Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 8

HIRA 130 Andao Hifamela

Ahoana no Anahafanao ny Famelan-kelok’i Jehovah?

Ahoana no Anahafanao ny Famelan-kelok’i Jehovah?

“Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, ka mba manaova hoatr’izany koa ianareo.”​—KOL. 3:13.

HEVITRA HODINIHINA

Inona avy ny dingana azontsika atao mba ho vitantsika ny hamela an’izay nanafintohina antsika?

1-2. a) Rahoviana no tena sarotra ny mamela ny hafa? b) Ahoana no nampisehoan’i Denise hoe namela heloka izy?

 SAROTRA aminao ve ny mamela heloka? Betsaka no mahita hoe tsy mora izany, indrindra raha misy olona miteny na manao zavatra mandratra ny fony. Misy azontsika atao anefa mba tsy ho tezitra foana isika fa hamela heloka. Diniho ny zavatra niainan’ny anabavy iray antsoina hoe Denise. a Tena niavaka ny famelan-keloka nasehony. Nitsidika ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah izy sy ny fianakaviany tamin’ny 2017. Vao nisokatra ilay izy tamin’izany. Nisy mpamily tsy nahafehy ny fiarany anefa tamin’izy ireo handeha hody, dia nandona ny aotomobilin-dry zareo. Tsy nahatsiaro tena àry i Denise. Rehefa taitra izy dia henony hoe naratra be ny zanany ary maty i Brian vadiny. Hoy i Denise rehefa nieritreritra an’iny zava-nitranga iny: “Kivy be aho sady hoatran’ireny verivery saina ireny.” Henony tatỳ aoriana fa tsy hoe mamo na variana ilay mpamily, dia nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hampiany ho tony.

2 Voampanga ho namono olona ilay rangahy nandona an-dry zareo. Nety ho nigadra àry izy raha voaheloka. Nilaza tamin’i Denise anefa ny fitsarana fa niankina tamin’izay holazainy ny sazin’ilay rangahy. Izao no notenenin’i Denise: “Hoatran’ny hoe nisy nanokatra ny feriko dia nandraraka sira iray kitapo tao anatin’ilay izy. Tsy maintsy hiverina hiaina ny zavatra nangidy indrindra teo amin’ny fiainako indray aho.” Nipetraka tao amin’ny efitra fitsarana i Denise, herinandro vitsivitsy tatỳ aoriana, ary niomana hifanatri-tava tamin’ilay rangahy nampitondra faisana ny fianakaviany. Inona no nolazainy? Nangataka tamin’ilay mpitsara izy mba hamindra fo tamin’io rangahy io. b Nitomany ilay mpitsara rehefa tapitra ny teniny. Izao no nolazain’ilay mpitsara: “Mbola tsy naheno zavatra hoatr’izany mihitsy aho hatramin’izay 25 taona nitsarako tato izay. Androany aho vao nahita hoe ny fianakavian’ilay niharam-boina indray no nangataka famindram-po ho an’ilay voampanga. Sambany aho vao naheno teny feno fitiavana sy famelan-keloka hoatr’izany.”

3. Inona no nahatonga an’i Denise hamela heloka?

3 Inona no nanampy an’i Denise hamela heloka? Nisaintsaina ny famelan-kelok’i Jehovah izy. (Mika 7:18) Rehefa ankasitrahantsika ny famelan-keloka asehon’i Jehovah amintsika, dia lasa te hamela ny hafa koa isika.

4. Inona no tian’i Jehovah hataontsika? (Efesianina 4:32)

4 Tian’i Jehovah hamela ny hafa isika, hoatran’ny namelany tanteraka ny helotsika. (Vakio ny Efesianina 4:32.) Manantena izy fa ho vonona hamela an’izay nandratra ny fontsika isika. (Sal. 86:5; Lioka 17:4) Andao àry isika handinika zavatra telo hanampy antsika hahay hamela heloka kokoa.

AZA AVELA AMIN’IZAO FOTSINY NY FIHETSEHAM-PONAO

5. Inona no mety ho tsapantsika rehefa misy olona manafintohina antsika, araka ny Ohabolana 12:18?

5 Mety handratra ny fontsika izay lazain’ny olona na ataony amintsika, indrindra raha namantsika be izy na fianakaviantsika. (Sal. 55:12-14) Marary be ny fontsika indraindray, hoatran’ireny hoe nisy nanatsatoka antsy ireny. (Vakio ny Ohabolana 12:18.) Mety hokobonintsika fotsiny izay tsapantsika, na isika miezaka tsy hiraharaha an’izany. Hoatran’ny hoe avelantsika ao anaty fery ilay antsy raha izany. Tsy ho tony mihitsy koa ny ao anatintsika ao raha tsy raharahiantsika tsotra izao ny fihetseham-pontsika.

6. Inona no mety hataontsika rehefa misy olona manafintohina antsika?

6 Mety ho tonga dia sosotra isika rehefa misy olona manafintohina antsika. Na ny Baiboly aza manaiky hoe mety ho tezitra isika. Mampitandrina antsika anefa izy io mba tsy hanaiky hobaikoin’izany fihetseham-po izany. (Sal. 4:4; Efes. 4:26) Fa maninona? Satria ny fihetseham-pontsika matetika no mahatonga antsika hanao zavatra, ary mahalana vao mitondra vokany tsara ny hatezerana. (Jak. 1:20) Tadidio hoe ara-dalàna isika raha tezitra fa safidy ilay hoe ho tezitra eny foana sa tsia.

Ara-dalàna isika raha tezitra fa safidy ilay hoe ho tezitra eny foana sa tsia

7. Inona koa no mety ho tsapantsika rehefa misy olona mandratra ny fontsika?

7 Mety hisy fihetseham-po hafa koa tsapantsika rehefa misy manao ratsy amintsika, ary mety hampijaly antsika izany. Izao, ohatra, no nolazain’ny Ranabavy Ann: “Nilaozan’i Dada i Neny tamin’izaho mbola kely dia nanambady an’ilay mpitaiza ahy izy. Nahatsiaro hoe nafoy aho. Rehefa nanan-janaka ry zareo, dia hoatran’ny hoe natakalony aho. Tsapako hoe tsy nisy mpitia mihitsy aho rehefa nihalehibe.” Nilaza an’izay tsapany koa Ranabavy Georgette rehefa nanitsakitsaka azy ny vadiny. Hoy izy: “Efa hatramin’ny mbola kely izahay no mpinamana. Niara-nanao mpisava lalana mihitsy aza izahay. Hoatran’ireny ho vaky ireny ny foko.” Hoy indray Ranabavy Naomi: “Tsy nampoiziko mihitsy hoe hanao zavatra mampalahelo ahy ny vadiko. Rehefa nibaboka tamiko àry izy hoe nijery sary vetaveta sady nanafina an’izany tamiko, dia nahatsapa hoe voafitaka aho.”

8. a) Inona ny antony sasany tokony hamelantsika ny hafa? b) Inona avy ny soa azontsika rehefa mamela heloka isika? (Jereo ilay hoe “ Ahoana Raha Nisy Olona Nampijaly Antsika?”)

8 Tsy afaka mifehy an’izay lazain’ny hafa sy ataony isika, nefa afaka miezaka mifehy an’izay lazaintsika sy ataontsika. Ny tsara indrindra matetika dia ny mamela heloka. Tiantsika mantsy i Jehovah ary tiany hamela heloka isika. Raha tezitra foana isika sady tsy mamela heloka, dia azo inoana hoe hanaonao foana ary mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamantsika izany. (Ohab. 14:17, 29, 30) Mariho ny tenin’ny anabavy iray atao hoe Christine: “Zara raha mitsiky aho rehefa ilay mivonto be iny ny foko. Tsy dia mitandrina an’izay sakafo haniko intsony aho. Lasa tsy ampy torimaso koa aho ary sarotra kokoa amiko ny mifehy ny fihetseham-poko, dia lasa kizitina be amin’ny vadiko sy ny olon-kafa aho.”

9. Nahoana isika no tsy tokony hitana lolompo?

9 Na dia tsy miaiky ny fahadisoany mihitsy aza ilay olona nandratra ny fontsika, dia afaka mampihena ny voka-dratsin’ilay izy amintsika isika. Amin’ny fomba ahoana? Hoy i Georgette, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tsy nitana lolompo sy tsy tezitra tamin’ilay vadiko taloha intsony aho. Elaela ilay izy vao vitako. Lasa nilamin-tsaina be anefa aho avy eo.” Rehefa tsy mitana lolompo isika dia miaro ny fontsika mba tsy ho tezi-dava. Manao soa amin’ny tenantsika koa isika satria afaka manohy ny fiainantsika sy mankafy fiainana indray. (Ohab. 11:17) Ahoana anefa raha mbola tsy vonona hamela heloka ihany ianao?

FEHEZO NY FIHETSEHAM-PONAO

10. Nahoana no tokony havela handeha aloha ny fotoana raha nisy nandratra ny fontsika? (Jereo koa ny sary.)

10 Inona no anisan’ny hanampy anao tsy ho tezitra intsony? Avelao handeha ny fotoana satria ny fotoana no hanasitrana an’ilay fery. Andao hatao hoe misy olona maratra mafy. Mila fotoana izy vao ho sitrana rehefa avy notsaboina. Mety hila fotoana koa vao ho sitrana ny ratram-pontsika. Aorian’izay isika vao ho vonona hamela an’ilay olona amin’ny fo manontolo.​—Mpito. 3:3; 1 Pet. 1:22.

Mila fikarakarana sy fotoana ny ratra amin’ny vatana vao sitrana. Hoatr’izany koa ny ratram-po (Fehintsoratra 10)


11. Nahoana no afaka manampy anao hamela heloka ny vavaka?

11 Mivavaha mba hampian’i Jehovah hamela heloka ianao. c Izany no nanampy an’i Ann, ilay voaresaka terỳ aloha. Hoy izy: “Nangataka tamin’i Jehovah aho mba hamela anay mianakavy noho izay tsy nety nolazainay sy nataonay. Nanoratra ho an’i Dada sy ilay vadiny aho avy eo dia noteneniko tao hoe mamela an-dry zareo aho.” Niaiky i Ann hoe tsy mora taminy ny nanao an’izany. Izao anefa no nolazainy: “Enga anie mba hianatra momba an’i Jehovah i Dada sy ilay vadiny rehefa hitany hoe miezaka mamela heloka hoatran’i Jehovah aho!”

12. Nahoana no i Jehovah no tokony hatokisantsika fa tsy ny fihetseham-pontsika? (Ohabolana 3:5, 6)

12 I Jehovah atokisana fa tsy ny fihetseham-ponao. (Vakio ny Ohabolana 3:5, 6.) Fantany foana izay tsara indrindra ho antsika. (Isaia 55:8, 9) Tsy hampanao zavatra hanimba antsika mihitsy izy. Rehefa mampirisika antsika hamela heloka àry i Jehovah, dia matokia fa tena hahasoa antsika izany. (Sal. 40:4; Isaia 48:17, 18) Raha matoky ny fihetseham-pontsika kosa isika dia mety tsy hahavita hamela heloka mihitsy. (Ohab. 14:12; Jer. 17:9) Hoy i Naomi, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tamin’ny voalohany aho nieritreritra hoe rariny raha tsy namela an’ilay vadiko noho izy nijery sary vetaveta. Natahotra mantsy aho hoe sao dia handratra ny foko indray izy, na ho hadinony hoe nampijaly be ahy ny zavatra nataony. Dia nieritreritra aho hoe azon’i Jehovah ny fihetseham-poko. Tonga saina anefa aho hoe na dia mahatakatra ny fihetseham-poko aza i Jehovah, dia tsy midika akory izany hoe mankasitraka an’izany izy. Fantany hoe inona no tsapako sy hoe mila fotoana vao ho sitrana ny ratram-poko, nefa tiany hamela heloka koa aho.” d

ATAOVY IZAY HANANANA TOE-PO SY TOE-TSAINA TSARA

13. Inona no mila ataontsika, araka ny Romanina 12:18-21?

13 Ahoana ilay hoe mamela ny olona iray nandratra ny fontsika? Tsy ampy ny hoe manapa-kevitra ny tsy hiresaka momba an’ilay izy intsony. Ny hihavana koa no tanjontsika, indrindra raha mpiara-manompo amintsika ilay olona. (Mat. 5:23, 24) Mifidy ny hamindra fo isika fa tsy ho tezitra, ary ny hamela heloka fa tsy ny hitana lolompo. (Vakio ny Romanina 12:18-21; 1 Pet. 3:9) Inona no hanampy antsika hahavita an’izany?

14. Tokony hiezaka hanao inona isika, ary nahoana?

14 Tokony hiezaka isika mba hitovy amin’ny an’i Jehovah ny fahitantsika an’ilay olona nanafintohina antsika. Mifidy ny hijery an’izay tsara ao amin’ny olona i Jehovah. (2 Tan. 16:9; Sal. 130:3) Matetika no hitantsika izay toetra tadiavintsika ao amin’ny olona, na toetra tsara izany na ratsy. Ho mora kokoa amintsika ny hamela ny hafa rehefa ny toetra tsarany no ifantohantsika. Izao, ohatra, no nolazain’ny Rahalahy Jarrod: “Mora kokoa amiko ny mamela rahalahy iray, rehefa ampitahaiko ilay zavatra tsy mety nataony sy ny zavatra be dia be tiako momba azy.”

15. Nahoana no mety hahasoa ny milaza amin’ny olona iray hoe namela azy ianao?

15 Zava-dehibe koa ny milaza amin’ilay olona hoe mamela azy ianao. Nahoana? Mariho izay nolazain’i Naomi, ilay voaresaka terỳ aloha: “Nanontany ahy ny vadiko hoe: ‘Mamela ahy ve indrỳ?’ Kendakenda aho dia tsy nahavita niteny hoe: ‘Mamela anao aho.’ Tsapako tamin’izay hoe tsy tena mbola namela azy tamin’ny foko aho. Vitako ihany tatỳ aoriana ny niteny an’ilay teny telo manan-danja hoe: ‘Mamela anao aho.’ Nanganohano ny vadiko naheno an’izany. Gaga aho fa nahatsiaro ho maivamaivana be izy, moa izaho koa nahatsapa hoe tena tony. Nianatra natoky azy indray aho taorian’izay, ary efa mpinamana be indray izahay roa izao.”

16. Inona no nianaranao momba ny famelan-keloka?

16 Tian’i Jehovah hamela heloka isika. (Kol. 3:13) Na izany aza, dia mety ho sarotra amintsika ny hamela ny hafa. Ho vitantsika anefa izany raha tsy avelantsika amin’izao fotsiny ny fihetseham-pontsika, miezaka mifehy azy ireny isika, ary ataontsika izay hananana toe-po sy toe-tsaina tsara.​—Jereo ilay hoe “ Dingana Telo Hanampy Anao Hamela Heloka.”

MIFANTOHA AMIN’IZAY SOA AZO REHEFA MAMELA HELOKA

17. Nahoana isika no tokony hamela heloka?

17 Betsaka ny antony tokony hamelantsika heloka. Diniho ny sasany amin’izany. Voalohany, manahaka sy mampifaly an’i Jehovah, ilay Raintsika mamindra fo, isika. (Lioka 6:36) Faharoa, asehontsika hoe ankasitrahantsika i Jehovah noho izy tsara fanahy mamela ny helotsika. (Mat. 6:12) Fahatelo, salama kokoa isika sady mpinamana be amin’ny hafa foana.

18-19. Inona no mety ho vokany rehefa mamela heloka isika?

18 Mety hisy fitahiana tsy ampoizintsika rehefa mamela ny hafa isika. Izany no nitranga tamin’i Denise, ilay noresahina terỳ am-piandohana. Tsy fantany, tamin’ilay fotoana niakarany fitsarana, fa efa nieritreritra ilay rangahy nandona an-dry zareo hoe hamono tena izy rehefa vita ilay fitsarana. Nanohina be ny fony anefa ny famelan-kelok’i Denise, dia nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy.

19 Mety hahatsapa isika hoe ny mamela olona iray no anisan’ny zavatra sarotra indrindra tsy maintsy hataontsika. Mety ho anisan’ny mahasoa indrindra koa anefa izany. (Mat. 5:7) Enga anie àry isika rehetra hiezaka hanao an’izay tsara indrindra vitantsika mba hanahafana ny famelan-kelok’i Jehovah!

HIRA 125 “Sambatra ny Mamindra Fo”

a Novana ny anarana sasany.

b Ny Kristianina tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’izay hataony rehefa misy zavatra hoatr’izany.

c Jereo ao amin’ny jw.org/mg ireto hira ireto: “Andao Hifamela”, “Aza Asiana Tavela”, ary “Andao Hinamana toy ny Taloha.”

d Fahotana ny mijery sary vetaveta sady mandratra fo. Tsy antony araka ny Soratra Masina hisaraham-panambadiana anefa izany.