Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tadidinao Ve?

Tadidinao Ve?

Novakinao tsara ve Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ity taona ity? Jereo àry raha hainao ny mamaly an’ireto fanontaniana ireto:

Inona no modely nomen’i Jehovah ny amin’ny fomba itondrana ny vehivavy?

Tsy manavakavaka an-dry zareo izy ka hoe iangarany ny lehilahy. Mihaino ny vehivavy Andriamanitra ary mahaliana azy izay tsapan’izy ireo sy izay mampanahy azy. Matoky ny vehivavy izy ka anankinany asa ry zareo.​—w24.01, p. 15-16.

Ahoana no hampiharantsika ny Efesianina 5:7 (f.a.p.) hoe: “Aza mifandraindray amin’ireny”?

Nampitandrina antsika ny apostoly Paoly mba tsy hifanerasera amin’olona hanasarotra ny fanarahantsika ny fitsipik’Andriamanitra. Tsy izay olona mifandray mivantana amintsika ihany no tafiditra amin’izany, fa izay mifandray amintsika amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera koa.​—w24.03, p. 22-23.

Karazana tantara hoatran’ny ahoana no mila tandremantsika?

Mila mitandrina amin’ireto isika: Tantara avy amin’ny namantsika nefa tsy nohamarinina, email avy amin’ny olona tsy fantatsika, ary hafatra avy amin’ny mpivadi-pinoana mody liana amin’ny fahamarinana.​—w24.04, p. 12.

Inona no fantatsika ary inona no tsy fantatsika mahakasika ny fomba hitsaran’i Jehovah an’i Solomona Mpanjaka sy izay maty tao Sodoma sy Gomora ary tamin’ny Safodrano?

Tsy tena fantatsika hoe fandringanana mandrakizay ve no sazy nomen’i Jehovah an’ireo olona ireo sa tsia. Fantatsika kosa hoe mahalala ny zava-drehetra i Jehovah ary tena mamindra fo.​—w24.05, p. 3-4.

Inona no toky ananantsika noho i Jehovah antsoina hoe “ilay Vatolampy”? (Deot. 32:4)

Afaka mitady fialofana any amin’i Jehovah isika. Azo ianteherana izy satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany mihitsy. Tsy miovaova i Jehovah ka tsy hiova mihitsy ny toetrany sy ny fikasany.​—w24.06, p. 26-28.

Inona no hanampy anao hizatra fiangonana vaovao?

Miantehera amin’i Jehovah fa hanampy anao izy, hoatran’ny nataony tamin’ny mpanompony taloha. Aza mampitaha an’ilay fiangonanao vaovao amin’ilay taloha. Miaraha manao zavatra amin’ilay fiangonanao vaovao ary miezaha hinamana amin’ny olona ao.​—w24.07, p. 26-28.

Inona no lesona ianarantsika avy amin’ireo fanoharana telo ao amin’ny Matio toko faha-​25?

Asongadin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy hoe ilaina ny tsy mivadika. Hita ao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny malina sy virjiny adala ny maha zava-dehibe ny hoe vonona sy mailo. Ilay fanoharana momba ny talenta indray manasongadina hoe zava-dehibe ny mazoto miasa sy tsy manao kitoatoa.​—w24.09, p. 20-24.

Hoatran’ny ahoana ny haavon’ilay tilikambo fidirana mankao amin’ny tempolin’i Solomona?

Rehefa jerena ny 2 Tantara 3:4 dia “120 hakiho” no hita any amin’ny sora-tanana fahiny sasany, izany hoe 53 metatra. Ny asa soratra hafa azo atokisana kosa mampiasa hoe “20 hakiho”, izany hoe 9 metatra. Mitombina kokoa izany rehefa jerena ny hatevin’ny rindrin’ny tempoly.​—w24.10, p. 31.

Inona no dikan’ilay hoe tokony “hanambady tokana” ny mpikarakara fiangonana? (1 Tim. 3:12)

Midika izany hoe vehivavy iray ihany no vadiny ary tsy tokony hijangajanga izy na hanadaladala vehivavy hafa.​—w24.11, p. 19.

Nahoana isika no milaza hoe tsy zavatra tokony hatao amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo ilay resahin’ny Jaona 6:53?

Milaza ny Jaona 6:53 hoe ilaina ny mihinana ny nofon’i Jesosy sy misotro ny rany. Jiosy nila nino azy no niresahan’i Jesosy an’izany tamin’ny taona 32, tany Galilia. Herintaona taorian’izay anefa izy no nankalaza an’ilay Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany tany Jerosalema, ary olona hiara-manjaka aminy any an-danitra no niresahany.​—w24.12, p. 10-11.