Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HEVITRA AZO IANARANA

Manaja ny Voady Nataony ny Olona Tsy Mivadika

Manaja ny Voady Nataony ny Olona Tsy Mivadika

Vakio ny Mpitsara 11:30-40: Ho hitanao ao izay azo ianarana avy amin’i Jefta sy ny zanany vavy momba ny hoe manaja voady.

Fakafakao ny teny manodidina: Ahoana no fiheveran’ny Israelita tsy nivadika ny voady nataony tamin’i Jehovah? (Nom. 30:2) Ahoana no nampisehoan’i Jefta sy ny zanany vavy hoe nino an’i Jehovah ry zareo?​—Mpits. 11:9-11, 19-24, 36.

Fakafakao ilay tantara: Inona no azo antoka hoe tao an-tsain’i Jefta tamin’izy nanao an’ilay voady? (w16.04 7 § 12) Inona no nafoin’i Jefta sy ny zanany vavy mba hanatanterahana an’ilay voady nataon’i Jefta? (w16.04 7-8 § 14-16) Inona avy ny voady mety hataon’ny Kristianina amin’izao?​—w17.04 5-8 § 10-19.

Fantaro hoe inona ny lesona azonao raisina. Diniho izao:

  • ‘Inona no manampy ahy hanaja foana an’ilay voady nataoko tamin’izaho nanokan-tena?’ (w20.03 13 § 20)

  • ‘Inona avy no mety hafoiko mba hahafahako manompo bebe kokoa an’i Jehovah?’

  • ‘Inona no hanampy ahy ho tapa-kevitra kokoa hanaja ny voadim-panambadiako?’ (Mat. 19:5, 6; Efes. 5:28-33)