Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 51

HIRA 3 Ianao no Tokinay

Sarobidy Amin’i Jehovah ny Ranomasonao

Sarobidy Amin’i Jehovah ny Ranomasonao

“Angony ao anaty sininao ny ranomasoko. Tsy efa voasoratra ao anaty bokinao ve ireny?”​—SAL. 56:8.

HEVITRA HODINIHINA

Ho hitantsika ato hoe azon’i Jehovah tsara ny ratram-pontsika, ary hanome an’izay fampiononana ilaintsika izy.

1-2. Inona avy no mety hampilatsaka ny ranomasontsika?

 EFA nitomany daholo isika rehetra. Latsa-dranomaso izao isika rehefa misy zavatra mahafaly be antsika. Mety hitomany ianao rehefa misy zavatra miavaka be mitranga eo amin’ny fiainanao, ohatra hoe nahazo zazakely ianao, na mahatadidy fahatsiarovana mamy, na mihaona indray amin’ny namanao tsy hitanao efa hatramin’ny ela.

2 Ny alahelo any am-pontsika anefa matetika no tena mampitomany antsika. Nisy olona tena nandiso fanantenana anao angamba, na ianao manana aretina mampijaly anao eny foana, na nindaosin’ny fahafatesana ny olona akaikin’ny fonao. Mety hahatsapa hoatran’i Jeremia mpaminany isika amin’izay. Izao no nolazainy rehefa resin’ny Babylonianina i Jerosalema: “Misy rano mikoriana avy amin’ny masoko ... Mirotsaka tsy an-kijanona ny ranomasoko, ary tsy miato mihitsy.”​—Fitom. 3:48, 49.

3. Inona no tsapan’i Jehovah rehefa mahita ny mpanompony mijaly? (Isaia 63:9)

3 Voaisan’i Jehovah hoe impiry ianao no nitomany noho ianao niatrika olana. Manome toky antsika ny Baiboly hoe fantatr’i Jehovah foana rehefa mijaly ny mpanompony, ary mihaino antsika izy rehefa miantso vonjy aminy isika. (Sal. 34:15) Tsy hoe mahita antsika sy mihaino antsika fotsiny anefa i Jehovah. Mihetsi-po be izy rehefa mahita ny zanany mitomany, hoatran’ny ray aman-dreny be fitiavana, ary tonga dia manampy antsika.​—Vakio ny Isaia 63:9.

4. Ny ohatr’iza avy no hodinihintsika, ary inona no ianarantsika momba an’i Jehovah avy amin’izany?

4 Asehon’i Jehovah ao amin’ny Teniny hoe ahoana no ataony rehefa misy mpanompony mitomany. Andao isika handinika ny tantaran’i Hana sy Davida ary Hezekia Mpanjaka mba hahitantsika an’izany. Inona no nampitomany an-dry zareo? Ahoana no nataon’i Jehovah rehefa niantso vonjy ry zareo? Ary nahoana ny ohatry ry zareo no mampionona antsika rehefa mitomany isika satria malahelo, na nisy namadika, na tsy manana fanantenana intsony?

MITOMANY SATRIA MALAHELO

5. Inona no tsapan’i Hana vokatr’ilay zavatra niainany?

5 Be dia be ny olana nampitomany an’i Hana. Iray amin’izany ny hoe nanana vady hafa ny vadiny. Penina no anaran’ilay vehivavy ary tsy tia maizina an’i Hana izy. Nanampy trotraka an’izay anefa ilay hoe tsy niteraka i Hana nefa i Penina nanan-janaka be dia be. (1 Sam. 1:1, 2) Nanesoeso an’i Hana momba an’izany foana i Penina. Nalahelo be mihitsy i Hana dia “nitomany sy tsy nahahinan-kanina.” (1 Sam. 1:6, 7, 10) Inona no ho tsapanao raha ianao no niaina an’izany?

6. Inona no nataon’i Hana mba hahazoany fampiononana?

6 Ahoana no nataon’i Hana mba hahazoana fampiononana? Nankany amin’ny tranolay masina, izay foiben’ny fivavahana marina, izy. Rehefa tonga tany izy dia nanomboka “nivavaka tamin’i Jehovah sady nigogogogo nitomany.” Teo akaikin’ny fidirana nankao amin’ny tranolay masina angamba izy tamin’izay. Niangavy an’i Jehovah izy hoe: ‘Jereo ny fahorian’ny mpanomponao ka tsarovy aho.’ (1 Sam. 1:10b, 11) Namboraka ny fihetseham-pony tamin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny vavaka i Hana. Tsy maintsy hoe nampihetsi-po be an’i Jehovah ny ranomason’io zanany vavy tena tiany io!

7. Nanao ahoana i Hana rehefa avy namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah?

7 Nanao ahoana i Hana rehefa avy namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah sy nahazo toky tamin’i Ely Mpisoronabe? Milaza ny Baiboly hoe: “Lasa nandeha tany amin’izay nalehany izy ary nihinan-kanina, ka hita tamin’ny endriny fa tsy nalahelo be intsony izy.” (1 Sam. 1:17, 18) Lasa maivamaivana i Hana na dia mbola tsy nivaha aza ilay olana. Nafindrany tamin’i Jehovah ilay zavatra nanavesatra ny fony. Tsapan’i Jehovah ny fahoriany, hitany ny ranomasony, ary nitahy azy izy tatỳ aoriana ka lasa nanan-janaka i Hana.​—1 Sam. 1:19, 20; 2:21.

8-9. Nahoana isika no tokony hanao izay azontsika atao mba hanatrehana fivoriana, araka ny Hebreo 10:24, 25? (Jereo koa ny sary.)

8 Lesona. Misy zavatra mampalahelo be anao ve amin’izao ka mampitomany anao? Maty angamba ny havanao akaiky na ny namanao. Ara-dalàna aloha raha te hitokana ianao e! Tadidio anefa hoe nahazo fampiononana sy fampaherezana i Hana rehefa nankany amin’ny tranolay masina. Hahazo fampiononana koa ianao raha mandeha mivory, na dia tsy te handeha aza. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Maheno andinin-teny mampionona mantsy isika any. Ireny no ampiasain’i Jehovah mba hanampiana antsika tsy hieritreritra zavatra mampalahelo fa zavatra tsara. Manampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika izany, na dia mbola tsy miova aza ny zavatra iainantsika.

9 Any am-pivoriana koa no misy mpiara-manompo mahay mangoraka. Be fiahiana ry zareo sady be fitiavana, dia mahazo aina isika rehefa miaraka amin-dry zareo. (1 Tes. 5:11, 14) Diniho izay tsapan’ny mpisava lalana manokana iray maty vady. Izao no lazain’ilay rahalahy: “Hatramin’izao aho mbola mitomany foana. Mitady toerana mitokana aho indraindray dia migogogogo eo manala ny foko. Mampahery be ahy anefa ny fivoriantsika. Mahafinaritra be ny zavatra lazain’ny rahalahy sy anabavy dia tena mampionona ahy izany. Na miady saina be sy matahotra be aza aho alohan’ny hahatongavako any am-pivoriana, dia mahazo aina foana aho rehefa any.” Afaka mampiasa ny rahalahy sy anabavy any am-pivoriana i Jehovah mba hanampiana antsika.

Afaka mampionona antsika ny mpiara-manompo (Fehintsoratra 8-9)


10. Ahoana no hanahafantsika an’i Hana rehefa maratra ny fontsika?

10 Nampionona an’i Hana koa ny namboraka ny tao am-pony tamin’i Jehovah. Azonao ‘apetraka’ amin’i Jehovah daholo koa ‘izay rehetra mampanahy anao’ ary matokia fa hihaino anao izy. (1 Pet. 5:7) Maty novonoin’ny mpangalatra ny vadin’ny anabavy iray. Izao no nolazainy: “Hoatran’ny hoe novakivakina izany ny foko dia tsy ho sitrana intsony. Maivamaivana erỳ anefa aho rehefa nivavaka tamin’i Jehovah, ilay Raiko be fitiavana any an-danitra. Tsy nahita teny holazaina aho indraindray nefa haiko hoe takany ny any am-poko. Rehefa nila tsy ho zakako ny alaheloko dia nivavaka aho mba ho tony. Henoko avy eo hoe maivamaivana ny tany am-poko sy ny tany an-tsaiko dia afaka nitraka indray aho.” Rehefa aborakao amin’i Jehovah ny olana mahazo anao dia tena mihetsi-po izy mahita anao mitomany. Takany tsara mantsy hoe mafy ny mahazo anao. Afaka mampitony ny fonao sy manampy anao hilamin-tsaina kokoa i Jehovah na dia mbola eo aza ilay zavatra mampiady saina anao. (Sal. 94:19; Fil. 4:6, 7) Hamaly soa anao koa izy noho ianao miaritra sy tsy mivadika.​—Heb. 11:6.

MITOMANY SATRIA NISY NAMADIKA

11. Inona no tsapan’i Davida noho ny olana mafy natrehiny?

11 Be dia be ny zava-tsarotra tsy maintsy natrehin’i Davida nandritra ny androm-piainany ary nampitomany azy izany. Nisy nankahala, ohatra, izy, ary na ny olona natokisany aza namadika azy. (1 Sam. 19:10, 11; 2 Sam. 15:10-14, 30) Nisy fotoana izy nanoratra hoe: “Sasatry ny misento aho; vonton’ny ranomasoko ny fandrianako mandritra ny alina; kotsan’ny ranomasoko ny farafarako.” Fa inona no nahatonga an’i Davida hahatsapa an’izany? Hoy izy: “Noho ny ataon’izay rehetra mampijaly ahy.” (Sal. 6:6, 7) Tena nankarary ny fon’i Davida ny zavatra nataon’ny hafa dia nitomany foana izy.

12. Resy lahatra ny amin’ny inona i Davida, araka ny Salamo 56:8?

12 Resy lahatra i Davida hoe tia azy i Jehovah na teo aza ny olana natrehiny. Nilaza izy hoe: “Ho ren’i Jehovah ny fitomaniako.” (Sal. 6:8) Nisy fotoana koa izy nanoratra teny mahaliana be, ao amin’ny Salamo 56:8. (Vakio.) Manohina ny fo ny fomba ilazan’i Davida ny fitiavan’i Jehovah ao amin’io andininy io. Hoatran’ny hoe nangonin’i Jehovah tao anaty siny sy nosoratany tao anaty boky ny ranomasony. Natoky i Davida fa voamarik’i Jehovah ny fahoriany ary tadidiny. Resy lahatra izy hoe hitan’ilay Rainy be fitiavana any an-danitra izay nanjo azy, sy ny fihetseham-pony tao anatin’ireny fotoana ireny.

13. Inona no mampionona antsika rehefa misy olona mandiso fanantenana antsika? (Jereo koa ny sary.)

13 Lesona. Malahelo be ve ianao izao satria nandiso fanantenana na namadika anao ny olona iray natokisanao? Mety harary fo, ohatra, ianao raha nilaozan’ny vadinao, na nisaraka tamin’ny olon-tianao, na tsy manompo an’i Jehovah intsony ny olona akaikin’ny fonao. Nijangajanga ny vadin’ny rahalahy iray dia nandao azy. Izao no lazain’ilay rahalahy: “Tsy nampoiziko mihitsy ilay izy. Nalahelo be aho sady tezitra, dia nahatsiaro hoe tsy nisy ilana ahy.” Raha nisy olona namadika na nandiso fanantenana anao, dia aza kivy fa tadidio hoe tsy hanary anao mihitsy i Jehovah. Hoy ihany ilay rahalahy: “Tonga saina aho hoe ny olona mety hivadika fa i Jehovah tsy hoatr’izany. Vatolampintsika izy. Eo foana izy na inona na inona mitranga. Tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy izy.” (Sal. 37:28) Aza hadinoina koa hoe na iza na iza tia anao dia mbola lehibe noho izany ny fitiavan’i Jehovah anao. Na mangidy hoatran’ny inona aza ilay hoe ivadihan’ny olona, dia tsy mampiova ny fitiavan’i Jehovah sy ny fikarakarany anao izany. (Rom. 8:38, 39) Ny hevi-dehibe àry dia izao: Tia anao ilay Rainao any an-danitra, na inona na inona ataon’ny olona aminao.

Manome toky antsika ny bokin’ny Salamo hoe akaiky an’izay torotoro fo i Jehovah (Fehintsoratra 13)


14. Inona no toky omen’ny Salamo 34:18 antsika?

14 Mampionona antsika koa ny tenin’i Davida ao amin’ny Salamo 34:18 raha nisy olona namadika antsika. (Vakio.) Milaza ny boky iray hoe mety ho “olona tsy manan-javatra tsara antenaina” ilay hoe “kivy”, eo amin’io andininy io. Ataon’i Jehovah ahoana ny olona hoatr’izany? Hoatran’ny ataon’ny ray na reny be fitiavana no ataony. Trotroin’ny ray aman-dreny sy tambatambazany ny zanany rehefa mitomany. “Akaiky” antsika koa i Jehovah rehefa vaky fo isika. Mangoraka izy sady tonga dia vonona hanao zavatra rehefa misy olona namadika antsika na nandao antsika. May erỳ izy hampionona sy hanambitamby antsika rehefa kivy sy torotoro fo isika. Omeny zavatra tsara be dia be azontsika andrandraina koa isika, ary manampy antsika hiaritra ny olana mahazo antsika izany.​—Isaia 65:17.

MITOMANY SATRIA TSY MISY FANANTENANA INTSONY

15. Nahoana i Hezekia no nitomany?

15 Narary mafy i Hezekia mpanjakan’i Joda, tamin’izy 39 taona. Nasain’i Jehovah nilaza taminy i Isaia mpaminany hoe ho faty izy noho io aretina io. (2 Mpanj. 20:1) Toa tsy nisy nantenaina intsony ny aminy. Hoatran’ny nilatsaham-baratra izy rehefa naheno an’izany ka nitomany be. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah izy.​—2 Mpanj. 20:2, 3.

16. Ahoana no nataon’i Jehovah rehefa nitomany sy nitaraindraina i Hezekia?

16 Nalahelo be i Jehovah nahita an’i Hezekia nitomany sy nitaraindraina. Izao no nolazainy: “Efa henoko ny vavaka nataonao, ary efa hitako ny ranomasonao. Koa hanasitrana anao aho.” Nampanantena tamin’ny alalan’i Isaia izy hoe hohalavainy ny androm-piainan’i Hezekia, dia hovonjeny eo an-tanan’ny Asyrianina i Jerosalema.​—2 Mpanj. 20:4-6.

17. Ahoana no hanohanan’i Jehovah antsika rehefa marary mafy isika? (Salamo 41:3) (Jereo koa ny sary.)

17 Lesona. Marary ve ianao amin’izao ary hoatran’ny hoe tsy ho sitrana intsony? Mivavaha amin’i Jehovah. Mety hitomany mihitsy aza ianao miresaka aminy. Manome toky antsika ny Baiboly hoe hampionona antsika amin’ny fahoriana rehetra mahazo antsika ilay “Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” (2 Kor. 1:3, 4) Tsy afaka manantena isika amin’izao hoe hesorin’i Jehovah daholo ny olana mahazo antsika. Afaka matoky anefa isika hoe hanohana antsika izy. (Vakio ny Salamo 41:3.) Inona no ataony mba hanampiana antsika hiaritra? Mampiasa ny fanahy masina izy mba hanomezana antsika hery sy fahendrena ary fiadanan-tsaina. (Ohab. 18:14; Fil. 4:13) Manohana antsika koa izy amin’ny alalan’ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ny karazan’aretina rehetra.​—Isaia 33:24.

Manome antsika hery sy fahendrena ary fiadanan-tsaina i Jehovah rehefa mamaly ny vavaka ataontsika (Fehintsoratra 17)


18. Inona ny andinin-teny mampitony anao rehefa miatrika ny mafy ianao? (Jereo ilay hoe “ Andinin-teny Mampionona An’izay Mitomany.”)

18 Nampionona an’i Hezekia ny tenin’i Jehovah ary afaka mampionona antsika koa. Misy teny mampionona notehirizin’i Jehovah ao amin’ny Teniny, ary mampitraka antsika izy ireny rehefa miatrika olana mafy isika. (Rom. 15:4) Nitomany matetika ny anabavy iray any Afrika Andrefana rehefa fantany hoe voan’ny kansera izy. Mitantara izy hoe: “Ny Isaia 26:3 no tena mampahery ahy. Marina aloha fa tsy afa-manoatra ianao indraindray rehefa miatrika olana, na zara raha misy azonao atao. Io andininy io anefa no nanome toky ahy hoe afaka manome antsika fiadanan-tsaina i Jehovah ary izany no manampy antsika hifehy ny fihetseham-pontsika.” Ary ianao? Misy andinin-teny mampitony anao ve rehefa miatrika toe-javatra faran’izay mafy ianao, na hoatran’ny hoe tsy misy antenaina intsony?

19. Inona no azontsika andrandraina?

19 Efa lasa lavitra amin’ny andro farany isika izao, ary ampoizintsika hoe hitombo ny zavatra hampitomany antsika. Hitantsika tamin’ny ohatr’i Hana sy Davida ary Hezekia Mpanjaka anefa hoe hitan’i Jehovah ny ranomasontsika, ary tena malahelo izy mahita antsika mitomany. Tena sarobidy aminy ny ranomasontsika. Rehefa miaritra ny mafy àry ianao, dia mivavaha ary aborahy amin’i Jehovah ny ao am-ponao. Miaraha foana amin’ny rahalahy sy anabavinao ao amin’ny fiangonana. Vakio foana koa ny Baiboly satria misy teny mampionona antsika ao. Raha miaritra sy tsy mivadika mihitsy isika dia afaka matoky hoe hanome valisoa antsika i Jehovah. Anisan’izany ilay fampanantenany hoe hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika, na alahelo no mampitomany antsika, na hoe nisy namadika, na hoe tsy manana fanantenana intsony. (Apok. 21:4) Ranomasom-pifaliana sisa no hisy amin’izany.

HIRA 4 “Jehovah no Mpiandry Ahy”