Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 35

HIRA 123 Ekeo Foana ny Fahefan’i Jehovah

Fanampiana An’izay Nesorina Tsy ho Anisan’ny Fiangonana

Fanampiana An’izay Nesorina Tsy ho Anisan’ny Fiangonana

“Hahafaly kokoa ny any an-danitra ny mpanota iray mibebaka, noho ny olo-marina 99 tsy mila mibebaka.”​—LIOKA 15:7.

HEVITRA HODINIHINA

Nahoana no misy olona tsy maintsy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana? Ahoana no anampian’ny anti-panahy ny olona hoatr’izany mba hibebaka sy hankasitrahan’i Jehovah indray?

1-2. a) Ahoana no fahitan’i Jehovah ny olona manao fanahy iniana manota? b) Inona no antenain’i Jehovah hataon’ny mpanao ratsy?

 TSY Andriamanitra milefitra loatra i Jehovah. Mankahala ny fahotana izy. (Sal. 5:4-6) Tiany hankatò ny fitsipika nolazainy ao amin’ny Teniny isika. Mazava ho azy fa tsy manantena izy hoe ho vitantsika an-tsakany sy an-davany izany satria tsy lavorary isika. (Sal. 130:3, 4) Etsy an-danin’izany anefa, dia tsy milefitra amin’ny olona ‘tsy matahotra azy’ izy. “Mieritreritra mantsy [ireny olona ireny] hoe tsy maninona na dia manana fitondran-tena tsy misy henatra aza satria hoe tsara fanahy be ilay Andriamanitsika.” (Joda 4) Ny Baiboly aza milaza hoe ‘haringana ireo tsy matahotra an’Andriamanitra’ amin’ny Aramagedona.​—2 Pet. 3:7; Apok. 16:16.

2 Izao anefa: Tsy misy tian’Andriamanitra ho ringana na iza na iza. Araka ny hitantsika tany amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia milaza mazava ny Baiboly hoe “tiany hibebaka daholo” ny olona. (2 Pet. 3:9) Manahaka an’i Jehovah ny anti-panahy ka manam-paharetana ry zareo rehefa manampy ny mpanota hiova sy hankasitrahan’i Jehovah indray. Tsy ny mpanota rehetra anefa no te hibebaka. (Isaia 6:9) Mbola misy manohy manao ratsy foana na dia efa imbetsaka aza ny anti-panahy no manampy an-dry zareo hibebaka. Ahoana àry no atao raha izany no mitranga?

“ESORY ... ILAY MPANAO RATSY”

3. a) Inona no lazain’ny Baiboly hoe tokony hatao amin’ny mpanota tsy mibebaka? b) Nahoana no azo lazaina hoe nifidy ny esorina tsy ho anisan’ny fiangonana ny mpanao ratsy?

3 Raha tsy mibebaka ny mpanota iray, dia tsy manan-tsafidy ny anti-panahy fa tsy maintsy manaraka an’ilay toromarika ao amin’ny 1 Korintianina 5:13 hoe: “Esory tsy ho eo aminareo ilay mpanao ratsy.” Azo lazaina hoe safidin’ilay mpanota ihany izany. Nijinja an’izay nafafiny izy. (Gal. 6:7) Nahoana isika no milaza an’izany? Satria efa imbetsaka ny anti-panahy no nanampy azy hibebaka fa izy mihitsy no tsy nanaiky. (2 Mpanj. 17:12-15) Hita amin’ny ataony hoe nifidy ny tsy hankatò ny fitsipik’i Jehovah izy.​—Deot. 30:19, 20.

4. Nahoana no misy fampandrenesana atao rehefa esorina tsy ho anisan’ny fiangonana ny mpanota tsy mibebaka?

4 Rehefa esorina tsy ho anisan’ny fiangonana ny mpanota iray tsy mibebaka, dia ampandrenesina ny fiangonana hoe tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony izy. a Tsy ny hanala baraka azy akory no tanjon’ilay fampandrenesana, fa mba hahafahan’ny fiangonana manaraka an’ilay toromariky ny Soratra Masina hoe ‘tsy hifanerasera aminy intsony’, ary tsy tokony hatao “na dia ny miara-misakafo” aminy aza. (1 Kor. 5:9-11) Misy antony tsara nanomezana an’io toromarika io. Nanoratra mantsy ny apostoly Paoly hoe: “Lalivay kely fotsiny dia efa mampitombo ny koba manontolo.” (1 Kor. 5:6) Mety hahatonga ny hafa ho kamo hanaraka ny fitsipik’i Jehovah àry ny mpanota tsy mibebaka raha tsy esorina.​—Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:33.

5. Ahoana no tokony hiheverantsika ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, ary nahoana?

5 Ahoana àry no tokony hiheverantsika ny mpiara-manompo nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana? Marina hoe tsy mifanerasera aminy isika, nefa tsy hieritreritra isika hoe tsy misy antenaina intsony ny aminy. Ondry very fotsiny izy. Mety mbola hiverina ihany ny ondry miala amin’ny andiany. Tadidio hoe nanokan-tena ho an’i Jehovah ilay ondry. Mampalahelo fa tsy manaja an’ilay voady nataony tamin’izy nanokan-tena aloha izy amin’izao, ary mety hampidi-doza azy izany. (Ezek. 18:31) Manantena foana anefa isika hoe hiverina izy raha mbola vonona hamindra fo i Jehovah. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe manantena an’izany ry zareo, indrindra rehefa mifandray amin’ilay mpanota nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana?

FOMBA ANAMPIAN’NY ANTI-PANAHY AN’IREO NESORINA TSY HO ANISAN’NY FIANGONANA

6. Inona avy no ataon’ny anti-panahy mba hanampiana ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana?

6 Afoy tanteraka ve ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, izany hoe avela hitady irery ny lalana hiverina amin’i Jehovah? Tsy izany mihitsy! Rehefa milaza amin’ny mpanota iray tsy mibebaka ny komitin’ny anti-panahy hoe esorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy, dia hazavain-dry zareo aminy ny dingana tokony hataony raha te hiverina izy. Tsy mijanona hatreo anefa ny anti-panahy. Amin’ny ankapobeny, dia holazain-dry zareo amin’ilay olona hoe mbola te hihaona aminy ry zareo afaka volana vitsivitsy mba hahitana raha efa niova izy. Raha manaiky hihaona amin-dry zareo ilay olona amin’ny manaraka, dia hiangavy mafy azy ny anti-panahy mba hibebaka sy hiverina. Na mbola tsy miova aza ny fony amin’izay fotoana izay, dia mbola hiezaka hiverimberina hihaona aminy ny anti-panahy.

7. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe mangoraka hoatran’i Jehovah ry zareo rehefa mifandray amin’ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana? (Jeremia 3:12)

7 Miezaka mafy ny anti-panahy mba hangoraka hoatran’i Jehovah rehefa mifandray amin’ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Rehefa tsy nankatò, ohatra, ny vahoakan’i Jehovah tany Israely fahiny dia tsy niandry azy ireo hiova i Jehovah. Tonga dia nanao zavatra izy mba hanampiana an’ilay vahoaka, na dia mbola tsy nampiseho mihitsy aza ry zareo hoe nibebaka. Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra fianarana faharoa tato amin’ity gazety ity hoe nampiasa an’i Hosea mpaminany i Jehovah, mba hampisehoana hoe tena mangoraka izy. Nasainy nampodian’i Hosea ny vadiny na dia mbola nanota aza. (Hosea 3:1; Mal. 3:7) Manahaka an’i Jehovah ny anti-panahy amin’izao, ka tena tian’izy ireo hiverina ny mpanota ary ataony izay tsy hahasarotra ny fiverenany.​—Vakio ny Jeremia 3:12.

8. Nahoana ilay fanoharan’i Jesosy momba ny zanaka adala no vao mainka mampiseho hoe mangoraka sy mamindra fo i Jehovah? (Lioka 15:7)

8 Tadidio ilay fanoharan’i Jesosy momba ny zanaka adala, izay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra fianarana faharoa. Rehefa tazan’ilay rainy hoe iny fa nody ilay zanany, dia “nihazakazaka [izy] ary namihina azy sady nanoroka azy tamim-pitiavana.” (Lioka 15:20) Mariho hoe tsy niandry an’ilay zanany hitalaho ny famelany ilay dadany. Izy kosa no tonga dia nanao zavatra, hoatran’ny ataon’ny ray be fitiavana rehetra. Miezaka manao hoatr’izany amin’ny ondry very ny anti-panahy. Tian-dry zareo “hody” ireny ondry ireny. (Lioka 15:22-24, 32) Faly be ny any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka, ary faly be koa ny etỳ an-tany!​—Vakio ny Lioka 15:7.

9. Inona no tian’i Jehovah holazaina amin’ny mpanota?

9 Inona no nianarantsika hatreto? Hoe mazava fa tsy milefitra amin’ny mpanota tsy mibebaka i Jehovah. Tsy hoe tsy miraharaha an’ireny olona ireny koa anefa izy fa tiany hiverina aminy ry zareo. Hitantsika ao amin’ny Hosea 14:4 izay tsapan’i Jehovah amin’ny mpanota mibebaka. Izao no voalaza ao: “Hanasitrana azy ireo aho, dia tsy hivadika amiko intsony izy. Sitrapoko ny ho tia azy, satria tsy tezitra ... intsony aho.” Tena tokony handrisika ny anti-panahy hanao zavatra haingana izany raha vao manomboka mampiseho ilay olona hoe mibebaka. Tena tokony handrisika an’izay nandao an’i Jehovah koa izany mba hiverina aminy haingana.

10-11. Ahoana no anampian’ny anti-panahy ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana efa hatramin’ny ela?

10 Ary ahoana raha efa ela ilay olona no nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, mety hoe an-taonany maro mihitsy? Mety efa tsy ataon’ilay olona intsony ilay fahotana nahatonga azy nesorina. Misy aza tsy mahatadidy intsony hoe inona no nahatonga azy nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Na ahoana na ahoana, dia hiezaka hitady ny olona hoatr’izany ny anti-panahy ary hitsidika azy. Mandritra an’ilay fihaonana, dia hasain’izy ireo hiara-mivavaka aminy mihitsy ilay olona, ary iangaviany amim-pitiavana mba hiverina ho anisan’ny fiangonana indray. Tsy maintsy hoe efa marefo be ara-panahy ilay olona raha efa an-taonany maro izy no tsy niaraka tamin’ny fiangonana. Raha milaza àry izy hoe te hiverina, dia mety hanao fandaharana ny anti-panahy mba hisy olona hampianatra Baiboly azy, na dia mbola tsy voaray aza izy. Ny anti-panahy ihany no hifidy an’izay rahalahy na anabavy hitarika an’ilay fianarana.

11 Mangoraka hoatran’i Jehovah ny anti-panahy ka mitady olona betsaka araka izay azo atao, mba hampahafantarana an-dry zareo hoe mbola misokatra ny varavarana raha te hiverina ry zareo. Rehefa hita hoe mibebaka ny mpanota iray ary tsy manao an’ilay ratsy fanaony intsony, dia azo raisina tsy misy hataka andro izy.​—2 Kor. 2:6-8.

12. a) Amin’ny toe-javatra hoatran’ny ahoana ny anti-panahy no mila mitandrina tsara? b) Nahoana isika no tsy tokony hieritreritra hoe tsy hamindran’i Jehovah fo mihitsy ny mpanota sasany? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

12 Mila mitandrina be ny anti-panahy amin’ny toe-javatra sasany, alohan’ny hanapahana hevitra hoe horaisina indray ny olona iray. Raha nampijaly na nametaveta ankizy, ohatra, ilay olona, na nivadi-pinoana, na nanao tetika hisarahana tamin’ny vadiny mba hanambadiana olon-kafa, dia hataon’ny anti-panahy azo antoka tsara hoe tena nibebaka tokoa izy. (Mal. 2:14; 2 Tim. 3:6) Tsy maintsy miaro ny andian’ondry ry zareo, nefa koa mila mitadidy hoe avelan’i Jehovah hanompo azy ny mpanota rehetra tena mibebaka sady tsy manao ny zava-dratsy fanaony intsony. Marina hoe mila mitandrina be ny anti-panahy amin’ny olona namitapitaka olon-kafa. Tsy tokony handefa saina lavitra loatra anefa ry zareo, ka hieritreritra hoe misy olona tsy hamindran’i Jehovah fo mihitsy noho ny karazana fahotana nataony. b​—1 Pet. 2:10.

INONA NO AZON’NY FIANGONANA ATAO?

13. Tsy mitovy ny fomba ifandraisantsika amin’ny olona nahazo fananarana sy ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Hazavao.

13 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa indraindray mety hampandrenesina hoe nahazo fananarana ny olona iray. Mbola afaka mifanerasera aminy isika raha izany, satria fantatsika hoe nibebaka izy dia efa tsy manao ny zava-dratsy nataony intsony. (1 Tim. 5:20) Mbola anisan’ny fiangonana izy ary mila ny fampaherezana avy amin’ny mpiara-manompo. (Heb. 10:24, 25) Tsy hoatr’izany anefa ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. ‘Tsy mifanerasera aminy intsony’ isika, ary tsy ataontsika “na dia ny miara-misakafo amin’ny olona hoatr’izany aza.”​—1 Kor. 5:11.

14. Ahoana no ampiasan’ny Kristianina ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly amin’ny raharaha mahakasika ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana? (Jereo koa ny sary.)

14 Tena tsy raharahiantsika mihitsy ve izany ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana? Tsia. Isika aloha tsy hifanerasera aminy e! Afaka mampiasa ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly anefa ny Kristianina tsirairay rehefa hanapa-kevitra hoe hanasa azy hivory sa tsia. Mety ho havany ilay olona nesorina, na namany be taloha. Dia ahoana rehefa tonga mivory izy? Tsy niarahaba olona hoatr’izany isika taloha. Amin’izao anefa, dia ny Kristianina tsirairay ihany no hanapa-kevitra momba an’izany, arakaraka ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly. Mety tsy hampaninona ny Kristianina sasany ny miarahaba an’ilay olona na ny milaza tonga soa aminy. Tsy hotohizintsika lava be anefa ilay resaka ary tsy hifanerasera aminy isika.

Mampiasa ny feon’ny fieritreretany efa nampiofanin’ny Baiboly ny Kristianina tsirairay, rehefa hanapa-kevitra hoe asainy hivory ny olona iray nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana sa tsia, ary arahabainy kely ve izy any am-pivoriana sa tsia (Fehintsoratra 14)


15. Karazan’olona hoatran’ny ahoana no tiana horesahina ao amin’ny 2 Jaona 9-11? (Jereo koa ilay hoe “ Mitovy Ihany ve ny Fahotana Noresahin’i Jaona sy Paoly?”)

15 Mety hisy ho lasa saina hoe ‘angaha moa ny Baiboly tsy milaza fa raha miarahaba olona hoatr’izany ny Kristianina iray dia lasa manohana ny ratsy ataony?’ (Vakio ny 2 Jaona 9-11.) Hita amin’ny teny manodidina an’io andinin-teny io hoe mihatra amin’ny mpivadi-pinoana sy izay olona mampirisika ny hafa hanao ratsy io toromarika io. (Apok. 2:20) Raha misy mampiely ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana àry, na mampirisika ny hafa hanao ratsy dia tsy hitsidika azy ny anti-panahy. Mazava ho azy fa manantena foana isika hoe ho tonga saina ilay olona. Tsy hiarahaba ny olona hoatr’izany anefa isika sady tsy hanasa azy hivory raha mbola tsy miova izy.

MIEZAHA HANGORAKA SY HAMINDRA FO HOATRAN’I JEHOVAH

16-17. a) Tian’i Jehovah hanao inona ny mpanota? (Ezekiela 18:32) b) Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe mpiara-miasa amin’i Jehovah ry zareo?

16 Inona no nianarantsika tao amin’ireo lahatsoratra fianarana dimy tato amin’ity gazety ity? Hoe tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana na iza na iza. (Vakio ny Ezekiela 18:32.) Tiany hihavana aminy ny mpanota. (2 Kor. 5:20) Izany no nahatonga azy namerimberina nampirisika ny vahoakany tsy nankatò mba hibebaka sy hiverina aminy. Tsy ny vahoakany ihany no nataony an’izany hatramin’izay fa ny olona tsirairay koa. Manana tombontsoa hiara-miasa amin’i Jehovah ny anti-panahy rehefa miezaka manampy ny mpanao ratsy hibebaka.​—Rom. 2:4; 1 Kor. 3:9.

17 Eritrereto ange ny fifalian’ny any an-danitra rehefa misy mpanota mibebaka e! Tena faly be i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra, isaky ny misy ondry very miverina amin’ny fiangonana. Vao mainka isika tia an’i Jehovah rehefa misaintsaina hoe mangoraka sy mamindra fo izy, ary miavaka ny hatsaram-panahiny.​—Lioka 1:78.

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

a Tsy antsointsika hoe voaroaka intsony ny olona hoatr’izany. Antsointsika hoe nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy ireny, mifanaraka amin’ny tenin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 5:13.

b Tsy karazana ota atao ilay hoe fahotana tsy hahazoana famelana, araka ny Baiboly. Fahotana ataon’ny olona mafy fo kosa ilay izy ary manohitra an’Andriamanitra foana ilay olona. Tsy anjarantsika ny mitsara hoe nanao fahotana hoatr’izany ny olona iray.​—Mar. 3:29; Heb. 10:26, 27.