Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 4

HIRA 18 Ankasitrahantsika ny Vidim-panavotana

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vidim-panavotana?

Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vidim-panavotana?

“Izao no nampisehoana ny fitiavan’Andriamanitra.”​—1 JAONA 4:9.

HEVITRA HODINIHINA

Ahitana ny toetran’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny vidim-panavotana.

1. Inona no soa raisintsika raha manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy isan-taona isika?

 MIAIKY isika rehetra hoe fanomezana sarobidy ny vidim-panavotana. (2 Kor. 9:15) Afaka mifandray akaiky amin’i Jehovah Andriamanitra ianao satria nanome ny ainy i Jesosy. Afaka manantena koa ianao hoe hiaina mandrakizay. Tena mety àry raha asehontsika hoe mankasitraka ny vidim-panavotana isika! Mety koa raha mankasitraka an’i Jehovah isika satria tia antsika izy matoa nanome ny vidim-panavotana! (Rom. 5:8) Nasain’i Jesosy nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesany isika isan-taona, mba hanampiana antsika hankasitraka foana sy tsy hanao tsinontsinona ny vidim-panavotana mihitsy.​—Lioka 22:19, 20.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Amin’ny asabotsy 12 Aprily 2025 ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Azo antoka hoe efa miomankomana ho amin’izany daholo isika. Handray soa be dia be isika raha manokana fotoana hisaintsainana a an’izay nataon’i Jehovah sy ny Zanany ho antsika, mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana. Hodinihintsika ato hoe inona no ianarantsika momba an’i Jehovah sy ny Zanany rehefa mandinika ny vidim-panavotana isika. Hanampy antsika ny lahatsoratra manaraka mba hahatakatra hoe inona no soa raisintsika noho ny vidim-panavotana, ary ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka an’ilay izy isika.

IZAY IANARANTSIKA MOMBA AN’I JEHOVAH

3. Ahoana no hetezan’ny hoe lehilahy iray no maty nefa olona an-tapitrisany no azo avotana? (Jereo koa ny sary.)

3 Hita avy amin’ny vidim-panavotana hoe manao ny rariny i Jehovah. (Deot. 32:4) Eritrereto izao: Tsy nankatò i Adama dia lasa mpanota sy maty isika satria taranany. (Rom. 5:12) Mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana, dia nanao fandaharana i Jehovah mba hanomezana an’i Jesosy ho vidim-panavotana. Ahoana anefa no hetezan’izany? Lehilahy lavorary iray ve no maty dia olona an-tapitrisany no avotra? Hoy ny apostoly Paoly: “Rehefa tsy nankatò ny lehilahy iray [Adama], dia olona maro no lasa mpanota. Dia hoatr’izany koa fa rehefa nankatò ny olona iray [Jesosy], dia olona maro no lasa olo-marina.” (Rom. 5:19; 1 Tim. 2:6) Olona lavorary iray fotsiny izany no tsy nankatò dia lasa andevon’ny ota sy ny fahafatesana isika. Lehilahy lavorary iray fotsiny koa no nankatò dia azo nafahana isika.

Lehilahy iray no nahatonga antsika ho andevon’ny ota sy ny fahafatesana. Lehilahy iray koa no nanafaka antsika. (Fehintsoratra 3)


4. Nahoana no tsy mety raha avelan’i Jehovah hiaina mandrakizay fotsiny ny taranak’i Adama manana fo tsara?

4 Tena tsy maintsy hoe maty ve i Jesosy vao azo navotana isika? Maninona raha navelan’i Jehovah hiaina mandrakizay fotsiny ny taranak’i Adama manana fo tsara? Raha amin’ny olombelona tsy lavorary dia hoatran’ny hoe mety izany, sady tsara fanahy i Jehovah raha izany no nataony. Tsy ho hita anefa amin’izay hoe tonga lafatra ny fanaovany ny rariny. Noho izy manao ny rariny dia tsy azony navela tamin’izao fotsiny ilay fikomiana lehibe nataon’i Adama.

5. Nahoana isika no mahazo antoka hoe hanao ny rariny foana i Jehovah?

5 Ahoana raha nampandefitra ny rariny i Jehovah, dia tsy nanome ny vidim-panavotana fa navelany hiaina mandrakizay fotsiny ny taranak’i Adama tsy lavorary? Mety hieritreritra ny olona hoe sao dia mampandefitra ny rariny koa izy amin’ny zavatra sasany. Sao dia misy tsy tanterahiny, ohatra, ny fampanantenany? Tsy misy atahorana anefa ny amin’izany. Fantatsika mantsy hoe nampihatra ny rariny i Jehovah na dia mafy be taminy aza izany. Izy izao nahafoy an’ilay Zanany tena tiany. Manome toky antsika izany hoe hanao ny rariny foana izy.

6. Nahoana ny vidim-panavotana no ahitana hoe tia antsika i Jehovah? (1 Jaona 4:9, 10)

6 Marina hoe manampy antsika hahatakatra ny fanaovan’i Jehovah ny rariny ny vidim-panavotana. Ny haben’ny fitiavany antsika anefa no tena asongadin’izy io. (Jaona 3:16; vakio ny 1 Jaona 4:9, 10.) Hita amin’ny fampianarana momba ny vidim-panavotana hoe tian’i Jehovah hiaina mandrakizay isika sady tiany ho anisan’ny fianakaviany. Eritrereto izao: Rehefa nanota i Adama dia noroahin’i Jehovah tsy ho anisan’ny fianakaviany. Rehefa teraka àry isika dia tsy anisan’ny fianakavian’Andriamanitra. Noho ny vidim-panavotana anefa dia mamela ny helotsika i Jehovah, ary hampidiriny ao amin’ny fianakaviany indray ny olona rehetra mino sy mankatò azy. Amin’izao aza isika dia efa afaka ny hifandray tsara amin’i Jehovah sy amin’ny mpiara-manompo. Tena tia antsika tokoa i Jehovah!​—Rom. 5:10, 11.

7. Nahoana ny fijalian’i Jesosy no manampy antsika hahatakatra ny haben’ny fitiavan’i Jehovah antsika?

7 Ho azontsika kokoa ny haben’ny fitiavan’i Jehovah antsika, raha saintsainintsika ny zavatra niaretany tamin’izy nanome ny vidim-panavotana. Lazain’i Satana fa hivadika amin’Andriamanitra daholo ny mpanompony rehefa sarotra amin-dry zareo ny mankatò azy. Ahoana no anaporofoan’i Jehovah hoe diso izany? Navelany hijaly i Jesosy talohan’ny hahafatesany. (Joba 2:1-5; 1 Pet. 2:21) Hitan’i Jehovah daholo ny nanesoesoan’ny mpitondra fivavahana an’i Jesosy, ny nikaravasin’ny miaramila azy, ary ny namantsihana azy teo amin’ny hazo fijaliana. Hitany koa hoe nijalijaly be ilay Zanany tena tiany talohan’ny nahafatesany. (Mat. 27:28-31, 39) Manana ny hery hanakanana an’izany rehetra izany i Jehovah. Afaka nisakana an’izany, ohatra, izy rehefa niteny ny mpanohitra hoe: “Raha tia azy Andriamanitra, dia tokony hamonjy azy.” (Mat. 27:42, 43) Raha nanao zavatra anefa Andriamanitra dia tsy ho voaloa ny vidim-panavotana, ary tsy ho nanana fanantenana mihitsy isika. Navelany hijalijaly àry ilay Zanany mandra-pialan’ny fofonainy.

8. Mafy tamin’i Jehovah ve ny nahita ny Zanany nijaly? Hazavao. (Jereo koa ny sary.)

8 Tsy hoe Andriamanitra Mahery Indrindra akory i Jehovah dia tsy misy fihetseham-po. Tadidio hoe natao mitovy endrika aminy isika, izany hoe noforonina mba hanana fihetseham-po. Manana fihetseham-po koa izany i Jehovah. Milaza ny Baiboly hoe nisy fotoana ‘naratra ny fony’ ary ‘nalahelo’ izy. (Sal. 78:40, 41) Eritrereto koa ny zavatra niainan’i Abrahama sy Isaka. Tadidinao angamba hoe nasaina nanao sorona an’io zanany lahitokana io i Abrahama. (Gen. 22:9-12; Heb. 11:17-19) Azonao sary an-tsaina ve ny fihetseham-po nifamahofaho tsapan’i Abrahama rehefa niomankomana hamono an’i Isaka tamin’ny antsy izy? Mbola mangidy noho izany ny niaretan’i Jehovah rehefa nijery an’ilay Zanany novonovonoin’ny olona mandra-pahafatiny izy!​—Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Tahafo ny Finoan’izy Ireo: Abrahama, Fizarana 2.

Mafy be tamin’i Jehovah ny nijery an’ilay Zanany nijaly (Fehintsoratra 8)


9. Inona no ianaranao momba ny haben’ny fitiavan’i Jehovah anao sy ny mpiara-manompo aminao, rehefa jerena ny Romanina 8:32, 38, 39?

9 Ianarantsika avy amin’ny vidim-panavotana hoe tsy misy tia antsika kokoa noho i Jehovah, na ny havantsika sy ny namantsika akaiky indrindra aza. (Vakio ny Romanina 8:32, 38, 39.) Azo antoka hoe mbola tia antsika mihoatra noho ny itiavantsika ny tenantsika i Jehovah. Te hiaina mandrakizay ve, ohatra, ianao? Mbola maniry an’izany mihoatra noho ianao i Jehovah. Tianao ho voavela ve ny helokao? Mbola te hamela ny helokao mihoatra noho ny eritreretinao izy. Izao fotsiny no andrasany amintsika: Tiany hankasitraka an’ilay fanomezana sarobidy isika ka hino sy hankatò azy. Tena fomba lehibe ampisehoan’i Jehovah ny fitiavany antsika tokoa ny vidim-panavotana. Mbola hianatra be dia be momba ny fitiavan’i Jehovah isika any amin’ny tontolo vaovao.​—Mpito. 3:11.

IZAY IANARANTSIKA MOMBA AN’I JESOSY

10. a) Inona no tena nampalahelo an’i Jesosy tamin’izy hovonoina? b) Ahoana avy no nanamarinan’i Jesosy ny anaran’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Nanamarina ny Anaran’i Jehovah ny Tsy Fivadihan’i Jesosy.”)

10 Zava-dehibe amin’i Jesosy ny lazan’ny Rainy. (Jaona 14:31) Nalahelo be i Jesosy hoe mety hanala baraka ny anaran’ny Rainy ilay izy nampangaina hoe manevateva an’Andriamanitra sy mampirisika ny olona hikomy. Izany no nahatonga azy hivavaka hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia mba esory amiko ity kaopy ity.” (Mat. 26:39) Nahavita nanamarina ny anaran’ny Rainy i Jesosy rehefa tsy nivadika mandra-pahafatiny.

11. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tena tia olona izy? (Jaona 13:1)

11 Mampianatra antsika koa ny vidim-panavotana hoe zava-dehibe amin’i Jesosy ny olona, indrindra fa ny mpianany. (Ohab. 8:31; vakio ny Jaona 13:1.) Efa fantatr’i Jesosy, ohatra, hoe ho sarotra be ny hanatanteraka ny lafiny sasany amin’ny fanompoany, indrindra fa ilay izy hijalijaly alohan’ny hahafatesany. Tsy hoe nanao ny fanendrena azy tetỳ an-tany fotsiny izy satria izay no nasaina nataony. Nataony tamin’ny fo kosa ny fitoriana sy ny fampianarana ary ny fanampiana olona. Ny alina talohan’ny hahafatesany aza izy mbola nanokana fotoana hanasana ny tongotry ny apostoliny ihany, dia nampahery sy nampianatra an-dry zareo. (Jaona 13:12-15) Rehefa teo amin’ny hazo fijaliana koa i Jesosy, dia mbola nahita fotoana hanomezana fanantenana ny olon-dratsy iray efa ho faty. Tamin’izay koa izy no nandamina ny fikarakarana an’i Maria reniny. (Lioka 23:42, 43; Jaona 19:26, 27) Tsy tamin’ny nahafatesany ihany àry no nampisehoan’i Jesosy hoe tena tia antsika izy, fa tamin’ny fiainany manontolo teto an-tany mihitsy.

12. Nahoana isika no milaza hoe mbola manao sorona ho antsika foana i Jesosy?

12 Marina hoe maty “indray mandeha fotsiny” i Kristy, nefa mbola manao sorona ho antsika foana izy. (Rom. 6:10) Ahoana izany? Mbola manokana fotoana sy hery ho antsika foana izy mba handraisantsika soa avy amin’ny vidim-panavotana. Eritrereto daholo ange ny asa ataony e! Izy izao no Mpanjakantsika, Mpisoronabe, ary lohan’ny fiangonana. (1 Kor. 15:25; Efes. 5:23; Heb. 2:17) Izy no miandraikitra ny fanangonana ny voahosotra sy ny vahoaka be, ary tokony ho vita alohan’ny faran’ny fahoriana lehibe izany. b (Mat. 25:32; Mar. 13:27) Ataony ampy sakafo ara-panahy foana koa ny mpanompony tsy mivadika, amin’izao andro farany izao. (Mat. 24:45) Mbola hanao zavatra ho antsika foana izy mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Tena nomen’i Jehovah ho antsika tokoa ny Zanany!

MIANARA FOANA

13. Misy zava-baovao azo ianarana foana momba ny fitiavan’Andriamanitra sy Kristy antsika. Ahoana no anaovana an’izany?

13 Hiana-javatra momba ny fitiavan’i Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy antsika foana isika, arakaraka ny hisaintsainantsika momba an’izany. Afaka mandinika Filazantsara iray na maromaro, ohatra, ianao amin’ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Aza atao be loatra no indray ianarana fa ataovy tsikelikely, dia mitadiava antony fanampiny itiavanao an’i Jehovah sy Jesosy. Aza hadinoina koa ny miresaka an’izay nianaranao amin’ny olona.

14. Nahoana isika no hahita zava-baovao foana momba ny vidim-panavotana sy ny fampianarana hafa raha manao fikarohana? (Salamo 119:97, f.a.p.) (Jereo koa ny sary.)

14 Efa ela ve ianao no tao amin’ny fahamarinana? Mety hieritreritra ianao hoe tsy hahita zava-baovao intsony amin’ny foto-kevitra efa mahazatra, ohatra hoe ny fanaovan’i Jehovah ny rariny, ny fitiavany, na ny vidim-panavotana. Tsy misy farany anefa ny zavatra azontsika ianarana momba an’ireo sy ny foto-kevitra hafa. Inona àry no azonao atao? Hararaoty ny fanazavana be dia be omen’ny boky sy gazetintsika. Rehefa misy hevitra tsy azonao tsara dia manaova fikarohana. Saintsaino mandritra ny andro avy eo ilay zava-baovao hitanao. Saintsaino koa izay ianaranao momba an’i Jehovah sy ny Zanany ary ny fitiavan-dry zareo anao.​—Vakio ny Salamo 119:97 sy ny fanamarihana ambany pejy.

Afaka mampitombo ny fankasitrahantsika ny vidim-panavotana isika, na dia efa ela aza no tao amin’ny fahamarinana (Fehintsoratra 14)


15. Nahoana isika no tokony hikaroka harena ao amin’ny Baiboly foana?

15 Aza kivy raha tsy mahita zava-baovao na zavatra mahaliana be ianao indraindray rehefa mamaky Baiboly na manao fikarohana. Hoatran’ny olona manasivana volamena mantsy ianao. Manam-paharetana ireny olona ireny ka vonona handany ora maro na andro maro mihitsy mba hahitana volamena, na dia potiny kely aza. Mikiry foana anefa ry zareo satria na volamena kely fotsiny aza dia sarobidy aminy. Mbola sarobidy lavitra noho izany anefa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly! (Sal. 119:127; Ohab. 8:10) Manàna àry faharetana dia aza tapahina mihitsy ny famakianao Baiboly.​—Sal. 1:2.

16. Ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah sy Jesosy?

16 Mitadiava fomba hampiharana an’izay ianaranao. Manaova, ohatra, ny rariny hoatran’i Jehovah ka aza manavakavaka. I Jesosy koa izao tia ny Rainy sy ny olon-kafa. Afaka manahaka azy ve ianao ka vonona hijaly ho an’ny anaran’i Jehovah sy hahafoy tena ho an’ny mpiara-manompo? Tahafo koa i Jesosy ka mitoria, amin’izay ny olon-kafa afaka mahazo an’ilay fanomezana sarobidy avy amin’i Jehovah.

17. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

17 Vao mainka isika ho tia an’i Jehovah sy ny Zanany, arakaraka ny hianarantsika sy hankasitrahantsika ny vidim-panavotana. Hitombo koa ny fitiavan-dry zareo antsika amin’izay. (Jaona 14:21; Jak. 4:8) Ampiasao daholo àry izay omen’i Jehovah mba hianarana momba ny vidim-panavotana foana. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka ny santionany amin’ny soa ho azontsika noho ny vidim-panavotana, sy ny fomba sasany ankasitrahantsika ny fitiavan’i Jehovah.

HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

a FANAZAVANA: Ny hoe “misaintsaina” dia midika hoe mampifantoka ny saina amin’ny foto-kevitra iray, ary mandinika lalina an’ilay izy.

b Tsy mitovy ilay fanangonana “ny zavatra any an-danitra” resahin’i Paoly ao amin’ny Efesianina 1:10, sy ny fanangonana ny ‘olom-boafidy’ resahin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:31 sy Marka 13:27. Ny fotoana ifidianan’i Jehovah ny zanany ara-panahy ka anosorany azy ireo amin’ny fanahy masina no tian’i Paoly horesahina. Ny fotoana hanangonana ny sisa voahosotra eto an-tany mba ho any an-danitra, mandritra ny fahoriana lehibe, kosa ilay noresahin’i Jesosy.