Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TANTARAM-PIAINANA

“Tsy Irery Mihitsy Aho Hatramin’izay”

“Tsy Irery Mihitsy Aho Hatramin’izay”

Betsaka ny zavatra mety hahatonga antsika ho manirery, ohatra hoe rehefa maty ny olona akaiky antsika, na any amin’ny toerana tsy mahazatra isika, na isika irery. Efa niainako daholo ireo. Rehefa manao jery todika ny fiainako anefa aho dia tsapako hoe tsy irery mihitsy aho hatramin’izay. Andraso hotantaraiko anareo ny antony ilazako an’izany.

MODELY HO AHY NY RAY AMAN-DRENIKO

Katolika hiringiriny i Dada sy Neny taloha. Rehefa hitan-dry zareo tao amin’ny Baiboly anefa hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah mafana fo ry zareo. Tsy nanao sary sokitr’i Jesosy intsony i Dada. Nampiasainy tamin-javatra hafa indray ny fahaizany mandrafitra. Navadiny ho Efitrano Fanjakana ny ambany rihana tamin’ny tranonay. Tao no efitrano voalohany tany San Juan del Monte, tsy lavitra an’i Manille, renivohitr’i Philippines.

Miaraka amin’i Dada sy Neny sy ny havanay sasany

Rehefa teraka aho tamin’ny 1952, dia nampianarin’i Dada sy Neny Baiboly, hoatran’ny nampianarany ny zokiko efa-dahy sy ny zokiko telo vavy. Nasain’i Dada namaky toko iray ao amin’ny Baiboly isan’andro aho rehefa nihalehibe, ary nampianariny tamin’ny boky samihafa an’ny fandaminana. Nasain’i Dada sy Neny nivantana tao aminay ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny solontenan’ny sampana indraindray. Nahafinaritra sady nampahery anay mianakavy ny fitantaran-dry zareo. Izany no nandrisika anay rehetra hanao loha laharana ny fanompoana.

Tena nanam-pinoana ny ray aman-dreniko, dia nifindra tamiko izany. Mampalahelo fa narary i Neny dia maty tamin’ny 1971. Nanomboka nanao mpisava lalana maharitra izahay sy Dada taorian’izay. Tamin’ny 1973 anefa, tamin’izaho 20 taona, dia maty koa i Dada. Banga be ny fiainako sady irery be aho rehefa tsy teo intsony i Dada sy Neny. Ny fampanantenan’ny Baiboly no nanampy ahy tsy ho kivy loatra sy ho akaiky an’i Jehovah foana. “Azo antoka” sady “mafy orina” hoatran’ny vatofantsika ireny fampanantenana ireny. (Heb. 6:19) Tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Dada, dia voatendry ho mpisava lalana manokana tany amin’ny nosy mitokana antsoina hoe Coron, any amin’ny faritr’i Palawan, aho.

IRERY TAO ANATIN’NY FANENDRENA SAROTRA

Tamin’izaho 21 taona no tonga tany Coron. Zatra fiainana an-tanàn-dehibe aho, dia gaga aho hoe zara raha nisy jiro sy rano tany amin’ilay nosy, sady tsy dia nisy fiara na môtô. Marina hoe nisy Vavolombelona vitsivitsy tany, nefa tsy nisy namana aho indraindray rehefa nanompo. Nalahelo be ny fianakaviako sy ny namako aho nandritra ny volana voalohany. Matetika aho no nijery ny lanitra feno kintana sady nirotsaka ny ranomasoko. Te hody be aho dia tsy te hanao mpisava lalana intsony.

Rehefa malahelo hoatr’izany aho dia resahiko amin’i Jehovah daholo ny any am-poko. Mahatsiaro hevitra mampahery novakiko avy tao amin’ny Baiboly sy ny bokintsika aho avy eo. Miverimberina ao an-tsaiko ny Salamo 19:14. Tonga saina aho hoe ho “Vatolampiko sy Mpanavotra ahy” i Jehovah raha zavatra mahafaly azy no saintsainiko, ohatra hoe ny zavatra ataony na ny toetrany. Nanampy be ahy ilay lahatsoratra tao amin’ny Tilikambo Fiambenana hoe “Tsy Irery na Oviana na Oviana Ianao.” a Novakiko imbetsaka ilay izy. Hoatran’ny hoe izahay sy Jehovah irery no teo tamin’ireny, dia afaka nivavaka sy nianatra ary nisaintsaina tsara aho.

Vao tonga kely tany Coron aho dia voatendry ho anti-panahy. Izaho irery no anti-panahy tany tamin’izany, dia isan-kerinandro aho tsy maintsy nitarika ny Sekolin’ny Fanompoana, Fivoriana Momba ny Fanompoana, Fianarana Boky, ary Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, sady nanao lahateny ho an’ny besinimaro. Inona moa fa dia tsy misy fotoana hahatsapako ho manirery intsony!

Nahafinaritra be ny fanompoako tany Coron. Natao batisa ny olona sasany nampianariko Baiboly tatỳ aoriana. Nisy olana koa anefa. Tsy maintsy nandeha an-tongotra tapak’andro aho indraindray vao tonga tany amin’ny faritany, dia tsy haiko akory hoe aiza aho no hatory rehefa tonga any. Misy nosy kely be dia be koa ny faritanin’ilay fiangonana dia nandeha sambo matetika aho. Misy fotoana manonja be ny ranomasina nefa izaho tsy mahay milomano akory. Niaro sy nanohana ahy foana i Jehovah na teo aza izany rehetra izany. Tatỳ aoriana vao hitako hoe nanomana ahy hiatrika olana lehibe kokoa kay izy, satria hiova ny fanendrena ahy.

PAPOUASIE-NOUVELLE-GUINÉE

Voatendry ho any Papouasie-Nouvelle-Guinée, any avaratr’i Aostralia aho, tamin’ny 1978. Be tendrombohitra io firenena io ary efa hitovy amin’i Espaina ny velarany. Gaga aho hoe telo tapitrisa eo ho eo ny mponina any, nefa mampiasa fiteny 800 mahery ry zareo. Soa ihany fa afaka mampiasa fiteny pidgin melanezianina, antsoina hoe tok pisin, ny ankamaroan’ny olona any.

Voatendry vetivety ho ao amin’ny fiangonana iray miteny anglisy tao Port Moresby, renivohitra, aho. Nafindra tany amin’ny fiangonana miteny tok pisin aho avy eo ary nianatra an’ilay fiteny. Nampiasaiko teny amin’ny fanompoana izay nianarako dia mora haiko ilay fiteny. Vetivety aho dia nanao lahateny ho an’ny besinimaro tamin’ny teny tok pisin. Taitra be aho hoe tsy ampy herintaona akory ny nahatongavako tany Papouasie-Nouvelle-Guinée, dia voatendry ho mpiandraikitra ny faritra ho an’ny fiangonana miteny tok pisin aho. Miparitaka any amin’ny toerana maromaro ireo fiangonana ireo.

Tsy maintsy nanao fivoriamben’ny faritra be dia be sy nanao dia lavitra matetika aho, satria mifanalavitra be ny fiangonana. Nahatsiaro ho irery be aho tamin’ny voalohany satria vaovao tamiko daholo na ilay firenena, na ny fiteny, na ny fomban’ny olona. Be tendrombohitra sy kisilasila ilay toerana dia tsy nisy lalana an-tanety mihitsy. Efa ho isan-kerinandro aho no tsy maintsy mandeha fiaramanidina rehefa hitsidika fiangonana. Izaho irery indraindray no mpandeha ao amin’ny fiaramanidina kely efa mitsipozipozy. Mampatahotra hoatran’ny mandeha sambo ihany ilay izy.

Vitsy no nanana telefaonina dia taratasy no nifandraisako tamin’ny fiangonana. Matetika no izaho indray no tonga alohan’ny taratasiko, dia tsy maintsy manontany olona aho hoe aiza no misy mpitory. Faly be ry zareo sady raisiny tsara aho rehefa mihaona izahay. Tsapako hoe tsy very maina ny ezaka rehetra nataoko. Imbetsaka aho no nahita hoe nanohana ahy i Jehovah, dia vao mainka aho nihakaiky azy.

Tamin’izaho nivory voalohany tany amin’ny Nosy Bougainville dia nisy mpivady nitsikitsiky be sady nanontany ahy hoe: “Tadidinao ve izahay?” Nitory tamin’izy mivady aho tamin’izaho vao tonga tany Port Moresby. Izaho no nampianatra Baiboly an-dry zareo fa avy eo ry zareo nafindrako. Efa vita batisa izy mivady izao. Santionany amin’ny fitahiana azoko izany, tamin’izaho nanompo tany Papouasie-Nouvelle-Guinée nandritra ny telo taona.

FIANAKAVIANA KELY BE ATAO

Izahay sy Adel

Nifankahalala tamin’i Adel aho, talohan’ny nialako tany Coron tamin’ny 1978. Anabavy mahafatifaty sy mahafoy tena izy. Mpisava lalana maharitra izy tamin’izany, ary nitaiza an’i Samuel sy Shirley zanany sady nikarakara ny reniny be taona. Nody tany Philippines aho tamin’ny Mey 1981 mba hanambady an’i Adel. Nanao mpisava lalana maharitra izahay rehefa nivady ary niara-nikarakara an’ilay fianakaviana.

Izaho, Adel, Samuel, ary Shirley, tany Palawan

Na dia efa nikarakara fianakaviana aza aho dia voatendry ho mpisava lalana manokana indray, tamin’ny 1983. Tany amin’ny Nosy Linapacan, any amin’ny faritr’i Palawan, no nanendrena ahy. Nifindra tany amin’io toerana mitokana io izahay mianakavy ary tsy nisy Vavolombelona tany. Maty ny maman’i Adel, herintaona teo ho eo taorian’izay. Niezaka ho be atao tamin’ny fanompoana foana izahay dia zakanay ihany ilay fahoriana. Be dia be mihitsy ny mpianatra Baiboly nandroso ka vetivety izahay dia nila Efitrano Fanjakana. Nanorina efitrano àry izahay. Nahatratra 110 ny mpanatrika ny Fahatsiarovana, telo taona taorian’ny nahatongavanay tany. Faly erỳ izahay. Betsaka tamin-dry zareo no natao batisa tatỳ aoriana.

Voatendry ho any Culion aho tamin’ny 1986. Misy boka be dia be ao amin’io nosy io. Voatendry ho mpisava lalana manokana koa i Adel taorian’izay. Natahotra izahay tamin’ny voalohany hoe hitory amin’ny boka. Nanome toky anay anefa ny mpitory hoe efa tsaboina izy ireny ka tsy dia atahorana hamindra. Nisy boka hoatr’izany tonga nivory tao an-tranon’ny anabavy iray. Niezaka niova izahay. Vetivety dia hitanay hoe mahafinaritra be kay ny miresaka ny fampanantenan’ny Baiboly amin’ny olona mahatsapa hoe ailikilik’Andriamanitra sy ny olona. Marary be izy nefa lasa faly rehefa fantany hoe ho salama indray. Mampihetsi-po be izany!​—Lioka 5:12, 13.

Ahoana no nanampianay ny zanakay ho tamana tany Culion? Niantso anabavy kely roa avy any Coron izahay mivady mba ho naman’izy mianadahy. Nahafinaritra ny fanompoan’i Samuel sy Shirley sy izy roa vavy. Nampianatra ankizy be dia be ry zareo, dia izahay sy Adel no nampianatra ny ray aman-drenin’ireny ankizy ireny. Nisy fotoana nahatratra 11 ny fianakaviana nampianarinay. Betsaka ny mpianatra Baiboly nandroso dia lasa nisy fiangonana vaovao niforona.

Izaho irery no anti-panahy tao amin’ilay faritra tamin’ny voalohany. Nasain’ny biraon’ny sampana hitarika ny fivoriana isan-kerinandro ho an’ny mpitory valo tao Culion àry aho, dia avy eo ho an’ny mpitory sivy tany Marily. Lalana adiny telo mandeha sambo avy tao Culion io tanàna kely io. Isaky ny avy nivory tany Marily izahay mianakavy, dia nanavatsava toerana be tendrombohitra nandritra ny ora maro mba hampianatra Baiboly any Halsey.

Namokatra be ny faritany tany Marily sy Halsey dia samy nanangananay Efitrano Fanjakana. Hoatran’ny tany Linapacan ihany, dia ny mpiara-manompo sy ny olona liana no nanome ny ankamaroan’ny fitaovana sy nanao ny ankamaroan’ny asa. Mahazaka olona 200 ilay efitrano tany Marily, sady azo itarina ka azo nanaovana fivoriamben’ny faritra.

NALAHELO BE, NANIRERY, ARY FALY INDRAY

Nanomboka nanao ny asan’ny faritra teto Philippines izahay sy Adel tamin’ny 1993, rehefa lehibe ny ankizy. Nanatrika ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana aho, tamin’ny taona 2000, mba hiofana ho mpampianatra amin’io sekoly io. Nahatsapa hoe tsy mahay aho nefa nampahery ahy foana i Adel. Nampahatsiahiviny ahy hoe hanome ny hery hahavitako an’ilay fanendrena vaovao i Jehovah. (Fil. 4:13) Tsapan’i Adel tsara izany satria narary izy nefa vitany foana ny fanendrena azy.

Hita tamin’ny 2006 hoe voan’ny aretin’i Parkinson i Adel, tamin’izaho mpampianatra. Taitra be izahay! Noteneniko izy hoe aleo izahay hiala amin’ny fanendrena anay fa hikarakara azy. Namaly i Adel hoe: “Eo mba itadiavo dokotera fotsiny aho fa tsy maintsy hanampy antsika hanohy ny fanendrena antsika i Jehovah.” Nanohy ny fanompoany foana i Adel nandritra ny enin-taona taorian’izay sady tsy nitaraina mihitsy. Rehefa tsy afaka nandeha intsony izy, dia nampiasa seza misy kodiarana rehefa nanompo. Rehefa zara raha afaka niteny izy, dia teny iray na roa fotsiny no valin-teniny any am-pivoriana. Be dia be no nandefa hafatra ho an’i Adel mba hankasitrahana azy, satria izy tena modely amin’ny fiaretana. Nahazo hafatra hoatr’izany foana izy mandra-pahafatiny tamin’ny 2013. Telopolo taona mahery no niarahako tamin’i Adel, ilay namako tsy mivadika sy be fitiavana. Lasa nalahelo be sy nanirery indray aho rehefa tsy teo intsony izy.

Tian’i Adel hanohy ny fanendrena ahy foana aho, dia izany no nataoko. Tsy manirery loatra aho rehefa miezaka ny ho be atao. Nasaina nitsidika fiangonana miteny tagalog tany amin’ny firenena nanakantsakanana ny asantsika aho tamin’ny 2014 hatramin’ny 2017. Nitsidika fiangonana miteny tagalog tany Taïwan sy Etazonia ary Kanada aho taorian’izay. Nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana, tamin’ny teny anglisy, tany Inde sy Tailandy aho tamin’ny 2019. Nahafinaritra be daholo ireny fanendrena ireny. Rehefa variana manompo an’i Jehovah aho, dia amin’izay aho no sambatra indrindra.

MAHAZO NY FANAMPIANA ILAINA FOANA ISIKA

Mafy ilay misaraka amin’ny rahalahy sy anabavy isaky ny miova fanendrena aho satria lasa tiako be ry zareo. Nianatra niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah aho rehefa hoatr’izany. Nanohana ahy foana izy dia izany no nanampy ahy hanaiky amin’ny fo manontolo an’izay fiovana mitranga. Mpisava lalana manokana eto Philippines aho izao. Tamana tsara aho ao amin’ny fiangonana vaovao misy ahy. Ny mpiara-manompo ao no lasa fianakaviako manohana sy mikarakara ahy. Mirehareha koa aho manana an’i Samuel sy Shirley. Tena manam-pinoana hoatran’ny mamany izy mianadahy.​—3 Jaona 4.

Ny fiangonana izao no fianakaviana mikarakara ahy

Betsaka ny zava-tsarotra natrehiko, anisan’izany ny nahita an’ilay vady malalako nampijalin’ny aretina dia avy eo maty. Niovaova foana koa ny fiainako, dia tsy maintsy niaina nifanaraka tamin’izany aho. Tsapako mihitsy hoe “tsy lavitra antsika tsirairay” i Jehovah. (Asa. 17:27) “Tsy hoe fohy loatra” ny tanany fa vitany foana ny manohana sy mampahery ny mpanompony, na dia any amin’ny toerana mitokana aza. (Isaia 59:1) Misaotra an’i Jehovah, ilay Vatolampiko, aho satria teo foana izy nandritra ny androm-piainako. Tsy irery mihitsy aho hatramin’izay.