Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 48

HIRA 97 Ny Teninao no Ivelomanay

Mofo Azo Tamin’ny Fomba Mahagaga

Mofo Azo Tamin’ny Fomba Mahagaga

“Izaho no mofon’aina. Izay manatona ahy dia tsy mba ho noana mihitsy.”​—JAONA 6:35.

HEVITRA HODINIHINA

Hodinihintsika ato ilay fitantarana ao amin’ny Jaona toko faha-​6. Nampitombo mofo sy trondro vitsivitsy i Jesosy mba homena vahoaka be. Inona no lesona raisintsika avy amin’io tantara io?

1. Inona no tian’ny Baiboly horesahina rehefa mampiasa an’ilay teny hoe “mofo”?

 MOFO no foto-tsakafon’ny olona maro taloha. (Gen. 14:18; Lioka 4:4) Mampiasa ny teny hoe “mofo” ny Baiboly indraindray mba hilazana ny sakafo amin’ny ankapobeny, satria efa mahazatra be ilay izy. (Mat. 6:11, f.a.p.) Nisongadina tao amin’ny fahagagana roa be mpahafantatra nataon’i Jesosy koa ny mofo. (Mat. 16:9, 10) Ao amin’ny Jaona toko faha-​6 ny iray. Handinika an’io tantara io isika ary hijery lesona azontsika ampiharina.

2. Inona no nitranga ka nilana sakafo?

2 Reraka avy nitory ny apostoly indray mandeha dia nentin’i Jesosy nandeha sambo niampita ny Ranomasin’i Galilia mba haka aina. (Mar. 6:7, 30-32; Lioka 9:10) Nankany amin’ny toerana mitokana tany amin’ny faritr’i Betsaida ry zareo. Vetivety anefa dia nisy vahoaka be tonga teo. Tsy nanilikilika an’ilay vahoaka i Jesosy. Tsara fanahy kosa izy dia nampianatra azy ireo momba an’ilay Fanjakana sy nanasitrana ny marary. Lasa saina ny mpianatra rehefa nihariva ny andro hoe ahoana ny sakafon’ireo vahoaka ireo. Mety ho nitondra sakafo kely ihany ny sasany, nefa nila nankany an-tanàna mba hividy sakafo ny ankamaroany. (Mat. 14:15; Jaona 6:4, 5) Dia ahoana no hataon’i Jesosy?

NANAO FAHAGAGANA MBA HANOMEZANA MOFO

3. Inona no nasain’i Jesosy nataon’ny apostoly ho an’ilay vahoaka? (Jereo koa ny sary.)

3 Nilaza tamin’ny apostoliny i Jesosy hoe: “Tsy voatery handeha ry zareo, fa omeo zavatra hohanina.” (Mat. 14:16) Sarotra izany satria nisy lehilahy 5 000 teo ho eo tamin’izay, niaraka tamin’ny vehivavy sy ny ankizy. Mety ho nahatratra 15 000 izany ny olona nila nomena sakafo. (Mat. 14:21) Niteny i Andrea avy eo hoe: “Intỳ misy ankizilahikely manana mofo dimy sy trondro madinika roa. Izany anefa ve dia ho ampy an’ireo olona be dia be ireo?” (Jaona 6:9) Fihinan’ny mahantra sy ny olon-kafa ny mofo vita amin’ny vary orza tamin’izany. Mety ho nasiana sira sy nohamainina koa ilay trondro madinika. Tsy ho ampy an’ireo olona be dia be ireo mihitsy ny sakafo tany amin’ilay ankizilahy.

Nampianatra ny olona momba an’Andriamanitra i Jesosy ary nanome an’izay nilain’izy ireo (Fehintsoratra 3)


4. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Jaona 6:11-13? (Jereo koa ny sary.)

4 Te hikarakara sy hanampy an’ilay vahoaka i Jesosy dia nasainy naka toerana teo amin’ny bozaka ry zareo ary nasainy nitsitokotoko. (Mar. 6:39, 40; vakio ny Jaona 6:11-13.) Nisaotra ny Rainy izy avy eo tamin’ilay mofo sy ilay trondro. Nety tsara izany satria avy amin’Andriamanitra ny sakafo. Tena ilaina ny manahaka ny ohatr’i Jesosy, izany hoe mivavaka alohan’ny hisakafo, na isika irery no eo na misy olon-kafa. Nasain’i Jesosy nozaraina ilay sakafo avy eo, dia nihinana ilay vahoaka ary voky. Mbola nisy ambiny aza. Tsy tian’i Jesosy hariana ilay izy dia nasainy nangonina, amin’izay mbola azo ampiasaina. Nampianatra antsika mba hahay hitsitsy i Jesosy teo. Raha manan-janaka ianao dia maninona raha iarahana midinika amin-dry zareo io tantara io? Jereo izay azonareo ianarana momba ny vavaka, ny fanampiana olona, ary ny fahalalahan-tanana.

Saintsaino hoe: ‘Manahaka an’i Jesosy ve aho ka mivavaka alohan’ny hisakafo?’ (Fehintsoratra 4)


5. Saika hanao inona ilay vahoaka rehefa nahita an’ilay fahagagana? Ahoana anefa no nataon’i Jesosy?

5 Gaga ny vahoaka tamin’ny fomba fampianaran’i Jesosy sy ny fahagagana nataony. Mety ho lasa saina àry ry zareo hoe sao dia mba i Jesosy ilay mpaminany miavaka noresahin’i Mosesy hoe hotendren’Andriamanitra. (Deot. 18:15-18) Raha izay mantsy dia mety be mihitsy izy raha hatao mpitondra, ary angamba mahavita manome sakafo ho an’ilay firenena manontolo. Saika “haka [an’i Jesosy] an-keriny mba hatao mpanjaka” àry ry zareo. (Jaona 6:14, 15) Lasa nandray anjara tamin’ny politikan’ny Jiosy, izay teo ambany fahefan’ny Romanina, izy raha nanao an’izany. Tsy nanao politika mihitsy anefa izy. Resahin’ilay tantara hoe ‘niala teo izy ka nandeha tany an-tendrombohitra.’ Na teo aza ny faneren’ny hafa dia tsy nanaiky hiditra tamin’ny politika mihitsy i Jesosy. Tena ohatra tsara ho antsika izy.

6. Ahoana no hanahafantsika an’i Jesosy? (Jereo koa ny sary.)

6 Ny olona aloha tsy hangataka antsika hanao fahagagana mba hampitombo mofo na hanasitrana ny marary e! Tsy hanao antsika ho mpanjaka na mpitondra firenena koa ry zareo. Mety hampirisika antsika hanao politika ihany anefa ny olona, ka hasainy hifidy isika, na hanohana olona iray eritreretin-dry zareo hoe hitondra fanovana. Mazava anefa ny tian’i Jesosy hataontsika. Tsy nety nanao politika izy, ary nilaza mihitsy aza izy tatỳ aoriana hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.” (Jaona 17:14; 18:36) Tokony hanahaka ny fomba fisainan’i Jesosy sy ny nataony isika Kristianina. Manohana an’ilay Fanjakana isika sady mitory momba azy io ary mivavaka mba ho tonga ilay izy. (Mat. 6:10) Inona koa no azontsika ianarana avy amin’ny fahagagana nataon’i Jesosy tamin’ilay mofo?

Nanome modely ho an’ny mpanara-dia azy i Jesosy ka tsy niditra tamin’ny politikan’ny Jiosy sy ny Romanina mihitsy (Fehintsoratra 6)


“NY DIKAN’ILAY FAHAGAGANA NATAO TAMIN’IREO MOFO”

7. Tantarao izay nataon’i Jesosy sy ny apostoly. (Jaona 6:16-20)

7 Rehefa avy nanome sakafo an’ilay vahoaka i Jesosy dia nasainy nandeha sambo niverina tany Kapernaomy ny apostoly. Izy kosa niala an’ilay vahoaka te hanao azy ho mpanjaka, dia nankany an-tendrombohitra. (Vakio ny Jaona 6:16-20.) Rehefa teny afovoan’ny rano ny apostoly dia nisy tafio-drivotra ka lasa nanonja be ny ranomasina. Nandeha teny ambonin’ny rano nanatona azy ireo i Jesosy avy eo dia nasainy nandeha teny ambony rano koa ny apostoly Petera. (Mat. 14:22-31) Nitsahatra ilay tafio-drivotra rehefa tafakatra tao amin’ilay sambo i Jesosy. Niaiky ny mpianatra tamin’izay hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.” a (Mat. 14:33) Tsy hitan-dry zareo anefa hoe mifandray io fahagagana io sy ilay nataon’i Jesosy tamin’ilay vahoaka talohan’izay. Mariho ity tsipiriany nosoratan’i Marka ity: “Gaga be [ny apostoly], satria tsy takany ny dikan’ilay fahagagana natao tamin’ireo mofo, fa mbola donto ny fony ka tsy nahazo ny dikan’izany.” (Mar. 6:50-52) Tsy takatr’izy ireo mihitsy hoe hoatran’ny ahoana ny hery nomen’i Jehovah an’i Jesosy mba hanaovany fahagagana. Tsy ela taorian’izay anefa dia noresahin’i Jesosy indray ilay fahagagana momba an’ilay mofo, ary mandray lesona avy amin’ilay izy isika.

8-9. Fa maninona ilay vahoaka no nitady an’i Jesosy? (Jaona 6:26, 27)

8 Nifantoka be tamin’izay nilain’ny vatany sy ny faniriany fotsiny ilay vahoaka nomen’i Jesosy sakafo. Ahoana no ahitana an’izany? Hitan’izy ireo ny ampitson’iny hoe efa tsy teo intsony i Jesosy sy ny apostoly. Nisy sambokely maromaro avy any Tiberiasy tonga teo dia nandeha tamin’ireny ilay vahoaka mba hitady an’i Jesosy tany Kapernaomy. (Jaona 6:22-24) Nanao an’izany ve ry zareo satria hoe te hahafantatra bebe kokoa momba an’ilay Fanjakana? Tsia. Ny hihinana mofo no tena tao an-tsain-dry zareo. Ahoana no hahafantarantsika an’izany?

9 Mariho izay nitranga rehefa tratran’ilay vahoaka tany akaikin’i Kapernaomy i Jesosy. Notsorin’i Jesosy hoe izay nilain’ilay vahoaka teo no ho eo fotsiny no tena zava-dehibe tamin-dry zareo. Nanaiky izy hoe “nihinana mofo” ry zareo “dia voky.” “Sakafo mety simba” anefa ilay izy. Nampirisika an-dry zareo hiasa àry izy “mba hahazoana sakafo maharitra izay hahazoana fiainana mandrakizay.” (Vakio ny Jaona 6:26, 27.) Nilaza i Jesosy hoe hanome sakafo hoatr’izany ny Rainy. Sakafo ve dia hahazoana fiainana mandrakizay? Fa inona izany sakafo izany, ary ahoana no hahazoan’ireo nihaino an’i Jesosy an’ilay izy?

10. Inona ilay “asan’Andriamanitra” nila fantatr’ilay vahoaka?

10 Toa tsapan’ireo Jiosy ireo hoe nisy asa nila nataon-dry zareo mba hahazoana an’ilay sakafo. Ny zavatra notakin’ny Lalàn’i Mosesy angamba no tao an-tsain-dry zareo. Nilaza anefa i Jesosy hoe: “Manao ny asan’Andriamanitra ianareo raha maneho finoana an’ilay nirahiny.” (Jaona 6:28, 29) Ilaina àry ny maneho finoana ny solontenan’Andriamanitra raha te “hahazo fiainana mandrakizay.” Efa niteny an’izany i Jesosy talohan’izay. (Jaona 3:16-18, 36) Mbola niresaka bebe kokoa mahakasika ny fomba hahazoana fiainana mandrakizay izy tatỳ aoriana.​—Jaona 17:3.

11. Ahoana no nampisehoan’ny Jiosy hoe mbola te hahazo mofo ry zareo? (Salamo 78:24, 25)

11 Tsy neken’ireo Jiosy ireo ny zavatra nampianarin’i Jesosy momba ny “asan’Andriamanitra.” Nanontany azy ry zareo hoe: “Inona àry no famantarana ataonao mba ho hitanay, dia hino anao izahay?” (Jaona 6:30) Ny razamben-dry zareo tamin’ny andron’i Mosesy mantsy, hono, nahazo mana, izay azo ampitovina amin’ny mofo. (Neh. 9:15; vakio ny Salamo 78:24, 25.) Hita mihitsy hoe mbola te hahazo mofo foana ry zareo. Niresaka momba “ny tena mofo avy any an-danitra”, izay toy ny mana avy any an-danitra manome fiainana i Jesosy avy eo. (Jaona 6:32) Tsy mba nangataka fanazavana momba an’izany tamin’i Jesosy akory ry zareo. Nifantoka loatra tamin’izay nilainy ilay vahoaka dia tsy noraharahiany ny fahamarinana nezahin’i Jesosy nampianarina. Inona no ianarantsika avy amin’io tantara io?

INONA NO TOKONY HO ZAVA-DEHIBE INDRINDRA AMINTSIKA?

12. Nasehon’i Jesosy hoe inona no zava-dehibe indrindra. Ahoana no nanaovany an’izany?

12 Misy lesona lehibe ianarantsika ao amin’ny Jaona toko faha-​6, hoe: Izay ilaintsika eo amin’ny lafiny ara-panahy no tena tokony hifantohantsika. Nanasongadina an’izany i Jesosy tamin’izy nanohitra an’ilay fakam-panahy nataon’i Satana. (Mat. 4:3, 4) Nohamafisiny tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra koa hoe zava-dehibe ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra. (Mat. 5:3) Saintsaino àry izao: ‘Hita eo amin’ny fomba fiainako ve hoe ny hanome fahafaham-po an’izay ilaiko eo amin’ny lafiny ara-panahy no zava-dehibe kokoa amiko fa tsy ny hanome fahafaham-po ny faniriako?’

13. a) Nahoana isika no tsy diso raha mankafy sakafo? b) Inona ny fampitandremana mila tadidintsika? (1 Korintianina 10:6, 7, 11)

13 Tsy diso isika raha mivavaka momba an’izay ilaintsika sy mankafy an’izany. (Lioka 11:3) Mahafaly antsika ny miasa mafy satria ahafahantsika “mihinana sy misotro” izany, ary “avy amin’ilay tena Andriamanitra.” (Mpito. 2:24; 8:15; Jak. 1:17) Tsy tokony havelantsika hibahana be eo amin’ny fiainantsika anefa ireny zavatra ireny. Nanasongadina an’izany ny apostoly Paoly rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina. Nampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ny Israelita fahiny izy, anisan’izany ilay teo akaikin’ny Tendrombohitra Sinay. Nampitandrina ny Kristianina izy ‘mba tsy haniry zava-dratsy, [hoatran’ny Israelita] naniry an’izany.’ (Vakio ny 1 Korintianina 10:6, 7, 11.) Tia sakafo loatra ny Israelita ka lasa “zava-dratsy” na dia ny sakafo nomen’i Jehovah tamin’ny fomba mahagaga aza. (Nom. 11:4-6, 31-34) Rehefa nivavaka tamin’ilay zanak’omby volamena koa ry zareo dia nihinana sy nisotro ary nanao fety. (Eks. 32:4-6) Nampiasa ny tantaran’izy ireo i Paoly mba hampitandremana ny Kristianina niaina talohan’ny naharavan’i Jerosalema sy ny tempoliny, izany hoe talohan’ny taona 70. Tokony handray am-po an’ilay torohevitr’i Paoly koa isika satria efa akaiky ny faran’izao tontolo izao.

14. Inona no lazain’ny Baiboly momba ny sakafo any amin’ny tontolo vaovao?

14 Niresaka momba ny hoe “sakafo sahaza anay anio” i Jesosy. Tamin’izay koa izy no niresaka momba ny fotoana hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra “etỳ an-tany ... tahaka ny any an-danitra.” (Mat. 6:9-11) Hoatran’ny ahoana re ny fiainana amin’izany e? Asehon’ny Baiboly fa anisan’ny sitrapon’Andriamanitra momba ny tany ny hoe ho tsara be ny sakafo. Ho feno sakafo tsara azo ankafizina eto rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny Isaia 25:6-8. Milaza koa ny Salamo 72:16 hoe: “Hahavokatra be ny tany; ho be dia be ny vokatra, na dia eny an-tampon-tendrombohitra aza.” Efa tsy andrinao ve ny hikarakara ny sakafo tianao indrindra, na hanandrana hikarakara sakafo vaovao? Hankafy ny vokatra azo avy amin’ny voaloboka nambolenao koa ianao. (Isaia 65:21, 22) Hoatr’izany daholo ny iainan’ny olona eran-tany amin’izany.

15. Inona no hampianarina an’ireo hatsangana amin’ny maty? (Jaona 6:35)

15 Vakio ny Jaona 6:35. Inona no miandry an’ireo nihinana ny mofo sy ny trondro nomen’i Jesosy? Mety hahita ny sasany amin-dry zareo ianao rehefa hatsangana ny maty. Na dia tsy naneho finoana aza ry zareo taloha dia mety hatsangana ihany. (Jaona 5:28, 29) Tsy maintsy hianaran-dry zareo, amin’izay, ny dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe: “Izaho no mofon’aina. Izay manatona ahy dia tsy mba ho noana mihitsy.” Mila mino ny sorom-panavotan’i Jesosy ry zareo, izany hoe mino fa nanome ny ainy ho azy ireo i Jesosy. Hampianarina momba an’i Jehovah sy ny fikasany ireo hatsangana amin’ny maty sy izay ankizy teraka amin’izany fotoana izany. Hahafinaritra be izao ny hampianatra an-dry zareo! Hahafaly kokoa noho ny sakafo izany. Ny zavatra ara-panahy no tena ho zava-dehibe amin’ny rehetra amin’izay.

16. Inona no hianarantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

16 Nandinika ny ampahany amin’ny tantara ao amin’ny Jaona toko faha-​6 isika tato. Mbola betsaka anefa ny nampianarin’i Jesosy momba ny “fiainana mandrakizay.” Tena tokony ho nahaliana ny Jiosy izany ary tokony hahaliana antsika koa. Handinika ny Jaona toko faha-​6 ihany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 20 Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

a Raha te hahita tsipiriany amin’ilay tantara ianao dia jereo ilay boky hoe I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, p. 131, sy ilay hoe Tahafo ny Finoan’izy Ireo, p. 185.