Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 50

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

Ry Ray Aman-dreny, Ampio Hanana Finoana Matanjaka ny Zanakareo

Ry Ray Aman-dreny, Ampio Hanana Finoana Matanjaka ny Zanakareo

‘Fantaro tsara ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.’​—ROM. 12:2.

HEVITRA HODINIHINA

Soso-kevitra hanampy ny ray aman-dreny hifampiresaka tsara amin’ny zanany, sy hahafahany manampy ny zanany hanana finoana matanjaka an’Andriamanitra sy ny Baiboly.

1-2. Ahoana no tokony handraisan’ny ray aman-dreny ny fanontanian’ny zanany momba ny zavatra inoantsika?

 MIAIKY angamba ny maro amintsika hoe sarotra ny mitaiza. Deraina ianao raha manan-janaka tanora satria miezaka mafy manatanjaka ny finoan’ny zanakao. (Deot. 6:6, 7) Rehefa mihalehibe izy dia mety hanomboka hanontany momba ny zavatra inoantsika miorina amin’ny Baiboly, anisan’izany ny fitsipika momba ny atao hoe mety sy tsy mety.

2 Mety hatahotra angamba ianao amin’ny voalohany rehefa misy fanontaniana apetraky ny zanakao. Mety hieritreritra mihitsy aza ianao hoe mihena ny finoany. Raha ny marina anefa, dia mila mametraka fanontaniana mihitsy ny ankizy rehefa mihalehibe mba ho resy lahatra amin’ny zavatra nampianarina azy. (1 Kor. 13:11) Tsy misy antony tokony hatahoranao àry. Rehefa mametraka fanontaniana momba ny zavatra inoantsika ny zanakao dia hararaoty izany mba hanampiana azy hahay hisaina tsara.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Hodinihintsika ato izay azon’ny ray aman-dreny atao mba hanampiana ny zanany 1) ho resy lahatra amin’ny zavatra nampianarina azy, 2) hahatakatra hoe nahoana no mahasoa ny fitsipiky ny Baiboly momba ny mety sy ny tsy mety, ary 3) hahay hanazava ny zavatra inoany. Ho hitantsika ato koa hoe inona no maha tsara an’ilay hoe mametraka fanontaniana ny ankizy, ary inona no azonareo mianakavy atao mba hahafahanareo ray aman-dreny manararaotra miresaka momba ny zavatra inoantsika.

AMPIO HO RESY LAHATRA NY ZANAKAO

4. Inona no mety hanontanian’ny zanakao, ary nahoana?

4 Fantatry ny ray aman-dreny hoe tsy zavatra lovana izany mino an’Andriamanitra izany. Tsy hoe vao teraka ry zareo dia efa nino an’i Jehovah, ary hoatr’izany koa ny zanany. Mety hanontany tena àry ny ankizy rehefa mandeha ny fotoana hoe: ‘Ahoana no hahafantarako hoe misy Andriamanitra? Tena marina ve izay lazain’ny Baiboly?’ Raha ny marina, dia ny Baiboly mihitsy no mampirisika antsika mba ‘hampiasa tsara ny saintsika’ sy ‘hanamarina tsara ny zava-drehetra.’ (Rom. 12:1; 1 Tes. 5:21) Ahoana anefa no azonao anampiana ny zanakao hanatanjaka ny finoany?

5. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hino kokoa an’izay lazain’ny Baiboly ny zanany? (Romanina 12:2)

5 Ampirisiho hitady porofo ny zanakao mba ho resy lahatra amin’ny fahamarinana. (Vakio ny Romanina 12:2.) Rehefa mametraka fanontaniana izy dia hararaoty izany mba hampianarana azy hanao fikarohana, ohatra hoe ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Azony jerena ao amin’ny Fitaovana Fikarohana, ohatra, ilay foto-kevitra hoe “Baiboly”, dia eo ambanin’ilay hoe “Avy Amin’Andriamanitra”, mba hahitana porofo hoe tsy boky nosoratan’olona fotsiny ny Baiboly fa “tenin’Andriamanitra.” (1 Tes. 2:13) Afaka mikaroka momba an’i Ninive, tanàna asyrianina fahiny, ohatra, izy. Nisy manam-pahaizana momba ny Baiboly nilaza taloha hoe tsy nisy mihitsy ny tanànan’i Ninive. Tamin’ny taona 1850 tany ho any anefa dia hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany ny sisa tamin’io tanàna io, ka voaporofo hoe marina ny fitantaran’ny Baiboly. (Zef. 2:13-15) Hazavain’ny Tilikambo Fiambenana Novambra 2021, ao amin’ilay hoe “Fantatrao Ve?” ny fomba nahatanteraka an’ilay faminanian’ny Baiboly hoe ho rava i Ninive. Vao mainka hino ny Baiboly ny zanakao rehefa mampitaha an’izay lazain’ny boky sy gazetintsika amin’izay voalazan’ny rakipahalalana sy ny fanazavana azo itokisana hafa.

6. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany hisaina tsara? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.)

6 Ampio hahay hampiasa ny fahaizany misaina ny zanakao. Betsaka ny azon’ny ray aman-dreny hararaotina mba hiresahana amin’ny zanany momba ny Baiboly sy ny finoana an’Andriamanitra. Mety hitsidika tranombakoka, ohatra, ianareo, na hitsidika valan-javamaniry, na ny fampirantiana any amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety ho hitanareo any anaty boky na amin’ny video koa hoe nisy vakoka na zava-nitranga taloha, mifandray amin’ny zavatra tantarain’ny Baiboly. Hanampy ny zanakao ho resy lahatra ireny hoe marina ny Baiboly. Fantatry ny zanakao ve hoe ahitana ny anaran’Andriamanitra ny Vato Moabita? Efa 3 000 taona izay no nisian’io takela-bato io ary azo jerena ao amin’ny Le Louvre, tranombakoka any Paris, any France, ilay izy. Ahitana sarina vakoka, hoatran’ilay Vato Moabita, ao amin’ny Internet sy any amin’ny bokintsika. Misy takela-bato namboarina mba hitovy tanteraka amin’io Vato Moabita io atao fampirantiana ao amin’ilay hoe “Ny Baiboly sy ny Anaran’Andriamanitra”, any amin’ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Warwick, New York. Misoratra eo amin’ilay Vato Moabita hoe nikomy tamin’ny Israely i Mesa mpanjakan’i Moaba. Izany mihitsy no lazain’ny Baiboly. (2 Mpanj. 3:4, 5) Vao mainka hatanjaka ny finoan’ny zanakao raha ny masony mihitsy no mahita porofo hoe marina ny lazain’ny Baiboly.​—Ampitahao amin’ny 2 Tantara 9:6.

Maninona raha mampiasa zavatra fahiny hitan’ny mpikaroka, mba hanampiana ny zanakao hampiasa ny fahaizany misaina? (Fehintsoratra 6)


7-8. a) Inona no azontsika ianarana avy amin’ny hakanton’ny zavaboary? Manomeza ohatra. (Jereo koa ny sary.) b) Inona no fanontaniana mety hanampy ny zanakao hino kokoa hoe misy ny Mpamorona?

7 Ampirisiho handinika ny zavaboary ny zanakao. Misy firafitra miverimberina hita eny amin’ny zavaboary ary mahavariana ilay izy. Asaivo mandinika an’ireny ny zanakao rehefa mandehandeha any ambanivohitra ianareo, na manao zaridaina. Manaporofo mantsy ireny hoe tsy maintsy nisy Mpamorona mahay be nanao azy. Miolikolika, ohatra, ny paozin’ny zavaboary maro, ary efa ela ny manam-pahaizana no nandinika an’izany. Nohazavain’i Nicola Fameli, mpandinika ny zavamananaina, hoe rehefa isaina ireny miolikolika ireny dia misy laharan’isa miverimberina foana. Antsoina hoe laharan’isan’i Fibonacci, ilay izy. Miolikolika hoatr’izany ny paozin’ny sasany amin’ny vahindanitra, ny akorandriaka, ny ravinkazo, ary ny tanamasoandro. a

8 Rehefa mianatra siansa ny zanakao any am-pianarana, dia ho hitany hoe misy lalàna mifehy ny paozin’ny zavatra maro. Misy itovizany, ohatra, ny firafitry ny ankamaroan’ny hazo: Mizara ho sampany ny vatany, ary ny sampany indray mizara ho rantsany, ary ny rantsany mizara ho tahony kely be dia be. Antsoina hoe fractale izany firafitra izany, ary hita any amin’ny zavaboary hafa koa. Iza anefa no namorona ny lalàna mifehy an’izany? Rehefa misaintsaina fanontaniana hoatr’izany ny zanakao, dia vao mainka izy hino hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra. (Heb. 3:4) Mety ho afaka hanontany azy koa ianao hoe: “Raha namorona antsika Andriamanitra dia tsy ho ara-dalàna ve raha omeny fitsipika momba ny mety sy ny tsy mety isika mba hahasambatra antsika?” Azonao tenenina izy avy eo hoe ao amin’ny Baiboly no ahitana an’izany.

NASA, ESA, and the Hubble Heritage (STScl/AURA)-ESA/Hubble Collaboration

Nahoana no tsara tarehy sy mirafitra tsara ny zavaboary? (Fehintsoratra 7-8)


AMPIO IZY HAHATAKATRA HOE MAHASOA NY FITSIPIKY NY BAIBOLY

9. Inona no mety hahatonga ny ankizy hisalasala raha tena mahasoa ny fitsipiky ny Baiboly?

9 Raha misalasala ny zanakao raha ilaina ny mankatò ny fitsipiky ny Baiboly dia fantaro ny antony. Tena tsy ekeny ve hoe mahasoa ilay izy, sa tsy hainy fotsiny ny manazava ny zavatra inoany amin’ny olona? Na ahoana na ahoana, dia afaka manampy azy ianao raha miara-mianatra aminy amin’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! b

10. Inona no azonao atao mba hahatonga ny zanakao ho te hinamana amin’i Jehovah?

10 Ataovy izay hahatonga azy ho te hinamana amin’i Jehovah. Rehefa mampianatra Baiboly ny zanakao ianao dia ampiasao ny fanontaniana sy ny sary ao amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! mba hahalalana ny heviny. (Ohab. 20:5) Ampitovina amin’ny namana be fitiavana, ohatra, i Jehovah ao amin’ny lesona faha-8. Manoro hevitra antsika ny namantsika mba ho voaro isika sady handray soa. Rehefa avy miresaka momba ny 1 Jaona 5:3 ianareo, dia azonao anontaniana ilay zanakao hoe: “Satria namana tsara hoatr’izany i Jehovah, dia ahoana izany no tokony hiheverantsika ny zavatra asainy ataontsika?” Hoatran’ny hoe tsotra izany fanontaniana izany nefa tena hanampy ny zanakao hahita hoe tena tia antsika Andriamanitra matoa nanome lalàna ho antsika.​—Isaia 48:17, 18.

11. Ahoana no azonao anampiana ny zanakao mba hahatakatra hoe mahasoa ny torolalan’ny Baiboly? (Ohabolana 2:10, 11)

11 Resaho hoe nahoana no mahasoa ny mampihatra ny torolalan’ny Baiboly. Rehefa mamaky Baiboly na manao teny vakina ianareo, dia resaho hoe nahoana no nanampy anareo mianakavy ny torolalan’ny Baiboly. Tsapan’ny zanakao ve, ohatra, hoe mahasoa ny miasa mafy sy manao ny marina? (Heb. 13:18) Azonao asongadina koa hoe nahoana no manampy antsika ho salama sy ho sambatra kokoa ny torolalan’ny Baiboly. (Ohab. 14:29, 30) Azo inoana hoe hankasitraka kokoa ny torohevitry ny Baiboly ny zanakao rehefa miresaka an’izany matetika ianareo.​—Vakio ny Ohabolana 2:10, 11.

12. Ahoana no ataon’ny rahalahy iray mba hanampiana ny zanany hahatakatra hoe mahasoa ny torolalan’ny Baiboly?

12 Mipetraka any France i Steve sy ny vadiny ary manan-janaka tanora atao hoe Ethan. Tian-dry zareo hampiana io zanany io mba hahatsapa hoe tia antsika i Jehovah matoa manome lalàna. Hoy i Steve: “Anontanianay izy, ohatra, hoe: ‘Nahoana isika no asain’i Jehovah mampihatra an’io torolalana io? Nahoana izany no mampiseho hoe tia antsika izy? Inona no hitranga raha tsy ampiharin’ialahy io torolalana io?’” Resadresaka hoatr’izany no mandresy lahatra an’i Ethan hoe mahasoa ny fitsipik’i Jehovah. Hoy ihany i Steve: “Tianay ho hitan’i Ethan hoe tsara lavitra noho ny torohevitr’olombelona ny torohevitry ny Baiboly.”

13. Ahoana, ohatra, no azo ampiofanana ny ankizy hampihatra ny torolalan’ny Baiboly?

13 Ampiofano hampihatra ny torolalan’ny Baiboly ny zanakao. Afaka manararaotra manao an’izany ianao rehefa misy boky asaina vakiny any am-pianarana. Mety hasongadin’ilay boky hoe maloto fitondran-tena ny mpilalao ao, na mahery setra, ary asehony hoe tsy maninona izany. Azonao ampisaintsainina ilay zanakao hoe manao ahoana ny zavatra ataon’ireny mpilalao ireny raha jerena ny Baiboly. (Ohab. 22:24, 25; 1 Kor. 15:33; Fil. 4:8) Mety hanampy azy ho vonona hitory amin’ny mpampianatra sy amin’ny mpiara-mianatra aminy izany rehefa hanao famelabelarana eo anatrehan’ny iray kilasy izy.

AMPIO HIOMANA HIARO NY FINOANY NY ZANAKAO

14. Inona no foto-kevitra mety hampahatahotra ny tanora kristianina, ary nahoana?

14 Matahotra hiaro ny finoany indraindray ny tanora kristianina. Mety tsy hahazo aina ry zareo rehefa misy resaka momba ny evolisiona any am-pianarana. Mety hilaza mantsy ny mpampianatra hoe tena ny evolisiona no nampisy an’izao rehetra izao. Raha manan-janaka ianao, dia ahoana no azonao anampiana azy mba ho sahy hijoro amin’ny heviny?

15. Inona no hanampy ny tanora kristianina hatoky kokoa hoe marina izay inoany?

15 Ampio ny zanakao mba ho resy lahatra kokoa hoe marina izay inoany. Tsy tokony ho menatra ny zanakao satria hoe mahafantatra ny marina momba ny famoronana. (2 Tim. 1:8) Izao mantsy, betsaka ny manam-pahaizana miaiky hoe tsy nisy ho azy ny zavamananaina be pitsiny fa tsy maintsy nisy Mpamorona mahay be nanao azy. Tsy eken-dry zareo àry ny fampianarana momba ny evolisiona, izay ampianarina any amin’ny sekoly maneran-tany. Ho resy lahatra kokoa ny zanakao hoe marina ny zavatra inoany, raha saintsaininy hoe inona no nandresy lahatra ny rahalahy sy anabavy hafa fa tena misy ny Mpamorona. c

16. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany mba hiaro ny finoany ny Mpamorona? (1 Petera 3:15) (Jereo koa ny sary.)

16 Ampio hiomana hiaro ny finoany ny Mpamorona ny zanakao. (Vakio ny 1 Petera 3:15.) Mety hanampy anao sy ny zanakao ny mikaroka an’ireo lahatsoratra maromaro ao amin’ny jw.org hoe “Manontany ny Tanora: Nisy ho Azy ve ny Fiainana sa Noforonina?” Asaivo resahiny, avy eo, izay hevitra hitany hoe mandresy lahatra indrindra mba hanampiana ny olona hahafantatra ny marina momba ny Mpamorona. Ampahatsiahivo izy hoe tsy voatery hiady hevitra amin’ny mpiara-mianatra aminy. Ampirisiho kosa izy hiresaka hevitra tsotra sy mitombina tsara raha misy mazoto hiresaka. Mety hiteny, ohatra, ny mpiara-mianatra aminy hoe: “Izay hitako ihany no inoako. Izaho anefa mbola tsy nahita an’Andriamanitra mihitsy.” Afaka mamaly izy hoe: “Ahoana raha mandeha any anaty ala mikitroka ianao dia mahita lavadrano azo ampiasaina tsara? Dia inona no hoeritreretinao? Matoa nisy teo ilay lavadrano dia tsy maintsy misy olona mahay be nanamboatra an’ilay izy. Hoatr’izany koa izao rehetra izao. Tsy maintsy hoe misy Mpamorona mahay be nanao azy.”

Mampiasà fanazavana tsotra sy mitombina tsara rehefa miresaka amin’ny mpiara-mianatra aminao (Fehintsoratra 16-17) d


17. Ahoana no azon’ny ray aman-dreny ampirisihana ny zanany hitady hirika hitoriana? Manomeza ohatra.

17 Ampirisiho hitady hirika hitoriana ny zanakao. (Rom. 10:10) Azo ampitovina amin’ny olona iray mianatra mitendry zavamaneno ny tanora iray mitady hirika hitoriana momba ny zavatra inoany. Naoty tsotsotra aloha no averimberiny amin’ny voalohany. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa havanana kokoa izy rehefa mitendry an’ilay zavamaneno. Zavatra tsotra koa no azon’ny tanora iray anombohana resaka rehefa hitory momba ny zavatra inoany izy. Afaka manontany ny mpiara-mianatra aminy, ohatra, izy hoe: “Fantatrao ve hoe matetika ny manam-pahaizana no maka tahaka ny zavaboary? Andraso ange fa misy video tsara be ity e!” Azony aseho ny video iray ao amin’ilay video mifampitohy hoe Nisy Namorona Ve? Afaka miteny izy avy eo hoe: “Mahazo dera ny manam-pahaizana rehefa mangala-tahaka ny zavatra hitany eny amin’ny zavaboary. Dia ahoana izany ny amin’ilay namorona ny zavaboary?” Hevitra tsotra hoatr’izany dia efa mety hahatonga ny ankizy hafa ho te hianatra momba an’i Jehovah.

AMPIO FOANA NY ZANAKAO MBA HANATANJAKA NY FINOANY

18. Inona no azon’ny ray aman-dreny atao mba hitombo foana ny finoan’ny zanany an’Andriamanitra?

18 Feno olona tsy mino an’i Jehovah manodidina antsika. (2 Pet. 3:3) Rehefa mampianatra Baiboly ny zanakareo àry ianareo ray aman-dreny, dia ampirisiho izy mba hianatra ny foto-kevitra hanampy azy hanaja kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy ny fitsipiny momba ny mety sy ny tsy mety. Asaivo misaintsaina ny zavatra mahavariana amin’ny zavaboarin’i Jehovah izy mba hanazarana ny fahaizany misaina. Ampio izy mba hahazo tsara ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka. Ny zava-dehibe indrindra dia hoe miaraha mivavaka aminy ary mivavaha ho azy. Rehefa miezaka manampy ny zanakao hanana finoana matanjaka hoatr’izany ianao, dia afaka matoky hoe hamaly soa anao i Jehovah.​—2 Tan. 15:7.

HIRA 133 Tanora Manompo An’i Jehovah

a Manazava bebe kokoa momba an’izany ilay video ao amin’ny jw.org hoe Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny Zavaboary: Endri-javatra.

b Raha efa nahavita ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ny zanakao dia iaraho midinika aminy indray ny lesona sasany ao amin’ny fizarana 3 sy 4 momba ny fitsipiky ny Baiboly mahakasika an’izay mety sy tsy mety.

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny Antony Inoanay fa Misy ny Mpamorona”, ao amin’ny Mifohaza! Septambra 2006, sy ilay bokikely hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina. Misy ohatra hafa koa ao amin’ilay video mifampitohy ao amin’ny jw.org hoe Hevitry ny Olona Momba ny Niandohan’ny Fiainana.

d SARY: Tanora Vavolombelona mampiseho video iray avy ao amin’ilay hoe Nisy Namorona Ve? amin’ny mpiara-mianatra aminy tia drone.