Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 3

HIRA 35 ‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

Ataovy Mampifaly An’i Jehovah ny Fanapahan-kevitrao

Ataovy Mampifaly An’i Jehovah ny Fanapahan-kevitrao

“Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandohan’ny fahendrena, ary izay mahalala an’Ilay Masina Indrindra no mahira-tsaina.”​—OHAB. 9:10.

HEVITRA HODINIHINA

Ahoana no hampiasana ny fahalalana sy ny fahiratan-tsaina ary ny fahaiza-mandinika raha te hahay hanapa-kevitra?

1. Inona no zavatra sarotra tsy maintsy ataontsika rehetra?

 MANDRAY fanapahan-kevitra foana isika isan’andro. Tsotra ny fanapahan-kevitra sasany, ohatra hoe inona no hatao sakafo maraina, na hoe amin’ny firy no hatory. Sarotra kosa ny fanapahan-kevitra sasany. Mety hisy vokany amin’ny fahasalamantsika mantsy izy ireny, na amin’ny fifaliantsika, na amin’ny olona akaiky antsika, na amin’ny fanompoantsika. Tiantsika raha mahasoa antsika sy ny fianakaviantsika ny fanapahan-kevitsika. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mampifaly an’i Jehovah ilay izy.​—Rom. 12:1, 2.

2. Inona avy ny dingana hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara?

2 Azo inoana hoe hahay hanapa-kevitra ianao raha 1) miezaka manangona fanazavana, 2) mieritreritra ny fomba fijerin’i Jehovah, ary 3) mandinika tsara ny safidy rehetra anananao. Hijery an’ireo dingana ireo isika ato, ary hanampy antsika hanazatra ny fahaizantsika mandinika izany.​—Ohab. 2:11.

MANANGÒNA FANAZAVANA

3. Hazavao amin’ny ohatra hoe nahoana no ilaina ny manangona fanazavana, alohan’ny hanapahana hevitra.

3 Mila manangona fanazavana aloha isika raha te handray fanapahan-kevitra tsara. Nahoana izany no zava-dehibe? Eritrereto hoe marary mafy ny olona iray dia mankany amin’ny dokotera. Tonga dia hanapa-kevitra ve ilay dokotera hoe izao no fomba hitsaboana an’ilay marary, nefa izy aza mbola tsy nijery na nanontany azy akory? Mazava ho azy fa tsia. Hoatr’izany koa fa hahay hanapa-kevitra kokoa ianao raha manangona fanazavana aloha. Ahoana no hanaovana an’izany?

4. Ahoana no hahazoanao ny fanazavana ilainao, raha jerena ny Ohabolana 18:13? (Jereo koa ny sary.)

4 Matetika ianao no hahazo fanazavana raha mametraka fanontaniana. Ahoana, ohatra, raha voasa amin’ny fety iray ianao? Handeha ve ianao sa tsia? Raha tsy fantatrao tsara ilay manasa sy ny zavatra hatao any, dia mila manontany azy ianao hoe: “Aiza ilay izy no hatao dia rahoviana? Betsaka ve ny olona ho any? Iza no hanara-maso an’ilay izy? Iza avy no handeha? Inona no hatao any? Hisy zava-pisotro misy alkaola ve any?” Hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara ireo fanontaniana ireo.​—Vakio ny Ohabolana 18:13.

Mametraha fanontaniana mba hahazoana ny fanazavana ilainao (Fehintsoratra 4) a


5. Inona no tokony hataonao rehefa azonao ny fanazavana ilainao?

5 Rehefa anananao daholo ny fanazavana ilainao, dia diniho tsara amin’izay ny zava-misy. Ahoana, ohatra, raha fantatrao hoe misy olona tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly handeha amin’ilay fety? Na hoe hisy zava-pisotro misy alkaola any nefa tsy misy manara-maso akory? Hatahoranao hoe tsy ho voafehy ve ilay fety? (1 Pet. 4:3) Ary ahoana raha mifanindry amin’ny fivoriana na fanompoana ilay izy? Hanampy anao hahay hanapa-kevitra izany rehetra izany. Izay izany aloha ny fahitanao ny zava-misy, fa ahoana ny hevitr’i Jehovah? (Ohab. 2:6) Mila dinihinao koa izany.

ERITRERETO NY FOMBA FIJERIN’I JEHOVAH

6. Nahoana isika no tokony hangataka fanampiana amin’i Jehovah, araka ny Jakoba 1:5?

6 Angataho i Jehovah mba hanampy anao hahatakatra ny fomba fijeriny. Mampanantena izy hoe hanome antsika fahendrena mba hahafantarantsika raha mampifaly azy na tsia ny fanapahan-kevitra raisintsika. “Malala-tanana amin’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy manome tsiny” rehefa manome an’izany fahendrena izany.​—Vakio ny Jakoba 1:5.

7. Ahoana no hahafantaranao ny fomba fijerin’i Jehovah? Hazavao amin’ny ohatra.

7 Rehefa avy nivavaka ianao mba hahazo ny tari-dalan’i Jehovah dia diniho tsara ny valiny. Andeha hatao hoe manao dia lavitra ianao dia very. Mety hanontany tompon-tany ianao. Fa tonga dia handeha ve anefa ianao na dia mbola tsy namaly akory aza izy? Azo antoka fa tsia. Henoinao tsara ny toromarika omeny. Rehefa avy mangataka fahendrena amin’i Jehovah koa ianao, dia fantaro ny heviny ka jereo hoe inona ny lalàna sy torolalan’ny Baiboly mihatra aminao. Alohan’ny hanapahanao hevitra, ohatra hoe handeha amin’ilay fety noresahina terỳ aloha sa tsia, dia eritrereto izay lazain’ny Baiboly momba an’ireto: Fety tsy voafehy, naman-dratsy, ary ny maha zava-dehibe ny hoe manao loha laharana an’ilay Fanjakana.​—Mat. 6:33; Rom. 13:13; 1 Kor. 15:33.

8. Ahoana no atao raha mila fanampiana ianao rehefa mitady ny fanazavana ilainao? (Jereo koa ny sary.)

8 Mety hila fanampiana ihany ianao indraindray rehefa mitady ny fanazavana ilainao. Mety hahazo torohevitra amin’ny rahalahy na anabavy ampy traikefa ianao. Handray soa koa anefa ianao raha ianao mihitsy no mikaroka. Be dia be izao ny fanazavana ao amin’ny fitaovana ananantsika, ohatra hoe ao amin’ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ilay hoe Andinin-teny Manampy Amin’ny Fiainantsika Kristianina. Tadidio hoe ny handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah no tanjonao.

Fantaro ny fomba fijerin’i Jehovah (Fehintsoratra 8) b


9. Ahoana no hahalalantsika hoe hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisintsika? (Efesianina 5:17)

9 Ahoana no hahalalantsika hoe hampifaly an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra raisintsika? Mila mahafantatra tsara azy aloha isika. Resahin’ny Baiboly hoe: “Izay mahalala an’Ilay Masina Indrindra no mahira-tsaina.” (Ohab. 9:10) Lasa mahira-tsaina isika rehefa mahafantatra ny toetran’i Jehovah, ny fikasany, ary ny zavatra tiany sy tsy tiany. Rehefa fantatrao tsara izy dia saintsaino hoe inona no fanapahan-kevitra hampifaly azy.​—Vakio ny Efesianina 5:17.

10. Nahoana no zava-dehibe kokoa noho ny fomba amam-panao ny torolalan’ny Baiboly?

10 Tsy maintsy mandiso fanantenana ny olona akaiky antsika isika indraindray mba hampifaliana an’i Jehovah. Mety hisy ray aman-dreny, ohatra, hampirisika ny zanany vavy hanambady lehilahy manankarena na afaka manome vodiondry misimisy, na dia tsy matanjaka ara-panahy aza ilay lehilahy. Mety ho antony tsara no mahatonga an-dry zareo hanao an’izany satria tiany hanana fiainana metimety ny zanany vavy. Iza anefa no hanampy azy handroso ara-panahy raha izay? Ahoana no fahitan’i Jehovah an’izany? Mamaly an’izany ny Matio 6:33. Ampirisihina ny Kristianina ao hoe: ‘Katsaho foana aloha ilay Fanjakana.’ Marina fa manome voninahitra ray aman-dreny sy manaja fiaraha-monina isika. Ny hampifaly an’i Jehovah anefa no zava-dehibe indrindra amintsika.

DINIHO TSARA DAHOLO NY SAFIDY ANANANAO

11. Inona ny toetra hanampy anao resahin’ny Ohabolana 2:11?

11 Inona no mila ataonao rehefa avy nandinika ny torolalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay fanapahan-kevitra horaisinao ianao? Diniho tsara ny safidy rehetra anananao. (Vakio ny Ohabolana 2:11.) Hiaro anao ny fahaiza-mandinika, izany hoe hanampy anao hamantatra ny mety ho vokatry ny safidy tsirairay. Mora ny manapa-kevitra indraindray fa tsy voatery ho hoatr’izany foana anefa. Ny fahaiza-mandinika no hanampy anao hahay hanapa-kevitra na dia amin’ny toe-javatra sarotra aza.

12-13. Nahoana ny fahaiza-mandinika no hanampy anao hahay hanapa-kevitra momba ny asa?

12 Eritrereto ity ohatra ity: Mitady asa ianao mba hamelomana ny fianakavianao dia misy asa roa hitanao. Fantarinao ny karazan’ilay asa, ny fandaharam-potoana, ny fotoana ivezivezena, sy ny sisa. Samy tsy mifanohitra amin’ny Baiboly ireo asa roa ireo. Mety ho tianao kokoa ny iray satria metimety aminao ilay asa, na be karama kokoa. Misy zavatra hafa mila dinihinao anefa alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra.

13 Mifanindry amin’ny fotoana fivoriana ve, ohatra, ny ora fiasana amin’ilay asa iray? Sa maka ny fotoana atokanao ho an’ny fianakavianao mba hanomezana an’izay ilain’izy ireo eo amin’ny ara-panahy sy ara-pihetseham-po? Fanontaniana hoatr’izany no hanampy anao hifantoka amin’izay “zava-dehibe kokoa”, izany hoe amin’ny fanompoanao an’i Jehovah sy izay ilain’ny fianakavianao, fa tsy amin’ny tombony ara-bola. (Fil. 1:10a) Hotahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitrao amin’izay.

14. Tsy hampihemotra ny hafa ianao raha be fitiavana sy mahay mandinika. Hazavao.

14 Raha mahay mandinika koa isika dia hisaintsaina hoe inona no mety ho vokatry ny fanapahan-kevitsika amin’ny hafa. “Tsy hampihemotra ny sasany” isika amin’izay. (Fil. 1:10b) Tena zava-dehibe izany rehefa hanapa-kevitra amin’ny resaka akanjo sy paozy isika. Mety hoe misy fomba fiakanjo na paozy tiantsika. Ahoana anefa raha manafintohina ny mpiara-manompo na ny olon-kafa ilay izy? Hanaja ny fihetseham-pon’izy ireo isika raha mahay mandinika. Ny fitiavana koa no mahatonga antsika hitady izay hahasoa “ny hafa” sy hanetry tena. (1 Kor. 10:23, 24, 32; 1 Tim. 2:9, 10) Ho hita amin’ny fanapahan-kevitsika, amin’izay, hoe tia sy manaja olona isika.

15. Inona avy no mila dinihinao alohan’ny hanatanterahana fanapahan-kevitra lehibe?

15 Raha handray fanapahan-kevitra lehibe ianao dia eritrereto daholo izay mila atao mba hanatanterahana an’ilay izy. Nampianatra antsika i Jesosy mba hanao “kajy hoe ohatrinona no ho lany.” (Lioka 14:28) Eritrereto àry ny fotoana sy ny vola ary ny ezaka mila ataonao mba hampahomby an’ilay fanapahan-kevitra. Afaka manontany ny fianakavianao ianao amin’ny toe-javatra sasany, mba hahitana hoe inona no mila ataon’ny tsirairay raha horaisina ilay fanapahan-kevitra. Nahoana no zava-dehibe ny manomana hoatr’izany? Mety ho hitanao hoe misy zavatra mila ahitsy amin’ilay fanapahan-kevitra, na misy fanapahan-kevitra tsara kokoa. Raha manontany ny hevitry ny fianakavianao sy mihaino tsara azy ireo koa ianao, dia ho vonona hanampy anao izy ireo mba hampahomby an’ilay fanapahan-kevitra.​—Ohab. 15:22.

FANAPAHAN-KEVITRA TSARA

16. Inona avy ny dingana hanampy anao handray fanapahan-kevitra tsara? (Jereo koa ilay hoe “ Ahoana no Handraisana Fanapahan-kevitra Tsara?”)

16 Ho vonona handray fanapahan-kevitra tsara ianao raha manaraka an’ireo dingana noresahina tato. Efa anananao ny fanazavana ilainao, ary efa nodinihinao ny torolalan’ny Baiboly hanampy anao handray fanapahan-kevitra mampifaly an’i Jehovah. Angataho amin’izay i Jehovah mba hampahomby an’ilay fanapahan-kevitrao.

17. Inona no tena manampy anao hahay hanapa-kevitra?

17 Na dia betsaka aza ny fanapahan-kevitra tsara efa noraisinao, dia tadidio hoe ny fahendrena avy amin’i Jehovah no tena manampy anao hahay hanapa-kevitra, fa tsy ny fahaizanao na ny traikefa anananao. Izy ihany no afaka manome anao ny tena fahalalana, fahiratan-tsaina, ary fahaiza-mandinika. Ireo no mahatonga anao ho hendry. (Ohab. 2:1-5) Afaka manampy anao i Jehovah mba handray fanapahan-kevitra mampifaly azy.​—Sal. 23:2, 3.

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

a SARY: Rahalahy sy anabavy tanora mijery telefaonina sady mifampiresaka satria nahazo fanasana hanatrika fety.

b SARY: Manao fikarohana ny iray amin’ireo rahalahy alohan’ny hanapahany hevitra hoe handeha amin’ilay fety sa tsia.