Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 34

HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

Tiavo sy Amindrao Fo ny Olona Nanota

Tiavo sy Amindrao Fo ny Olona Nanota

“Tian’Andriamanitra hibebaka ianao matoa tsara fanahy aminao izy.”​—ROM. 2:4.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no ataon’ny anti-panahy rehefa miezaka manampy olona nanao fahotana lehibe ry zareo?

1. Mbola misy azo antenaina ve ny amin’ny olona nanao fahotana lehibe? Hazavao.

 HITANTSIKA tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha hoe ahoana no nataon’ny apostoly Paoly rehefa nisy nanao fahotana lehibe tany Korinto. Tsy nibebaka ilay olona dia tsy maintsy nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Asehon’ilay andinin-teny fototr’ity fianarana ity anefa hoe mbola misy azo antenaina ny amin’ny olona sasany nanao fahotana lehibe, izany hoe mbola azo ampiana hibebaka ry zareo. (Rom. 2:4) Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana ny olona hoatr’izany?

2-3. Inona no tokony hataontsika raha fantatsika hoe nanao fahotana lehibe ny mpiara-manompo iray, ary nahoana?

2 Tsy maintsy mahafantatra an’ilay olana aloha ny anti-panahy, izay vao afaka manampy. Inona àry no tokony hataontsika raha fantatsika hoe nanao fahotana lehibe ny mpiara-manompo iray, izany hoe nanao zavatra mety hahatonga azy hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana? Tokony hampirisihintsika hangataka fanampiana amin’ny anti-panahy izy.​—Isaia 1:18; Asa. 20:28; 1 Pet. 5:2.

3 Ahoana anefa raha tsy mety miresaka amin’ny anti-panahy ilay olona nanao ratsy? Isika mihitsy amin’izay no hiresaka amin’ny anti-panahy mba ho azo antoka hoe hahazo ny fanampiana ilainy izy. Be fitiavana isika raha manao an’izany satria tsy tiantsika ho very ilay rahalahy na anabavy. Raha manohy ny ratsy fanaony izy dia vao mainka hanimba ny fifandraisany amin’i Jehovah, ary mety hanala baraka ny fiangonana koa. Ny fitiavantsika an’i Jehovah sy ilay olona nanota àry no mahatonga antsika hisikina herim-po hiresaka amin’ny anti-panahy.​—Sal. 27:14.

AHOANA NO ANAMPIAN’NY ANTI-PANAHY AN’IZAY NANAO FAHOTANA LEHIBE?

4. Inona no tanjon’ny anti-panahy rehefa mihaona amin’ny olona nanao fahotana lehibe?

4 Rehefa misy olona manao fahotana lehibe ao amin’ny fiangonana, dia mifidy anti-panahy telo mahafeno fepetra ny anti-panahy rehetra mba ho komity. a Mila manetry tena ireo anti-panahy ireo. Rehefa manampy an’ilay olona nanota hibebaka ry zareo, dia miaiky hoe tsy afaka manery azy hiova. (Deot. 30:19) Fantatry ny anti-panahy hoe tsy ny mpanota rehetra no hibebaka hoatran’i Davida Mpanjaka. (2 Sam. 12:13) Mety hisy hifidy ny tsy hiraharaha ny fananaran’i Jehovah. (Gen. 4:6-8) Na izany aza, dia ny hitarika an’ilay mpanota mba hibebaka no tanjon’ny anti-panahy raha mbola azo atao. Inona no torolalana arahin-dry zareo rehefa mihaona amin’ilay olona nanota?

5. Inona no tokony hotadidin’ny anti-panahy rehefa mihaona amin’ny olona nanao fahotana lehibe? (2 Timoty 2:24-26) (Jereo koa ny sary.)

5 Hoatran’ny ondry very fa sarobidy no fahitan’ny anti-panahy an’ilay olona nanota. (Lioka 15:4, 6) Rehefa hihaona aminy àry ry zareo dia asehony amin’ny teniny sy ny fihetsiny hoe tsara fanahy ry zareo fa tsy masiaka. Tsy raisin-dry zareo hoe fombafomba misy dingana tsy maintsy arahina fotsiny ny fihaonana amin’ilay olona. Miezaka mampiseho ny toetra resahin’ny 2 Timoty 2:24-26 kosa ry zareo. (Vakio.) Malemy fanahy sy malemy paika ary tsara fanahy foana ny anti-panahy rehefa miezaka manohina ny fon’ilay nanao ratsy.

Miezaka mafy mitady ny ondry very ny anti-panahy, hoatran’ny nataon’ny mpiandry ondry fahiny (Fehintsoratra 5)


6. Ahoana no anomanan’ny anti-panahy ny fony alohan’ny hihaonany amin’ny olona nanao fahotana lehibe? (Romanina 2:4)

6 Manomana ny fony ny anti-panahy. Miezaka manahaka an’i Jehovah ry zareo amin’izay rehetra ataony amin’ilay mpanota, sady mitadidy an’ilay tenin’i Paoly hoe: “Tian’Andriamanitra hibebaka ianao matoa tsara fanahy aminao izy.” (Vakio ny Romanina 2:4.) Mitarika an’ilay mpanota hibebaka izany Andriamanitra. Tsy tokony ho hadinon’ny anti-panahy mihitsy hoe mpiandry ondry eo ambany fitarihan’i Kristy ry zareo. (Isaia 11:3, 4; Mat. 18:18-20) Mivavaka ilay komity alohan’ny hihaonany amin’ilay olona nanota sady miezaka mitadidy an’ilay tanjony hoe hitarika an’ilay olona hibebaka. Manao fikarohana ao amin’ny Soratra Masina sy ao amin’ny boky sy gazetintsika ry zareo ary mivavaka mba hahay hanavaka. Dinihin-dry zareo hoe inona amin’ny zavatra niainan’ilay olona taloha sy amin’izao no mety ho nahatonga azy hanana an’ilay toe-tsaina na toetra na fitondran-tena ratsy.​—Ohab. 20:5.

7-8. Ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe manam-paharetana hoatran’i Jehovah ry zareo rehefa mihaona amin’ilay olona nanota?

7 Manam-paharetana hoatran’i Jehovah ny anti-panahy. Mitadidy ny fomba nanampian’i Jehovah ny mpanota ry zareo. Nanam-paharetana, ohatra, i Jehovah rehefa nampisaintsaina an’i Kaina. Nampitandrina azy izy hoe inona no ho vokany raha manota izy, ary nampanantena izy hoe hotahiny raha miova. (Gen. 4:6, 7) Nampiasa an’i Natana mpaminany koa i Jehovah mba hananatra an’i Davida Mpanjaka, ary nanao fanoharana nanohina ny fon’i Davida i Natana. (2 Sam. 12:1-7) Ankoatra izay, dia “imbetsaka” i Jehovah no naniraka ny mpaminaniny mba ho any amin’ny firenen’Israely tsy nankatò. (Jer. 7:24, 25) Tsy niandry ny vahoakany hibebaka izy vao nanampy an-dry zareo, fa tonga dia nanao zavatra mba hampirisihana an-dry zareo hibebaka.

8 Manahaka an’i Jehovah ny anti-panahy rehefa miezaka manampy an’ireo nanao fahotana lehibe. Manaraka ny 2 Timoty 4:2 ry zareo ka ‘manam-paharetana tanteraka’, rehefa mampisaintsaina an’ilay mpiara-manompo manana olana. Mila mifehy tena foana àry ny anti-panahy sady manam-paharetana rehefa manampy an’ilay olona haniry hanao ny tsara. Raha sorena na tezitra ny anti-panahy dia mety tsy hihaino ny torohevitra omeny ilay olona na tsy hety hibebaka.

9-10. Ahoana no ampisaintsainan’ny anti-panahy an’ilay olona nanota?

9 Miezaka mamantatra ny anti-panahy hoe inona no nahatonga an’ilay olona hanota. Nihanalemy ara-panahy ve, ohatra, izy satria tsy dia nianatra samirery sy tsy dia nanompo? Lasa tsy nivavaka matetika ve izy, na tsy mivavaka amin’ny fony intsony? Tsy niezaka niady tamin’ny fanirian-dratsiny intsony ve izy? Tsy nahay nifidy namana sy fialam-boly ve izy? Dia inona no vokatr’izany tamin’ny toe-tsainy sy ny faniriany? Miaiky ve izy hoe nisy vokany tamin’i Jehovah Rainy ny fanapahan-keviny sy ny zavatra nataony tato ho ato?

10 Tsara fanahy ny anti-panahy raha mametraka fanontaniana mety tsara, nefa tsy midikiditra be loatra amin’ny fiainan’ilay olona. Hanampy azy hamoaka ny any am-pony sy hisaintsaina ny zavatra nataony ry zareo amin’izay. (Ohab. 20:5) Mety hampiasa fanoharana koa ry zareo, hoatran’ny nataon’i Natana tamin’i Davida, mba hampisaintsainana an’ilay olona sy hahatonga saina azy hoe ratsy ny nataony. Mety hanomboka halahelo be noho ny zava-dratsy nataony ilay olona, mandritra an’ilay fihaonana voalohany. Mety hibebaka mihitsy aza izy.

11. Ahoana no nitondran’i Jesosy ny mpanota?

11 Miezaka manahaka an’i Jesosy ny anti-panahy. Rehefa nanampy an’i Saoly avy any Tarsosy i Jesosy natsangana tamin’ny maty dia nametraka fanontaniana mampisaintsaina. Hoy izy: “Saoly, Saoly, fa maninona ianao no manenjika ahy?” Nanampy azy hisaintsaina momba ny tsy nety nataony i Jesosy tamin’izay. (Asa. 9:3-6) Izao indray no nolazainy momba an’ilay “vehivavy hoatran’i Jezebela”: “Nomeko fotoana hibebahana izy.”​—Apok. 2:20, 21.

12-13. Ahoana no ataon’ny anti-panahy mba hanomezana fotoana hibebahana an’ilay olona nanota? (Jereo koa ny sary.)

12 Manahaka an’i Jesosy ny anti-panahy ka tsy maika hanatsoaka hevitra hoe tsy hibebaka ny olona iray nanota. Mety ho tonga dia hibebaka ny sasany mandritra ny fihaonana voalohany amin’ilay komity, fa ny hafa indray mety hila fotoana fanampiny. Azon’ny anti-panahy atao àry ny mihaona amin’ilay olona mihoatra ny indray mandeha. Mety hanomboka hisaintsaina lalina momba an’izay noresahina taminy ilay Kristianina nanota, aorian’ilay fihaonana voalohany. Hanetry tena angamba izy ary hivavaka amin’i Jehovah. (Sal. 32:5; 38:18) Mety hiova àry ny toe-tsainy rehefa mihaona amin’ilay komity indray izy.

13 Asehon’ny anti-panahy hoe mangoraka sy tsara fanahy ry zareo mba hanampiana an’ilay mpanota hibebaka. Manantena ry zareo sady mivavaka hoe hotahin’i Jehovah ny ezaka ataon-dry zareo, ary ho tonga saina ilay olona ka hibebaka.​—2 Tim. 2:25, 26.

Mety hihaona mihoatra ny indray mandeha amin’ilay olona nanota ny anti-panahy mba hanomezana azy fotoana hibebahana (Fehintsoratra 12)


14. Iza no tokony hoderaina rehefa misy mpanota mibebaka, ary nahoana?

14 Faly be isika rehefa mibebaka ilay mpanota. (Lioka 15:7, 10) Iza no tokony hoderaina? Ny anti-panahy ve? Tadidio izay nosoratan’i Paoly momba ny mpanota. Hoy izy: “Angamba Andriamanitra hamela azy ireo hibebaka.” (2 Tim. 2:25) I Jehovah àry fa tsy olombelona no deraina rehefa miova hevitra sy miova toe-tsaina hoatr’izany ilay Kristianina nania. Izy mantsy no tena nanampy an’ilay olona hanao an’izany fiovana tena ilainy izany. Tanisain’i Paoly avy eo ny vokatra tsara ateraky ny fibebahana. Lasa mahalala tsara kokoa ny fahamarinana izy ka tonga saina ary lasa afaka miala amin’ny fandrik’i Satana.​—2 Tim. 2:26.

15. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hahazo fanampiana mitohy ilay mpanota mibebaka?

15 Rehefa misy mpanota mibebaka dia hanao fandaharana ny anti-panahy mba hitsidihana azy imbetsaka. Hahazo ny fanampiana ilainy foana izy amin’izay, mba hiadiany amin’ny fandrik’i Satana sy hanitsiany ny lalana halehan’ny tongony. (Heb. 12:12, 13) Mazava ho azy fa tsy horesahin’ny anti-panahy amin’iza na iza ny fahotana nataon’ilay olona. Inona anefa no mety hoe mila ampahafantarina ny fiangonana?

“ANARO EO IMASON’NY REHETRA” IZY

16. Iza no tian’i Paoly horesahina amin’ilay hoe “rehetra” ao amin’ny 1 Timoty 5:20?

16 Vakio ny 1 Timoty 5:20. Nosoratan’i Paoly ho an’i Timoty ireo teny ireo. Noresahiny an’io anti-panahy namany io hoe ahoana no fomba itondrana “ny olona zatra manota.” Iza no tian’i Paoly holazaina amin’ilay hoe “rehetra”? Tsy voatery hoe ny fiangonana manontolo ilay izy fa olona vitsivitsy mety ho efa naharaka an’ilay zava-nitranga. Mety hoe nanatri-maso an’ilay izy ry zareo, na nitantaran’ilay olona ny ratsy nataony. Ireo olona ireo ihany àry no horesahin’ny anti-panahy moramora hoe efa nokarakaraina ilay raharaha ary efa nahitsy ilay mpanota.

17. Inona no fampandrenesana mila atao raha be mpahafantatra ny momba an’ilay fahotana lehibe na azo inoana hoe ho be mpahafantatra? Nahoana?

17 Indraindray mety hoe be mpahafantatra ny momba an’ilay fahotana, na azo inoana hoe ho be mpahafantatra. Raha izay dia ny fiangonana manontolo ilay hoe “rehetra.” Hanao fampandrenesana àry ny anti-panahy hoe nomena fananarana ilay rahalahy na anabavy nanota. Inona no anton’izany? Nilaza i Paoly hoe “mba hampitandremana ny sisa” tsy hanao fahotana lehibe.

18. Ahoana no ataon’ny anti-panahy raha misy ankizy tsy ampy taona vita batisa nanao fahotana lehibe? (Jereo koa ny sary.)

18 Ary ahoana raha nanao fahotana lehibe ny ankizy tsy ampy taona vita batisa, izany hoe latsaka ny 18 taona? Anti-panahy roa no asain’ny anti-panahy rehetra hihaona amin’ilay ankizy sy ny ray aman-dreniny kristianina. b Hojeren’ireo anti-panahy ireo hoe inona avy no efa nataon’ilay ray aman-dreny mba hanampiana an’ilay zanany hibebaka. Raha manana toe-tsaina tsara ilay ankizy ary efa manampy azy ny ray aman-dreniny, dia mety hanapa-kevitra ireo anti-panahy roa hoe tsy ilaina intsony ny manao zavatra fanampiny mifandray amin’ilay izy. Andraikitra nankinin’Andriamanitra tamin’ny ray aman-dreny rahateo ilay hoe manitsy amim-pitiavana ny zanany. (Deot. 6:6, 7; Ohab. 6:20; 22:6; Efes. 6:2-4) Hanontany tsindraindray an’ilay ray aman-dreny ny anti-panahy mba ho azo antoka hoe mahazo ny fanampiana ilainy ilay zanany. Ahoana anefa raha tsy mibebaka ilay ankizy tsy ampy taona vita batisa fa mbola manao ratsy foana? Hisy komitin’ny anti-panahy hihaona aminy amin’izay, miaraka amin’ny ray aman-dreniny kristianina.

Raha misy ankizy tsy ampy taona nanao fahotana lehibe dia hisy anti-panahy roa hihaona aminy sy ny ray aman-dreniny kristianina (Fehintsoratra 18)


“TENA BE FITIAVANA I JEHOVAH SADY MAMINDRA FO”

19. Ahoana no anahafan’ny anti-panahy an’i Jehovah rehefa manampy olona nanao fahotana lehibe ry zareo?

19 Manana andraikitra eo anatrehan’i Jehovah ny komitin’ny anti-panahy mba hiaro ny fiangonana hadio foana. (1 Kor. 5:7) Te hanampy an’ilay mpanota mba haniry hibebaka koa ry zareo raha mbola azo atao. Mila manana toe-tsaina tsara foana àry ry zareo sady manantena hoe hiova ilay olona. Ny anti-panahy mantsy te hanahaka an’i Jehovah, izay ‘tena be fitiavana sady mamindra fo.’ (Jak. 5:11) Mariho ange ny fomba nampisehoan’ny apostoly Jaona an’izany toetra izany e! Izao no nosoratany: “Manoratra aminareo momba an’izany aho, ry zanako malalako, mba tsy hanotanareo. Raha misy olona sendra manota anefa, dia manana mpanampy any amin’ny Ray isika, dia i Jesosy Kristy, ilay marina.”​—1 Jaona 2:1.

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra farany amin’ity andian-dahatsoratra ity?

20 Mampalahelo fa misy Kristianina tsy mety mibebaka dia tsy maintsy esorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Ahoana no ataon’ny anti-panahy amin’izay? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra farany ny valin’izany.

HIRA 103 Lehilahy ho Fanomezana Ireo Mpiandry

a Komity mpitsara taloha no niantsoana an’ireo anti-panahy ireo. Tsy ampiasaina intsony anefa izany satria lafiny iray fotsiny amin’ny andraikitry ry zareo ilay hoe mitsara. Komitin’ny anti-panahy no iantsoana azy amin’izao.

b Mihatra amin’ny mpiantoka ara-dalàna na ny olon-kafa mitaiza an’ilay ankizy tsy ampy taona koa izay voalaza ato momba ny ray aman-dreny.