetsa taminy ihany. Hankahala azy mantsy izy ireo ary hihinana ny nofony, izany hoe handroba ny harenany.—Apokalypsy 17:16, 17. *

Manondro an’ireo olona be dia be miala avy ao amin’i Babylona Lehibe ilay rano niharìtra manodidina ny tanànan’i Babylona

“Mivoaha avy ao aminy”

Kely sisa dia ho rava i Babylona Lehibe. Nilaza toy izao àry Andriamanitra: “Mivoaha avy ao aminy, ry oloko, raha tsy tianareo ny hiombona ota aminy, ary raha tsy tianareo hisy hanjo anareo ny loza hanjo azy.” (Apokalypsy 18:4) Natao ho an’ny olona toa an’i Gaffar sy Hediye, voalaza terỳ aloha, io fampitandremana io, izany hoe ireo olona te hahazo sitraka amin’Andriamanitra sady sahiran-tsaina noho ny fampianaran’ny fivavahana.

Nihevitra i Gaffar tamin’izy mbola tsy nianatra Baiboly, fa ny tahotra an’Andriamanitra fotsiny no tokony hankatoavana azy. Hoy izy: “Faly aho rehefa nahalala hoe Andriamanitra fitiavana i Jehovah, ary tiany isika raha mankatò azy satria tia azy.” (1 Jaona 4:8; 5:3) Lasa nilamin-tsaina i Hediye rehefa fantany hoe tsy lahatra no nahatonga azy ho kamboty. Nampahery azy ny andinin-teny toy ny Jakoba 1:13, izay milaza fa tsy mitsapa ny olona amin-javatra ratsy Andriamanitra. Nanaiky ny fahamarinana izy sy Gaffar, ary niala avy tao amin’i “Babylona.”—Jaona 17:17.

Rehefa rava i Babylona Lehibe, dia tsy hiharan-doza ireo niala avy tao aminy mba “hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:23) Manantena izy ireo fa hahita ny tany ‘ho feno fahalalana an’i Jehovah, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.’—Isaia 11:9.

Hisy farany tokoa ny fivavahan-diso sy ny zava-dratsy ataony, satria “tsy mahay mandainga” Andriamanitra. (Titosy 1:2) Haharitra mandrakizay kosa ny fivavahana marina.

^ feh. 16 Raha mila fanazavana fanampiny momba an’i Babylona Lehibe sy izay lazain’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy ny maty ary ny asan’ny maizina, dia jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Misy ao amin’ny www.pr418.com/mg koa izy io.

^ feh. 18 Jereo ilay hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly? Ny Faran’izao Tontolo Izao”, ato amin’ity gazety ity.