Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

Mianatra Foana Aho Hatramin’izao

Mianatra Foana Aho Hatramin’izao

ISAORAKO i Jehovah, ilay “Mpampianatra Be Voninahitra”, satria manana tombontsoa aho hoe ampianariny. (Isaia 30:20) Ampianariny ny mpivavaka aminy, amin’ny alalan’ny Baiboly, ny zavaboariny mahavariana, ary ny fandaminany. Mampiasa ny rahalahy sy anabavy koa izy mba hanampiana antsika. Efa ho 100 taona aho izao nefa mbola ampianarin’i Jehovah amin’ireo fomba ireo foana. Andraso hohazavaiko ilay izy.

Izahay mianakavy tamin’ny 1948

Tamin’ny 1927 aho no teraka, tao amin’ny tanàna kely any akaikin’i Chicago, eto Etazonia. Dimy mianadahy izahay: Jetha, Don, izaho, Karl, ary Joy. Tapa-kevitra izahay hoe hanompo an’i Jehovah amin’ny fonay manontolo. Nanatrika ny Sekolin’i Gileada kilasy faharoa i Jetha, tamin’ny 1943. I Don indray nanomboka nanompo tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, New York, tamin’ny 1944, i Karl tamin’ny 1947, ary Joy tamin’ny 1951. Nanohina ny foko ny modelin-dry zareo sy ny an’i Dada sy Neny.

NIANATRA NY FAHAMARINANA IZAHAY MIANAKAVY

Tia namaky Baiboly i Dada sy Neny sady tia an’Andriamanitra, dia nampianariny ho hoatr’izany koa izahay ankizy. Tsy nety niangona intsony anefa i Dada, taorian’ny Ady Lehibe I, rehefa avy nanao miaramila tany Eoropa. Faly be i Neny hoe tsy maty tany an’ady izy, dia noteneniny hoe: “Karl a, andao hiangona hoatran’ny taloha.” Namaly i Dada hoe: “Hanatitra anao fotsiny aho fa izaho tsy hiditra any.” Hoy i Neny: “Fa maninona?” Namaly izy hoe: “Nandritra ny ady a, samy nitso-drano ny miaramila sy ny fitaovam-piadian-dry zareo ny mpitondra fivavahana avy amin’ny firenena nifanandrina, nefa mitovy ihany ny fivavahan-dry zareo. Izany koa ve dia eken’Andriamanitra?”

Rehefa tany am-piangonana i Neny dia nisy Vavolombelon’i Jehovah roa tonga tao aminay. Nasehon-dry zareo an’i Dada ny boky roa hoe Fahazavana, izay momba ny bokin’ny Apokalypsy. Nahaliana an’i Dada ilay izy dia noraisiny. Novakin’i Neny ireo boky ireo raha vao hitany. Nahita fanasana tao anaty gazety izy, indray andro. Natao ho an’izay te hianatra Baiboly amin’ireo boky hoe Fahazavana ilay izy. Rehefa nankany amin’ilay toerana izy dia ramatoa be taona izay no nanokatra ny varavarana. Nasehon’i Neny ny iray tamin’ireo boky sady nanontany izy hoe: “Ianarana ato, hono, ity?” Namaly ilay ramatoa hoe: “Eny, anaka. Mandrosoa e!” Nentin’i Neny tany izahay ankizy ny herinandro manaraka, dia nandeha foana izahay taorian’izay.

Nasain’ny mpitarika fivoriana hamaky ny Salamo 144:15 aho indray mandeha. Voalaza ao hoe sambatra ny olona manompo an’i Jehovah. Nanohina ny foko io andininy io sy ireto andininy ireto: 1 Timoty 1:11, izay milaza hoe “Andriamanitra falifaly” i Jehovah; sy ny Efesianina 5:1 izay mampirisika antsika ‘hanahaka an’Andriamanitra.’ Tokony ho faly aho izany rehefa manao an’izay azoko atao ho an’ny Mpamorona, ary tokony hisaotra azy aho satria omeny an’izany tombontsoa izany. Tena nilaiko ireo fahamarinana ireo teo amin’ny fiainako.

Tany Chicago, izany hoe tany amin’ny 32 kilaometatra niala teo aminay, ny fiangonana akaiky indrindra anay. Nankany foana anefa izahay dia nitombo ny fahalalako ny Baiboly. Tadidiko hoe nanondro an’i Jetha ny mpitarika fivoriana indray mandeha. Nihaino azy namaly teny aho dia nieritreritra hoe: ‘Haiko izany. Tokony mba nanangan-tanana koa aho.’ Lasa nanomana sy namaly teny àry aho. Ny tena zava-dehibe dia hoe nandroso ara-panahy aho, hoatran’ny iray tam-po amiko. Natao batisa tamin’ny 1941 aho.

NAMPIANARIN’I JEHOVAH TANY AMIN’NY FIVORIAMBE

Tadidiko tsara ilay fivoriambe tany Cleveland, any Ohio, tamin’ny 1942. Nanaraka an’ilay fandaharana tamin’ny telefaonina ny olona tany amin’ny toerana 50 mahery nanerana an’i Etazonia. Nipetraka tao anaty tranolay teo akaikin’ilay toerana izahay mianakavy tamin’izay, hoatran’ny nataon’ny fianakaviana maro hafa. Mbola nafana ny Ady Lehibe II, ary be dia be no nanenjika ny Vavolombelon’i Jehovah. Hitako hoe nalahatr’ireo rahalahy nanodidina an’ilay toerana feno tranolay ny fiara, amin’ny hariva, ary nataon-dry zareo niamboho an’ilay toerana. Nifanarahana koa hoe asiana olona iray isaky ny fiara mba hiambina mandritra ny alina. Tonga dia mandrehitra ny jiron’ilay fiara ny mpiambina raha vao misy mampahatahotra mba hahajambena ny mpanafika. Hampaneno ny klakisaonina koa izy, amin’izay ny olon-kafa afaka manampy an-dry zareo. Hitako hoe vonona amin’ny zava-drehetra ny vahoakan’i Jehovah. Nanome toky ahy izany dia nahita tory tsara aho. Tsy nisy nanelingelina mihitsy izahay.

Tatỳ aoriana, rehefa mieritreritra an’iny fivoriambe iny aho, dia tadidiko hoe tsy natahotra mihitsy i Neny. Natoky tanteraka an’i Jehovah sy ny fandaminany izy. Tsy ho hadinoko mihitsy ny modeliny.

Nanomboka nanao mpisava lalana i Neny, taloha kelin’ilay fivoriambe. Nifantoka tsara àry izy rehefa nisy lahateny momba ny fanompoana manontolo andro. Hoy izy taminay teny an-dalana nody: “Mbola te hanao mpisava lalana foana aho, nefa tsy ho arako izany raha sady hikarakara tsara ny ao an-trano aho.” Nangataka fanampiana taminay àry izy. Nanaiky izahay, dia nasainy nampirina efitra iray na roa avy, alohan’ny sakafo maraina. Hamarininy fotsiny ny trano hoe milamina tsara, rehefa lasa mianatra izahay, dia avy eo izy mandeha manompo. Be atao be i Neny nefa tsy nataony ambanin-javatra mihitsy izahay ankizy. Teo foana izy rehefa nody avy nianatra izahay, na ny antoandro na ny hariva. Indraindray izahay nentiny nanompo rehefa avy nianatra. Lasa fantatray àry hoe hoatran’ny ahoana izany mpisava lalana izany.

NANOMBOKA NANOMPO MANONTOLO ANDRO

Nanomboka nanao mpisava lalana aho tamin’izaho 16 taona. Na dia mbola tsy Vavolombelon’i Jehovah aza i Dada dia nahaliana azy ny fanompoako. Noteneniko izy indray mandeha hoe tsy mety mahazo mpianatra Baiboly mihitsy aho na dia efa miezaka be aza. Niato kely aho dia nanontany azy hoe: “Sao dia hampianariko Baiboly i Dada?” Nieritreritra teo izy dia namaly hoe: “Tsy hitako izay antony tsy hianarako.” I Dada no mpianatra Baiboliko voalohany. Tombontsoa be ny ahy!

Ilay boky hoe “Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo” no nianaranay. Arakaraka ny nianaranay no nahitako hoe nanampy ahy ho mpianatra sy mpampianatra mahay kokoa i Dada. Avy namaky fehintsoratra iray, ohatra, izahay indray mandeha, dia nilaza izy hoe: “Izay aloha no lazain’ilay boky e! Fa ahoana no hahafantaran’ialahy hoe marina izany?” Tsy nampoiziko ilay fanontaniana dia hoy aho hoe: “Tsy mahita porofo aloha aho izao, fa hovaliako izay amin’ny fianarantsika manaraka.” Dia izay mihitsy no nataoko. Nahita andinin-teny maromaro nanohana an’ilay hevitra nianaranay aho. Nianatra nanao fikarohana aho taorian’izay mba hahafahako miomana tsara kokoa. Nanampy ahy handroso ara-panahy izany sady nanampy an’i Dada koa. Nampihatra an’izay nianarany izy ary natao batisa tamin’ny 1952.

TANJONA NANAMPY AHY HIANATRA BEBE KOKOA

Niala tao an-trano aho tamin’izaho 17 taona. Voatendry ho misionera i Jetha a tamin’izany, ary i Don lasa Betelita. Nampahery be ahy ny nahita an-dry zareo nankafy ny fanompoany. Nanao fangatahana hanompo any amin’ny Betela sy hanao Sekolin’i Gileada àry aho, dia i Jehovah no navelako nifidy. Ilay fangatahako hanompo atỳ amin’ny Betela no nivaly, tamin’ny 1946.

Afaka niana-javatra be dia be aho tato amin’ny Betela, satria niovaova ny fanendrena ahy. Lasa nahay nanao pirinty boky sy nanao kaonty, ohatra, aho nandritra an’izay 75 taona niasako tato izay. Nianatra nanafatra sy nandefa entana koa aho. Fa ny tena tiako indrindra dia ny fotoam-pivavahana maraina sy ny lahateny ara-baiboly ato amin’ny Betela, satria mahazo fampianarana avy ao amin’ny Baiboly foana aho amin’ireny.

Nampianatra tamin’ny sekolin’ny anti-panahy

Niana-javatra tamin’i Karl, zandriko lahy, koa aho. Nanomboka nanompo tato amin’ny Betela izy tamin’ny 1947. Mpianatra sy mpampianatra Baiboly mahay be izy. Nangataka fanampiana taminy aho indray mandeha fa hanao lahateny. Nohazavaiko taminy hoe nahita fanazavana be dia be aho fa tsy haiko ny fomba hampiasako azy. Fanontaniana iray fotsiny no napetrany. Hoy izy: “Joel a, fa momba ny inona ilay lahateny?” Tonga dia azoko ny tiany hahatongavana: Izay ilaina ihany ampiasaina, dia avelao ny ambiny. Tsy hadinoko mihitsy izany.

Mila mazoto manompo eny amin’ny saha ianao raha tianao hahafinaritra ny fanompoanao ao amin’ny Betela. Hiaina zavatra mahafinaritra be ianao amin’izay. Tadidiko tsara izahay nanompo, indray hariva izay, tany Bronx any New York. Nihaona tamin’ny ramatoa efa nahazo Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! izay izaho sy ny rahalahy iray. Rehefa avy nampahafantatra ny tenanay izahay dia niteny hoe: “Manampy ny olona hianatra zavatra tsara avy ao amin’ny Baiboly izahay androany.” Namaly ilay ramatoa hoe: “Raha resaka Baiboly dia mandrosoa!” Namaky sy niresaka andinin-teny maromaro momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny tontolo vaovao izahay. Tena tiany ilay izy dia nasainy niaraka nihaino taminy teo ny namany maromaro, ny herinandro manaraka. Lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika izy mivady.

NIANA-JAVATRA TAMIN’NY VADIKO

Nitady vady nandritra ny 10 taona teo ho eo aho, izay vao nahita an’ilay nety tamiko. Inona no nanampy ahy hahita vady tsara? Sady nivavaka aho no nisaintsaina hoe: ‘Inona no tiako hataonay rehefa lasa mpivady izahay?’

Izahay sy Mary tamin’ny nanao ny asan’ny faritra

Nihaona tamin’i Mary Aniol aho, taorian’ilay fivoriambe tany Yankee Stadium tamin’ny 1953. Niaraka nanatrika ny kilasy faharoa tamin’ny Sekolin’i Gileada izy sy Jetha, dia avy eo niaraka nanao misionera izy roa vavy. Nafana fo be i Mary nitantara tamiko ny fanompoany tany Karaiba sy ny fampianarana Baiboly nataony hatramin’izay. Hitanay hoe mitovy ny tanjonay rehefa nihanifankahalala izahay. Nifankatia izahay dia nivady tamin’ny Aprily 1955. Hitako hoe tena fanomezana avy amin’i Jehovah i Mary sady modely tsara. Faly foana izy na inona na inona fanendrena nomena azy. Niasa mafy izy, be fiahiana, dia nanao loha laharana an’ilay Fanjakana foana. (Mat. 6:33) Nanao ny asan’ny faritra nandritra ny telo taona izahay, dia avy eo nantsoina tato amin’ny Betela, tamin’ny 1958.

Niana-javatra be avy tamin’i Mary aho. Vao nivady kelikely, ohatra, izahay dia nifanaraka hoe hiaraka hamaky Baiboly. Andinin-teny 15 teo ho eo isan’andro no novakinay. Rehefa avy namaky ampahany kely ny iray taminay, dia niresaka momba an’ilay izy izahay sady nandinika ny fomba hampiharana azy. Matetika i Mary no nitantara ny zavatra nianarany tany amin’ny Sekolin’i Gileada na tamin’ny fanompoany tamin’izy misionera. Ireny resakay ireny no nanampy ahy hanatsara ny lahateniko sy nahatonga ahy hahay hampahery kokoa ny anabavy.​—Ohab. 25:11.

Maty tamin’ny 2013 ilay vady malalako. Tsy andriko ny hihaonana aminy any amin’ny tontolo vaovao. Mandra-piandry an’izay anefa dia tapa-kevitra aho hoe hianatra foana sady hatoky an’i Jehovah amin’ny foko manontolo. (Ohab. 3:5, 6) Sady faly aho no mahazo fampaherezana rehefa misaintsaina ny zavatra hataon’ny vahoakan’i Jehovah any amin’ny tontolo vaovao. Tsy maintsy hoe hampianarin’ilay Mpampianatra Be Voninahitra zava-baovao isika any, sady hianatra momba azy. Misaotsaotra azy aho amin’izay rehetra nampianariny ahy hatramin’izay, sy ny nanehoany hatsaram-panahy miavaka tamiko.

a Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2003, p. 23-29, ny tantaram-piainan’i Jetha Sunal.