Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 49

HIRA 147 Azo Antoka ny Fiainana Mandrakizay

Ahoana ho Hahazoanao Fiainana Mandrakizay?

Ahoana ho Hahazoanao Fiainana Mandrakizay?

“Hahazo fiainana mandrakizay daholo izay manaiky ny Zanaka ka maneho finoana azy.”​—JAONA 6:40.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no ahafahan’ny voahosotra sy ny ondry hafa mandray soa avy amin’ny sorona nataon’i Jesosy Kristy?

1. Ahoana no fahitan’ny olona sasany an’ilay hoe miaina mandrakizay?

 BE DIA BE ny olona mitandrina ny sakafo haniny sy miezaka manao fanatanjahan-tena mba ho salama foana. Tsy manantena ny hiaina mandrakizay anefa ry zareo. Mieritreritra izy ireo hoe sarotra inoana izany, sady mety tsy hahafinaritra satria betsaka ny olana rehefa mihantitra. Tsara anefa ny hoe ‘miaina mandrakizay’ rehefa jerena ny fomba niresahan’i Jesosy an’izany ao amin’ny Jaona 3:16 sy 5:24.

2. Inona no resahin’ny Jaona toko faha-​6 momba ny fiainana mandrakizay? (Jaona 6:39, 40)

2 Nanao fahagagana i Jesosy indray mandeha mba hanomezana mofo sy trondro ho an’olona an’arivony. a Mbola niavaka noho izany anefa ny zavatra nolazainy ny ampitson’iny. Nanaraka azy tany Kapernaomy, tany akaikin’ny morontsirak’i Galilia, ilay vahoaka dia tany izy no nampianatra an-dry zareo hoe hitsangana ny maty ary afaka ny hiaina mandrakizay. (Vakio ny Jaona 6:39, 40.) Iza izao no havanao na namanao efa maty tonga ao an-tsainao? Hita amin’ny tenin’i Jesosy hoe be dia be ny olona hatsangana amin’ny maty, ary samy ho afaka hankafy fiainana mandrakizay ianao sy ny havan-tianao. Tsy azon’ny olona maro anefa ny tohin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona toko faha-​6. Andao hodinihintsika akaiky izany.

3. Inona no resahin’i Jesosy momba azy ao amin’ny Jaona 6:51?

3 Nampifandraisin’ilay vahoaka tany Kapernaomy ilay mofo vao avy nomen’i Jesosy azy ireo sy ilay mana nomen’i Jehovah ny razambeny. Antsoin’ny Soratra Masina hoe “mofo avy any an-danitra” tokoa ny mana. (Sal. 105:40; Jaona 6:31) Niresaka momba ny mana àry i Jesosy mba hampianarana an-dry zareo. Na dia fahagagana avy amin’Andriamanitra aza ny mana dia maty ihany, tatỳ aoriana, izay nihinana tamin’ilay izy. (Jaona 6:49) I Jesosy kosa nilaza hoe izy ilay “tena mofo avy any an-danitra” sy “mofon’Andriamanitra” ary “mofon’aina.” (Jaona 6:32, 33, 35) Nasehon’i Jesosy hoe tena tsy mitovy amin’ny mana izy. Izao no nolazainy: “Izaho no mofo velona nidina avy any an-danitra. Izay mihinana amin’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.” (Vakio ny Jaona 6:51.) Very hevitra ny Jiosy. Avy any an-danitra ahoana i Jesosy? Nahoana koa izy no milaza hoe “mofo” tsara kokoa noho ilay mana nomen’Andriamanitra ny razambeny? Nisy zavatra mahaliana noresahin’i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Ny mofo homeko dia ny nofoko.” Inona no tiany holazaina? Tokony hahaliana antsika ny valin’izany. Izay mantsy no hahafantarantsika ny fomba hahazoantsika sy ny havantsika fiainana mandrakizay. Andao hofantarintsika ny tian’i Jesosy holazaina.

ILAY MOFO VELONA SY NY NOFONY

4. Nahoana no nisy tafintohina tamin’ny tenin’i Jesosy?

4 Tafintohina ny olona sasany naheno an’i Jesosy niteny hoe homeny ny ‘nofony, mba hahazoan’izao tontolo izao fiainana.’ Nieritreritra ve ry zareo hoe hanome ny nofony ara-bakiteny i Jesosy mba hohanin’izy ireo? (Jaona 6:52) I Jesosy koa moa mbola nilaza hoe: “Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy hahazo fiainana.”​—Jaona 6:53.

5. Nahoana isika no milaza hoe tsy ny ran’i Jesosy ara-bakiteny no tiany hosotroin’ny olona?

5 Tsy navelan’Andriamanitra hihinana ra ny olona tamin’ny andron’i Noa. (Gen. 9:3, 4) Mbola nandrara an’izany izy tao amin’ny Lalàna nomeny ny Israelita. “Haringana” izay mihinana ra. (Lev. 7:27) Nankatò an’io Lalàna io i Jesosy. (Mat. 5:17-19) Tsy hampirisika ny Jiosy hihinana ny nofony sy hisotro ny rany ara-bakiteny mihitsy àry izy. Marina hoe hafahafa ilay zavatra nolazainy, nefa izy te hampianatra ny olona hoe ahoana no hahazoana “fiainana mandrakizay.”​—Jaona 6:54.

6. Ahoana no tokony handraisantsika an’ilay tenin’i Jesosy hoe mihinana ny nofony sy misotro ny rany?

6 Inona no tian’i Jesosy holazaina? Tsy maintsy hoe teny an’ohatra no nampiasainy, hoatran’ilay nataony tamin’ilay vehivavy samaritanina talohan’izay. Hoy izy tamin’ilay vehivavy: “Izay misotro ny rano homeko azy ... tsy hangetaheta intsony mihitsy. Fa ho loharano miboiboika ao anatiny ilay rano homeko azy, ka hanome azy fiainana mandrakizay.” (Jaona 4:7, 14) b Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe misy rano tokony hosotroin’ilay vehivavy samaritanina mba hahazoany fiainana mandrakizay. Rehefa niresaka tamin’ilay vahoaka tany Kapernaomy koa izy dia tsy te hilaza hoe hiaina mandrakizay ry zareo raha mihinana ny nofony sy misotro ny rany ara-bakiteny.

ZAVA-NITRANGA ROA TSY MITOVY

7. Inona no lazain’ny olona sasany momba an’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:53?

7 Misy mpivavaka milaza hoe tokony hatao mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:53, momba ny hoe mihinana ny nofony sy misotro ny rany. Mitovitovy mantsy, hono, ny teny nampiasain’i Jesosy tamin’ireo. (Mat. 26:26-28) Milaza izy ireo hoe rehefa ampandalovina eny amin’ny mpanatrika ny mofo sy divay, mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo, dia tokony hihinana sy hisotro amin’ilay izy daholo ry zareo. Izany tokoa ve no izy? Tena zava-dehibe ny hanamarinana an’izany satria olona an-tapitrisany eran-tany no miaraka amintsika mankalaza an’io fotoan-dehibe io. Maromaro ny tsy mampitovy an’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:53 sy izay nolazainy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Andao hojerentsika izany.

8. Milazà zavatra sasany tsy mampitovy an’ireo zava-nitranga roa. (Jereo koa ny sary.)

8 Mariho ireto zavatra roa ireto: Voalohany, ny fotoana sy ny toerana nilazan’i Jesosy ny Jaona 6:53-56. Tamin’ny taona 32 izy no niteny an’ireo, tany Galilia. Herintaona teo ho eo talohan’ny nanombohany nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo tany Jerosalema izany. Faharoa, ny olona niresahany. Olona te hahazo fahafaham-po amin’ny zavatra ilainy eo no ho eo fotsiny ny ankamaroan’ny nihaino azy tany Galilia fa tsy liana tamin’ny zavatra ara-panahy. (Jaona 6:26) Tonga dia tsy nino an’i Jesosy intsony ry zareo raha vao tsy azony tsara ny zavatra nampianariny. Na ny mpianany sasany aza tsy nanara-dia azy intsony. (Jaona 6:14, 36, 42, 60, 64, 66) Tsy mitovy amin’izany kosa izay nitranga tamin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany, herintaona teo ho eo taorian’izay, tamin’ny taona 33. Ny apostolin’i Jesosy tsy nivadika 11 no niaraka taminy tamin’izay. Teo foana ireo apostoly ireo na dia nisy tsy azony tsara aza ny zavatra nampianarin’i Jesosy. Tsy hoatran’ny ankamaroan’ilay vahoaka tany Galilia ry zareo, fa resy lahatra hoe Zanak’Andriamanitra i Jesosy, ary nidina avy any an-danitra. (Mat. 16:16) Nidera azy ireo i Jesosy hoe: “Ianareo ... no nifikitra tamiko tao anatin’ireo fitsapana nahazo ahy.” (Lioka 22:28) Ireo fahasamihafana roa ireo fotsiny dia efa ahitantsika fa tsy zavatra tokony hatao amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo ilay noresahin’i Jesosy ao amin’ny Jaona 6:53. Mbola misy porofo hafa koa anefa.

Mitantara an’izay nolazain’i Jesosy tamin’ny Jiosy be dia be tany Galilia ny Jaona toko faha-​6 (havia). Niresaka tamin’ny apostoliny tsy nivadika tany Jerosalema izy, herintaona tatỳ aoriana (havanana) (Fehintsoratra 8)


MAHAKASIKA ANAO ILAY IZY

9. Mihatra amin’iza ilay tenin’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

9 Nanome mofo tsy misy lalivay ho an’ny apostoliny i Jesosy nandritra an’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo, ary nilaza izy fa mifanitsy amin’ny vatany ilay mofo. Natolony azy ireo avy eo ny divay, ary niteny izy hoe mifanitsy amin’ny “ran’ny fifanekena” ilay izy. (Mar. 14:22-25; Lioka 22:20; 1 Kor. 11:24) Misy dikany be izany. Tsy natao tamin’ny olombelona rehetra ilay fifanekena vaovao fa tamin’ny “taranak’Israely” ara-panahy, izay ho “ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.” (Heb. 8:6, 10; 9:15) Tsy tena azon’ireo apostoly tsara izany tamin’izay. Ho voahosotry ny fanahy masina anefa ry zareo aoriana kelin’izay, ary ho tafiditra amin’ilay fifanekena vaovao sy hahazo toerana miaraka amin’i Jesosy any an-danitra.​—Jaona 14:2, 3.

10. Inona koa no tsy mampitovy an’izay nolazain’i Jesosy tany Galilia sy izay nolazainy tamin’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo? (Jereo koa ny sary.)

10 Mariho fa nihatra tamin’ny “ondry vitsy” ilay tenin’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Ny apostoliny tsy nivadika niaraka taminy tamin’iny hariva iny no voalohany anisan’io antokon’olona io, ary hisy olon-kafa hanampy an-dry zareo atỳ aoriana. (Lioka 12:32) Izy rehetra ireo no tokony hihinana amin’ny mofo sy hisotro ny divay. Ry zareo mantsy no hahazo toerana any an-danitra miaraka amin’i Jesosy. Tsy mitovy amin’ilay noresahiny tamin’ny apostoliny tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo àry ilay noresahiny tamin’ilay vahoaka tany Galilia, fa malalaka kokoa satria mihatra amin’olona be dia be.

Vitsy ihany ny olona mihinana amin’ny mofo sy misotro amin’ny divay. Ny olon-drehetra anefa no afaka maneho finoana an’i Jesosy sy mahazo fiainana mandrakizay (Fehintsoratra 10)


11. Inona amin’izay nolazain’i Jesosy tany Galilia no ahitana hoe tsy olona vitsivitsy fotsiny no tiany hotenenina?

11 Jiosy te hahazo mofo no tena niresahan’i Jesosy tamin’izy tany Galilia, tamin’ny taona 32. Nisarika ny sain-dry zareo tamin’ny zavatra mahasoa lavitra noho ny sakafo anefa i Jesosy, ary mety hahazoan-dry zareo fiainana mandrakizay ilay izy. Nilaza koa i Jesosy hoe azo hatsangana ny maty amin’ny andro farany, ary ho afaka hiaina mandrakizay. Tsy fitahiana ho an’ny antokon’olona vitsivitsy fotsiny, hoatran’ilay tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo, no tiany hotenenina. Misokatra ho an’ny rehetra kosa ilay fitahiana noresahiny tany Galilia. Izay no nahatonga azy hiteny hoe: “Izay mihinana amin’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ny mofo homeko dia ny nofoko, mba hahazoan’izao tontolo izao fiainana.”​—Jaona 6:51.

12. Inona no tokony hataon’izay te hahazo an’ilay fitahiana noresahin’i Jesosy?

12 Tsy nilaza tamin’ilay vahoaka tany Galilia i Jesosy hoe hahazo an’io fitahiana io ny olona rehetra velona hatramin’izay sy izay mbola ho teraka. Izay “mihinana amin’ity mofo ity” ihany, hoy izy, no hahazo an’ilay fitahiana, izany hoe izay maneho finoana. Betsaka ny olona milaza ho Kristianina mieritreritra hoe rehefa mino an’i Jesosy sy mihevitra azy ho mpamonjy fotsiny izy dia ho voavonjy. (Jaona 6:29) Nino an’i Jesosy anefa ny sasany tamin’ilay vahoaka, tamin’ny voalohany, fa avy eo nandao azy. Fa naninona?

13. Inona no tokony hatao raha tena te ho mpianatr’i Jesosy?

13 Falifaly nanaraka an’i Jesosy ny ankamaroan’ilay vahoaka nomeny sakafo, raha mbola nanome an’izay nilain-dry zareo izy. Tian-dry zareo raha manao fahagagana i Jesosy dia manasitrana, manome sakafo maimaim-poana, ary mampianatra an’izay zavatra tian-dry zareo ho heno. Nasehon’i Jesosy anefa hoe tsy ny hanome fahafaham-po ny fanirian-dry zareo no tena nahatongavany tetỳ an-tany, fa ny hampianatra hoe inona no tokony hataon’izay tena te ho mpianany. Mila manaiky an’ilay fanasan’i Jesosy mba ‘hanatona’ azy ry zareo, ka manaiky sy mankatò an’izay rehetra ampianariny.​—Jaona 5:40; 6:44.

14. Inona no tsy maintsy hataontsika raha te handray soa avy amin’ny nofon’i Jesosy sy ny rany isika?

14 Nantitranterin’i Jesosy tamin’ilay vahoaka hoe mila maneho finoana ry zareo. Mila asehon-dry zareo fa mino ry zareo hoe manan-kery ny nofon’i Jesosy sy ny rany, izay hataony sorona. Tena nila nino an’izany ny Jiosy ary mila mino an’izany koa isika. (Jaona 6:40) Mila maneho finoana ny vidim-panavotana isika raha te handray soa avy amin’ny nofon’i Jesosy sy ny rany, voaresaka ao amin’ny Jaona 6:53. Be dia be ny olona afaka maneho finoana hoatr’izany.​—Efes. 1:7.

15-16. Rehefa avy nandinika ny Jaona toko faha-​6 isika, dia inona avy ny fitahiana mila tadidintsika foana?

15 Sarobidy amintsika sy amin’ny olona akaiky antsika ny zavatra resahin’ny Jaona toko faha-​6. Hitantsika ao hoe tena miahy ny olombelona i Jesosy. Nanasitrana ny marary izy tany Galilia, nampianatra momba an’ilay Fanjakana, ary nanome sakafo an’izay noana. (Lioka 9:11; Jaona 6:2, 11, 12) Nampianariny koa hoe izy no “mofon’aina”, ary izany no zava-dehibe kokoa.​—Jaona 6:35, 48.

16 Tsy mihinana amin’ny mofo sy misotro amin’ny divay izay nantsoin’i Jesosy hoe “ondry hafa”, mandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo isan-taona. (Jaona 10:16) Tsy mahazo manao an’izany ry zareo. Mandray soa avy amin’ny nofon’i Jesosy Kristy sy ny rany ihany anefa ry zareo. Asehony mantsy fa mino ry zareo hoe manan-kery ny sorona nataon’i Jesosy. (Jaona 6:53) Rehefa mihinana ny mofo sy misotro ny divay kosa ireo tokony hanao an’izany dia asehony hoe tafiditra amin’ilay fifanekena vaovao ry zareo, ary manantena fa ho mpanjaka ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Na voahosotra àry isika na ondry hafa dia misy heviny be ho antsika ilay resahin’ny Jaona toko faha-​6. Asongadin’izy io hoe tena zava-dehibe ny maneho finoana raha te hiaina mandrakizay.

HIRA 150 Mitadiava An’i Jehovah mba ho Voavonjy

a Noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny Jaona 6:5-35.

b Manondro ny fandaharana ataon’i Jehovah mba hahazoana fiainana mandrakizay ilay rano noresahin’i Jesosy.