Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 6

HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

Nahoana Isika no Tena Mankasitraka ny Famelan-kelok’i Jehovah?

Nahoana Isika no Tena Mankasitraka ny Famelan-kelok’i Jehovah?

“Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana.”​—JAONA 3:16.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy antsika hankasitraka kokoa ny famelan-kelok’i Jehovah ity lahatsoratra ity. Ho hitantsika ato mantsy hoe ahoana no nahafahany nanao an’izany.

1-2. Inona no itovizan’ny zavatra iainan’ny olombelona amin’izay nanjo an’ilay tovolahy eo amin’ny fehintsoratra voalohany?

 ALAO sary an-tsaina hoe misy tovolahy iray, dia manankarena be ny fianakaviany. Tratran’ny loza tampoka anefa ny ray aman-dreniny dia maty. Hoatran’ny nilatsaham-baratra izy! Mbola nisy zavatra hafa koa anefa nanampy trotraka ny fahoriany. Henony hoe nolanilanin’izy mivady fotsiny ny harenan’ny fianakaviana, dia bokan-trosa ry zareo. Eritrereto ange e! Tsy harena no nolovan’ilay tovolahy fa trosa, ary efa mitaky an’izany ny tompon-trosa. Be loatra ilay vola tsy maintsy aloa ka tsy ho voaloany mihitsy.

2 Mitovy amin’izay nanjo an’io tovolahy io ny zavatra iainantsika. Lavorary sy niaina tao amin’ny Paradisa tsara tarehy i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany. (Gen. 1:27; 2:7-9) Afaka ny ho sambatra mandrakizay izy mivady, ary azo oharina amin’ny harena izany. Nitsimbadika anefa ny zava-drehetra. Nafoin-dry zareo ilay Paradisa, ary tsy afaka nanantena ny hiaina mandrakizay intsony ry zareo. Dia inona no lova nampitainy tamin’ny taranany? Hoy ny Baiboly: ‘Niditra teo amin’izao tontolo izao ny ota noho ny nataon’ny lehilahy iray [Adama], ary ny ota no nahatonga ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.’ (Rom. 5:12) Ny ota no lova nampitain’i Adama tamintsika ka fahafatesana no vokany. Hoatran’ny trosa be io ota nolovantsika io, ka tsy misy olona mahavita mandoa an’izany.​—Sal. 49:8.

3. Azo oharina amin’ny inona ny ota? Hazavao.

3 Noharin’i Jesosy tamin’ny “trosa” ny ota. (Mat. 6:12, f.a.p.; Lioka 11:4, f.a.p.) Hoatran’ny hoe ananan’i Jehovah trosa àry isika rehefa manota, ka tsy maintsy aloantsika izany. Rehefa maty ihany isika vao ho voaloantsika io trosa io, raha tsy hoe misy manampy angaha isika.​—Rom. 6:7, 23.

4. a) Inona no ho nitranga tamin’ny mpanota rehetra raha tsy nisy nanampy? (Salamo 49:7-9) b) Inona no tiana holazaina amin’ilay hoe “ota” ao amin’ny Baiboly? (Jereo ilay hoe “ Ota.”)

4 Mety mbola ho azontsika ve izay rehetra nafoin’i Adama sy Eva? Tsia raha noho ny ezaka ataontsika fotsiny. (Vakio ny Salamo 49:7-9.) Tsy afaka ny hanantena isika hoe hiaina mandrakizay na hatsangana amin’ny maty, raha tsy misy manampy. Ho vita hatreo ny amintsika rehefa maty isika, hoatran’ny hahafatesan’ny biby, izay tsy manantena ny hiaina mandrakizay na hatsangana.​—Mpito. 3:19; 2 Pet. 2:12.

5. Ahoana no anampian’ilay Raintsika be fitiavana antsika noho isika nandova ota? (Jereo ny sary.)

5 Eritrereto indray ange ilay tovolahy terỳ am-piandohana e! Hoatran’ny ahoana izao no tsapany raha misy lehilahy manankarena manolo-tena handoa ny trosany rehetra? Azo antoka fa hanaiky sy tena hankasitraka ny fanomezana ataon’io lehilahy malala-tanana io izy. Nanome antsika fanomezana koa i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, mba handoavana ny trosantsika na ilay ota nolovantsika avy tamin’i Adama. Izao no nanazavan’i Jesosy an’izany: “Tena tia an’izao tontolo izao Andriamanitra ka nanome an’ilay Zanany lahitokana, mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hahazo fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Tsy izay ihany, fa ho afaka hifandray tsara amin’i Jehovah koa isika noho io fanomezana io.

Notorin’i Jesosy ilay vaovao tsara hoe mamela heloka i Jehovah, miorina amin’ny sorom-panavotana. (Jaona 3:16) Nomeny an-tsitrapo ny ainy avy eo mba hanomezana an’io sorom-panavotana io (Fehintsoratra 5)


6. Inona avy ireo teny ao amin’ny Baiboly hodinihintsika ato, ary nahoana?

6 Ahoana no andraisantsika soa avy amin’io fanomezana tena miavaka io, ka ho voavela ny fahotantsika na ny “trosantsika”? Manampy antsika hahita ny valin’izany ny teny sasany ampiasaina ao amin’ny Baiboly, ohatra hoe fampihavanana, fandrakofam-pahotana, vidim-panavotana, fanavotana, ary ambara hoe olo-marina. Hazavaina ato ny dikan’ireo teny tsirairay ireo. Vao mainka isika hankasitraka an’i Jehovah noho ny namelany ny fahotantsika, rehefa misaintsaina an’ireo fanazavana ireo.

NY TANJONA: FAMPIHAVANANA

7. a) Inona koa no nafoin’i Adama sy Eva? b) Inona no tena ilaintsika noho isika taranak’i Adama sy Eva? (Romanina 5:10, 11)

7 Tsy hoe tsy afaka ny hiaina mandrakizay intsony fotsiny i Adama sy Eva, fa tapaka hatreo koa ny fifandraisana sarobidy nananan-dry zareo tamin’i Jehovah Rainy. Anisan’ny fianakavian’Andriamanitra mantsy izy mivady tamin’ny voalohany. (Lioka 3:38) Voaroaka tsy ho anisan’ilay fianakaviana intsony anefa ry zareo rehefa tsy nankatò an’i Jehovah. Mbola tsy niteraka ry zareo tamin’izay. (Gen. 3:23, 24; 4:1) Mila ampihavanina amin’i Jehovah àry isika taranak’i Adama sy Eva. (Vakio ny Romanina 5:10, 11.) Inona no dikan’izany? Mila miezaka mifandray tsara aminy indray isika. Milaza ny boky iray fa ilay teny grika nadika hoe “mampihavana” eo, dia mety hidika hoe “atao namana ny fahavalo.” Mahavariana fa i Jehovah mihitsy no nanao ny dingana voalohany mba hihavanana amintsika. Ahoana no nataony?

NY FANDAHARANA NATAO: FANDRAKOFAM-PAHOTANA

8. Inona no atao hoe fandrakofam-pahotana?

8 Ny fandrakofam-pahotana dia ny fandaharana nataon’i Jehovah mba hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’ny olombelona mpanota. Hoatran’ny hoe nisy zavatra very na simba dia nosoloana zavatra hafa mitovy vidy aminy. Resahin’ny Soratra Grika Kristianina izay nataon’i Jehovah mba hahafahan’ny olona iray hihavana aminy.​—Rom. 3:25, f.a.p.

9. Inona ny fandaharana tsy maharitra nataon’i Jehovah mba ho voavela ny fahotan’ny Israelita?

9 Mba hahafahan’ny Israelita mifandray tsara amin’i Jehovah, dia nanao fandaharana tsy maharitra izy, amin’izay afaka mamela ny fahotan-dry zareo. Nankalazaina isan-taona tany Israely ny Andro Fandrakofam-pahotana. Nanolotra sorona biby noho ny fahotan’ny vahoaka ny mpisoronabe tamin’io andro io. Mazava ho azy fa tsy afaka nandrakotra tanteraka ny fahotan’ny olona ireo sorona ireo, satria ambany noho ny olombelona ny biby. Vonona hamela ny fahotan’izay Israelita nibebaka anefa i Jehovah raha mbola nanolotra an’izay fanatitra notakiny ry zareo. (Heb. 10:1-4) Inona koa ny vokany rehefa nanaraka an’io fandaharana io ny Israelita sady nanolotra fanatitra noho ny ota tsy tapaka? Nandetika tao an-tsainy izany fa tena mpanota ry zareo ary tena nila vahaolana maharitra.

10. Inona ny fandaharana maharitra nataon’i Jehovah mba ho voavela ny fahotan’ny olombelona?

10 Efa nieritreritra vahaolana maharitra i Jehovah mba hamelana ny fahotan’ny olombelona. Nanao fandaharana izy mba hanirahana ny Zanany malala, ary “natolotra indray mandeha fotsiny [io Zanany io] mba hitondra ny fahotan’ny olona maro.” (Heb. 9:28) Nanome “ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny olona maro” i Jesosy. (Mat. 20:28) Fa inona no atao hoe vidim-panavotana?

NY NALOA: VIDIM-PANAVOTANA

11. a) Inona no atao hoe vidim-panavotana ao amin’ny Baiboly? b) Inona no ilaina mba hahafahana mandoa an’io vidim-panavotana io?

11 Ny hoe vidim-panavotana ao amin’ny Baiboly, dia izay aloa mba ho fandrakofam-pahotana sy ho fampihavanana. a Hitan’i Jehovah hoe ilaina izany mba hahafahany hamerina indray an’izay efa nafoin’i Adama sy Eva. Tadidio fa namoy an’ilay aina lavorary nananany izy mivady, dia tsy afaka ny hiaina mandrakizay intsony. Mila mifandanja amin’izay nafoin-dry zareo àry ny vidim-panavotana. (1 Tim. 2:6) Tsy afaka ny handoa azy io raha tsy lehilahy lehibe iray 1) lavorary; 2) afaka ny hiaina mandrakizay eto an-tany, ary 3) vonona hanome ny ainy, na hanao sorona an’izany ho antsika. Amin’izay ihany ny ain’io olona io vao ho afaka handrakotra na hisolo an’ilay aina nafoy.

12. Nahoana no afaka nanome ny vidim-panavotana i Jesosy?

12 I Jesosy no afaka nandoa ny vidim-panavotana. Nahoana? Noho ireto antony telo ireto: 1) Lavorary izy, izany hoe “tsy nanota.” (1 Pet. 2:22) 2) Afaka ny hiaina mandrakizay eto an-tany izy noho izany. 3) Vonona ny ho faty sy hanao sorona ny ainy ho antsika izy. (Heb. 10:9, 10) Lehilahy lavorary i Jesosy ka nitovy tanteraka tamin’ilay lehilahy voalohany, izany hoe i Adama talohan’ny nanotany. (1 Kor. 15:45) Afaka nandrakotra ny fahotan’i Adama àry i Jesosy rehefa maty, ka nanolo an’izay nafoin’i Adama. (Rom. 5:19) Izany no mahatonga an’i Jesosy atao hoe “Adama farany.” Tsy ilaina intsony ny hahatongavan’ny olon-kafa lavorary mba handoa an’izay nafoin’i Adama. Efa maty “indray mandeha” mantsy i Jesosy.​—Heb. 7:27; 10:12.

13. Inona no maha samy hafa ny fandrakofam-pahotana sy ny vidim-panavotana?

13 Inona izany no maha samy hafa ny fandrakofam-pahotana sy ny vidim-panavotana? Ny fandrakofam-pahotana dia izay ataon’Andriamanitra mba hamerenana amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’ny olombelona. Ny vidim-panavotana kosa dia izay naloa mba hahafahana manarona ny fahotan’ny olombelona mpanota. Ny ra sarobidy nalatsak’i Jesosy ho antsika io vidim-panavotana io.​—Efes. 1:7; Heb. 9:14.

NY VOKANY: NAVOTANA SY AMBARA HOE OLO-MARINA

14. Inona izao no hodinihintsika, ary nahoana?

14 Inona avy ny vokatr’ilay fandrakofam-pahotana? Mampiasa teny vitsivitsy ny Baiboly mba hanasongadinana ny soa entin’izy io. Mitovitovy ny hevitr’ireo teny ireo. Asongadin’ny teny tsirairay anefa ny lafiny sasany amin’ilay fandrakofam-pahotana, izay ahafahan’i Jehovah mamela antsika. Rehefa mamakafaka an’ireo teny ireo isika, dia ho hitantsika hoe inona ny soa azontsika tsirairay.

15-16. a) Inona no dikan’ilay hoe “fanavotana” ao amin’ny Baiboly? b) Inona ny vokatr’izany amintsika?

15 Mampiasa an’ilay teny hoe fanavotana, ohatra, ny Baiboly. Midika izy io fa hafahana ny olona iray ka tsy meloka intsony satria efa voaloa ny vidim-panavotana. Miresaka momba an’izany ny apostoly Petera. Hoy izy: “Fantatrareo ... fa tsy tamin’ny zavatra mety simba, toy ny volafotsy na volamena, no nanafahana [abt: “nanavotana; nanaovana vidim-panavotana ho”] anareo tamin’ny fomba fiaina tsy mahasoa nolovanareo tamin’ny razambenareo, fa tamin’ny ra sarobidy kosa, dia ny ran’i Kristy, izay toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsininy sy tsy misy pentina.”​—1 Pet. 1:18, 19; f.a.p.

16 Azo afahana amin’ny fangejan’ny ota sy ny fahafatesana isika noho ny sorom-panavotana. (Rom. 5:21) Tena tokony hankasitraka lalina an’i Jehovah sy Jesosy àry isika satria ry zareo nanavotra antsika tamin’ny alalan’ny ra sarobidin’i Jesosy, na ny ainy.​—1 Kor. 15:22.

17-18. a) Inona no dikan’ny hoe ambara hoe olo-marina? b) Inona ny vokatr’izany amintsika?

17 Milaza koa ny Baiboly fa ambaran’i Jehovah hoe olo-marina ny mpanompony. Midika izany hoe notsoahana ny fiampangana antsika dia nofafana tanteraka ny heloka vitantsika. Tsy hoe mandika ny fitsipiny momba ny rariny akory i Jehovah raha manao an’izany. Tsy noho ny ezaka ataontsika mantsy no mahatonga azy hanambara antsika hoe olo-marina. Tsy hoe manala tsiny ny fahotantsika koa izy. Manana antony hanafoanana ny trosantsika kosa i Jehovah, noho isika mino ny fandrakofam-pahotana sy ny vidim-panavotana.​—Rom. 3:24; Gal. 2:16.

18 Inona ny soa raisintsika avy amin’izany? Efa ambara hoe olo-marina ireo voafidy hiara-manjaka amin’i Jesosy any an-danitra, ary lasa zanak’Andriamanitra. (Tit. 3:7; 1 Jaona 3:1) Efa voavela ny helok’izy ireo. Azo lazaina hoe efa nofoanana ny helok’izy ireo, ka mahafeno fepetra ho anisan’ilay Fanjakana ry zareo. (Rom. 8:1, 2, 30) Efa ambara hoe olo-marina koa ireo manantena hiaina eto an-tany, ary lasa naman’Andriamanitra sady voavela ny helony. (Jak. 2:21-23) Manantena ny tsy ho faty mihitsy ny vahoaka be ho tafavoaka velona amin’ny Aramagedona. (Jaona 11:26) Ary ahoana ny amin’ireo “marina” sy “tsy marina” efa nodimandry? Hatsangana amin’ny maty ry zareo. (Asa. 24:15; Jaona 5:28, 29) “Hahazo an’ilay fahafahana miavaka ananan’ny zanak’Andriamanitra” ny mpanompon’i Jehovah rehetra mankatò eto an-tany amin’ny farany. (Rom. 8:21) Miavaka tokoa ny fitahiana ho azontsika avy amin’ilay fandrakofam-pahotana. Hihavana tsara amin’i Jehovah, ilay Raintsika, indray isika rehetra!

19. Nahoana no lasa nisy antenaina ny fiainantsika? (Jereo koa ilay hoe “ Inona no Dikan’ireto?”)

19 Namoy ny zava-drehetra sy nandova trosa be tsy ho voaloany mihitsy ilay tovolahy terỳ am-piandohana. Tena hoatr’izany ny zavatra iainantsika. Soa ihany anefa fa nanampy antsika i Jehovah dia niova izany! Nanao an’ilay fandaharana momba ny fandrakofam-pahotana mantsy izy sady nandoa ny vidim-panavotana. Azo avotana àry isika, izany hoe azo afahana amin’ny ota sy ny fahafatesana, noho isika mino an’i Jesosy Kristy. Azo foanana koa ny fahotantsika ary azo fafana ny heloka vitantsika. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe efa afaka mifandray tsara amin’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra, isika.

20. Inona no hodinihintsika amin’ny manaraka?

20 Feno fankasitrahana an’i Jehovah sy Jesosy ny fontsika rehefa misaintsaina an’izay nataon’izy mianaka ho antsika isika. (2 Kor. 5:15) Raha tsy nanampy antsika ry zareo dia tsy ho nanana fanantenana mihitsy isika! Inona anefa ny vokatry ny famelan-kelok’i Jehovah amintsika tsirairay? Hiresaka momba an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 10 Derao i Jehovah Andriamanitsika!

a Midika ara-bakiteny hoe “vidin’ny fiainana” na “vidiny naloa” ny teny hoe “vidim-panavotana” amin’ny fiteny sasany.