Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Iza ireo “anjely voafidy” resahin’ny 1 Timoty 5:21?

Nanoratra ho an’i Timoty, anti-panahy niara-niasa taminy, ny apostoly Paoly hoe: “Mampirisika mafy anao eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy aho, mba hanaraka an’ireo toromarika ireo ary tsy hitsara an-tendrony na hiangatra mihitsy rehefa manao an’izany.”​—1 Timoty 5:21.

Voalohany, tsy ny 144 000 mihitsy ireo “anjely voafidy.” Mbola tsy nisy Kristianina voahosotra natsangana ho any an-danitra mantsy, tamin’i Paoly nanoratra ho an’i Timoty. Mbola tsy lasa zavaboary ara-panahy ny apostoly sy ny voahosotra hafa tamin’izay. Tsy anisan’ny “anjely voafidy” àry ry zareo.​—1 Kor. 15:50-54; 1 Tes. 4:13-17; 1 Jaona 3:2.

Tsy ny anjely nikomy tamin’ny Safodrano koa ireo “anjely voafidy.” Niandany tamin’i Satana ireo anjely nikomy ireo ka lasa demonia, ary lasa fahavalon’i Jesosy. (Gen. 6:2; Lioka 8:30, 31; 2 Pet. 2:4) Hohidiana ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka mandritra ny 1 000 taona ry zareo amin’ny hoavy, ary avy eo horinganina miaraka amin’ny Devoly.​—Joda 6; Apok. 20:1-3, 10.

Tsy maintsy hoe anjely tany an-danitra niandany tamin’Andriamanitra sy Jesosy Kristy ireo “anjely voafidy.” Samy tononin’i Paoly eo amin’ilay andininy ireo.

An’alinaliny ny anjely tsy mivadika. (Heb. 12:22, 23) Tsy hoe mitovy daholo anefa ny andraikitry ry zareo. (Apok. 14:17, 18) Anjely iray fotsiny, ohatra, no nasaina nandringana miaramila asyrianina 185 000. (2 Mpanj. 19:35) Mety ho anjely maromaro koa no hasaina ‘hanangona an’izay rehetra mahatonga ny olona hanota sy izay zatra mandika lalàna. Havoakany avy ao amin’ny [Fanjakan’i Jesosy] ireny.’ (Mat. 13:39-41) Anjely hafa indray no mety ‘hanangona ny olom-boafidiny’ ho any an-danitra. (Mat. 24:31) Anjely hafa koa no nomena baiko mba ‘hiaro antsika any amin’izay rehetra alehantsika.’​—Sal. 91:11; Mat. 18:10; ampitahao amin’ny Matio 4:11; Lioka 22:43.

Azo inoana hoe anjely nanankinana andraikitra mba hanampy ny vahoakan’Andriamanitra ireo “anjely voafidy” resahin’ny 1 Timoty 5:21. Hitantsika eo amin’ny andinin-teny manodidina fa nanome torohevitra feno fahendrena momba ny anti-panahy i Paoly, ary nilaza izy fa mendrika ny hohajain’ny fiangonana ry zareo. Tokony “tsy hitsara an-tendrony na hiangatra mihitsy” ny anti-panahy rehefa manao ny andraikiny, ary tsy tokony ho maika hanapa-kevitra na maika hitsara. Tena tokony hanaraka an’ilay torohevitr’i Paoly ry zareo satria manompo “eo anatrehan’Andriamanitra sy Kristy Jesosy ary ny anjely voafidy.” Mazava àry fa misy anjely omena andraikitra mifandray amin’ny fiangonana, anisan’izany ny hoe miaro azy io, manara-maso ny asa fitoriana, ary manao tatitra any amin’i Jehovah.​—Mat. 18:10; Apok. 14:6.