Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Ny fiangonana sa ny Kristianina tsirairay no manamarika olona, araka ny 2 Tesalonianina 3:14?

Nanoratra ho an’ny Kristianina tany Tesalonika ny apostoly Paoly hoe: “Raha misy tsy mankatò an’izay lazainay ato amin’ity taratasy ity, dia mariho izany olona izany.” (2 Tes. 3:14) Nilaza isika taloha hoe natao ho an’ny anti-panahy io toromarika io. Mety hoe nanao lahateny fampitandremana ny anti-panahy raha nisy olona tsy niraharaha ny torolalan’ny Baiboly, na dia efa nomena torohevitra imbetsaka aza. Tsy mifandray be aminy ny mpitory aorian’izay.

Mila ovana anefa izany. Hita mantsy hoe izao no tian’i Paoly holazaina: Anjaran’ny Kristianina tsirairay ny manapa-kevitra ny amin’izay hataony amin’ny toe-javatra sasany. Tsy mila manao lahateny fampitandremana intsony àry ny anti-panahy. Inona no anton’izany fanovana izany? Diniho ny zavatra noresahin’i Paoly tamin’izy nanome an’io toromarika io.

Tsikaritr’i Paoly hoe nisy “tsy laitra fehezina” tao amin’ilay fiangonana. Tsy niraharaha ny torohevitra tao amin’ny Soratra Masina ry zareo. Efa nandidy azy ireo i Paoly tamin’izy nitsidika an’ilay fiangonana hoe: “Izay tsy mety miasa dia tsy tokony hihinana.” Mbola nisy tsy nety namelon-tena ihany anefa na dia afaka niasa aza. Nidikiditra tamin’ny fiainan’ny hafa koa ry zareo. Tokony hataon’ny Kristianina ahoana ny olona tsy laitra fehezina hoatr’izany?​—2 Tes. 3:6, 10-12.

“Mariho izany olona izany”, hoy i Paoly. Rehefa jerena ilay teny grika nampiasainy eo, dia te hilaza izy hoe marihina tsara ilay olona sady mitandrina mba tsy hanao hoatr’azy. Ny rehetra tao amin’ilay fiangonana no nomen’i Paoly an’io toromarika io fa tsy ny anti-panahy ihany. (2 Tes. 1:1; 3:6) Raha nisy mpiara-manompo tsy nankatò ny Tenin’Andriamanitra àry, dia izay Kristianina mety ho nahatsikaritra an’izany no hifidy hoe ‘tsy hifanerasera intsony’ amin’ilay olona tsy laitra fehezina.

Natao hoatran’ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana ve izany izy? Tsy izany mihitsy satria nilaza i Paoly hoe “anaro foana toy ny rahalahy” izy. Mbola nifanerasera tamin’ilay olona nomarihina ihany àry ny Kristianina nahatsikaritra an’izay nataony, tany am-pivoriana sy teny amin’ny fanompoana. Nifidy ny tsy hiaraka taminy kosa ry zareo rehefa niala voly sy nanao zavatra hafa. Nahoana? Nilaza i Paoly hoe “mba ho menatra izy.” Rehefa nomarihina izany ny Kristianina iray tsy laitra fehezina, dia mety hoe menatra tamin’ny nataony izy dia niova.​—2 Tes. 3:14, 15.

Ahoana no ampiharan’ny Kristianina an’io toromarika io amin’izao? Ataontsika azo antoka tsara aloha hoe “tsy laitra fehezina” araka ny nohazavain’i Paoly tokoa ilay olona. Tsy ireto karazan’olona ireto akory no tao an-tsain’i Paoly: Olona tsy mitovy hevitra amintsika amin’ny resaka feon’ny fieritreretana, na tsy mitovy zavatra tiana amintsika, na olona nandratra ny fontsika. Ireo manao fanahy iniana tsy mankatò ny toromarika mazava avy amin’Andriamanitra kosa no tao an-tsainy.

Raha mahatsikaritra mpiara-manompo manana toe-tsaina tsy mankatò a hoatr’izany isika dia hanapa-kevitra hoe tsy hiaraka aminy rehefa miala voly na manao zavatra hafa. Tsy horesahintsika amin’olon-kafa ankoatra ny fianakaviantsika akaiky ao an-trano izany satria fanapahan-kevitsika manokana. Mbola hifanerasera amin’ilay olona ihany isika rehefa any am-pivoriana sy eny amin’ny fanompoana. Hiverina hifandray tsara aminy isika rehefa miova izy.

a Tsy mety mamelon-tena, ohatra, ny Kristianina iray nefa afaka miasa, na mety hisisika hampiaraka amin’ny olona tsy Vavolombelona, na mety hanaparitaka resaka mampisara-bazana ny fiangonana, na mety ho tia mifosafosa. (1 Kor. 7:39; 2 Kor. 6:14; 2 Tes. 3:11, 12; 1 Tim. 5:13) “Tsy laitra fehezina” ny olona mikiry manao zavatra hoatr’izany.