Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LAHATSORATRA FIANARANA 5

HIRA 108 Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

Inona ny Soa Azontsika Noho i Jehovah Tia Antsika?

Inona ny Soa Azontsika Noho i Jehovah Tia Antsika?

“Tonga teto amin’izao tontolo izao i Kristy Jesosy mba hamonjy ny mpanota.”​—1 TIM. 1:15.

HEVITRA HODINIHINA

Inona ny soa azontsika avy amin’ny vidim-panavotana? Ary ahoana no ampisehoantsika amin’i Jehovah hoe mankasitraka an’ilay izy isika?

1. Inona no azontsika atao mba hampifaliana an’i Jehovah?

 ERITRERETO hoe manome fanomezana sarobidy ho an’ny olona iray tianao ianao. Tsara tarehy ilay izy sady tena ilainy. Ahoana anefa raha ampiriminy fotsiny ilay izy dia tsy raharahiany? Azo antoka hoe halahelo be ianao. Ho faly kosa ianao raha ampiasainy tsara ilay izy sady asehony hoe mankasitraka anao izy. Nanome antsika ny Zanany koa i Jehovah. Tsy maintsy hoe faly be izao i Jehovah mahita antsika mankasitraka an’io fanomezana sarobidy io sy mankasitraka ny fitiavany, izay nahatonga azy hanome ny vidim-panavotana.​—Jaona 3:16; Rom. 5:7, 8.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Mety hanamaivana ny vidim-panavotana anefa isika rehefa mandeha ny fotoana. Faly isika nahazo an’io fanomezana avy amin’Andriamanitra io, nefa hoatran’ny hoe ampirimintsika fotsiny ilay izy. Ahoana no hatao raha tsy tiantsika hitranga izany? Tsy maintsy misaintsaina matetika an’izay nataon’Andriamanitra sy Kristy ho antsika isika. Hanampy antsika hanao an’izany ity lahatsoratra ity. Hodinihintsika ato ny soa azontsika dieny izao sy amin’ny hoavy, noho ny vidim-panavotana. Hojerentsika koa ny fomba ampisehoantsika hoe mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah isika, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao.

NY SOA AZONTSIKA DIENY IZAO

3. Inona, ohatra, ny soa azontsika dieny izao noho ny vidim-panavotana?

3 Efa mandray soa avy amin’ny sorom-panavotan’i Kristy isika dieny izao. Mamela ny fahotantsika, ohatra, i Jehovah noho ny vidim-panavotana. Izy mihitsy no te hanao an’izany fa tsy hoe voatery akory izy. Nankasitraka an’i Jehovah ny mpanao salamo iray dia nihira hoe: “Tsara toetra sy vonona hamela heloka ... ianao, Jehovah ô!”​—Sal. 86:5; 103:3, 10-13.

4. Ho an’iza no nanomezan’i Jehovah ny vidim-panavotana? (Lioka 5:32; 1 Timoty 1:15)

4 Misy mieritreritra hoe tsy mendrika ny hahazo ny famelan-kelok’i Jehovah. Isika rehetra, raha ny marina, no tsy mendrika an’izany. Niaiky ny apostoly Paoly hoe “tsy mendrika ny hantsoina hoe apostoly” izy. Nilaza anefa izy avy eo hoe: “Ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’Andriamanitra ... no nahatonga ahy ho hoatr’izao.” (1 Kor. 15:9, 10) Mamela antsika i Jehovah rehefa mibebaka isika. Manao an’izany izy satria tia antsika, fa tsy hoe mendrika an’izany akory isika. Raha miady saina be àry ianao satria mieritreritra hoe tsy mendrika, dia tadidio hoe nomen’i Jehovah ho an’ny mpanota mibebaka ny vidim-panavotana fa tsy ho an’ny olona tsy nanota.​—Vakio ny Lioka 5:32; 1 Timoty 1:15.

5. Misy amintsika ve tokony hieritreritra hoe tsy maintsy amindran’i Jehovah fo? Hazavao.

5 Tsy misy tokony hieritreritra mihitsy isika hoe tsy maintsy amindran’i Jehovah fo, na dia ireo efa nanompo an’i Jehovah ela be aza. Marina aloha hoe ankasitrahan’i Jehovah ny tsy fivadihantsika hatramin’izay e! (Heb. 6:10) Fanomezana maimaim-poana anefa ny Zanany fa tsy hoe takalon’ny fanompoantsika azy. Raha mieritreritra àry isika hoe nisy zavatra nataontsika mba hahazoana ny famindram-pon’i Jehovah, na hoe tokony hoentina amin’ny fomba miavaka isika, dia hoatran’ny te hilaza isika hoe matimaty foana i Kristy.​—Ampitahao amin’ny Galatianina 2:21.

6. Nahoana i Paoly no niezaka be tamin’ny fanompoana?

6 Maninona i Paoly no niezaka be tamin’ny fanompoana nefa efa fantany hoe tsy izay no hahazoany ny famindram-pon’i Jehovah? Tiany haseho hoe mankasitraka ny hatsaram-panahy miavaka nasehon’i Jehovah taminy izy, fa tsy hoe te hanaporofo akory izy hoe mendrika an’izany. (Efes. 3:7) Hoatran’i Paoly, dia mazoto manompo an’i Jehovah foana koa isika satria tiantsika haseho hoe mankasitraka ny famindram-pony isika, fa tsy hoe te hanaporofo hoe mendrika an’izany.

7. Inona koa ny soa azontsika dieny izao noho ny vidim-panavotana? (Romanina 5:1; Jakoba 2:23)

7 Anisan’ny soa raisintsika avy amin’ny vidim-panavotana koa dieny izao ny hoe afaka minamana be amin’i Jehovah isika. a Noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha hoe vao teraka isika dia efa tsy nanana fifandraisana tamin’Andriamanitra. Noho ny vidim-panavotana anefa dia afaka “mihavana amin’Andriamanitra” isika ary afaka ny hifandray akaiky aminy.​—Vakio ny Romanina 5:1; Jakoba 2:23.

8. Nahoana isika no tokony hankasitraka an’i Jehovah noho isika manana tombontsoa hivavaka?

8 Eritrereto ny tombontsoantsika hivavaka. Anisan’ny fomba ifandraisantsika amin’i Jehovah izany. Henon’i Jehovah ny vavaka ampahibemaso ataon’ny mpanompony, rehefa miara-mivory ry zareo. Henony koa anefa ny vavaka ataontsika tsirairay. Mampitony ny fontsika ny vavaka sady mampilamin-tsaina antsika. Tsy izay ihany anefa. Vao mainka izy io mampifandray antsika amin’Andriamanitra. (Sal. 65:2; Jak. 4:8; 1 Jaona 5:14) Nivavaka matetika i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany satria fantany hoe hihaino azy i Jehovah, sady hanamafy ny fifandraisany amin’ilay Rainy izany. (Lioka 5:16) Tsy velom-pankasitrahana ve ianao hoe afaka minamana amin’i Jehovah, sady afaka miresaka aminy amin’ny alalan’ny vavaka mihitsy aza, noho ny soron’i Jesosy?

NY SOA HO AZONTSIKA AMIN’NY HOAVY

9. Inona ny soa ho azon’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, amin’ny hoavy, noho ny vidim-panavotana?

9 Inona ny soa ho azon’ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, amin’ny hoavy, noho ny vidim-panavotana? Hahazo fiainana mandrakizay ry zareo. Tsy mino an’izany ny olona maro satria efa maty foana ny olombelona hatramin’izay. Efa fikasan’i Jehovah hatramin’ny voalohany anefa ny hoe hiaina mandrakizay ny olombelona. Raha tsy nanota i Adama, dia tsy hisy hieritreritra mihitsy hoe nofinofy ny fiainana mandrakizay. Afaka manantena isika hoe tena hisy ny fiainana mandrakizay na dia hoatran’ny hoe sarotra inoana aza izany amin’izao. Nahafoy zavatra sarobidy be mantsy i Jehovah, dia ny Zanany malala, mba hahafahantsika manantena an’izany indray.​—Rom. 8:32.

10. Inona no efa tsy andrin’ny voahosotra sy ny ondry hafa?

10 Marina fa mbola soa ho azontsika amin’ny hoavy ilay hoe hiaina mandrakizay. Dieny izao anefa isika dia efa tian’i Jehovah hisaintsaina momba an’izany. Manantena ny voahosotra hoe ho tsara be ny fiainany any an-danitra rehefa hitondra ny tany miaraka amin’i Kristy ry zareo. (Apok. 20:6) Ny ondry hafa kosa manantena hiaina ao amin’ny Paradisa eto an-tany, sady tsy hanaintaina na halahelo intsony. (Apok. 21:3, 4) Anisan’ny ondry hafa ve ianao? Tsy ambany akory ny valisoanao raha oharina amin’ilay hoe hiaina any an-danitra. Noforonina hiaina mandrakizay eto an-tany mantsy ny olombelona rehetra, ary izany no tena mahasambatra an-dry zareo.

11-12. Milazà fitahiana sasany ao amin’ny Paradisa efa azontsika saintsainina. (Jereo koa ny sary.)

11 Eritrereto ny fiainanao ao amin’ny Paradisa eto an-tany. Tsy hatahotra ny harary na ho faty intsony ianao. (Isaia 25:8; 33:24) Homen’i Jehovah anao izay zavatra tsara rehetra irinao. Inona izao no mba tianao hianarana? Momba ny biby ve? Sa mozika? Sa hoso-doko? Azo inoana hoe mila tantsaha sy olona mahay resaka momba ny trano any amin’ny Paradisa. Mba hanohanana an’ireo asa ireo koa anefa dia ilaina ny mpikarakara sakafo, mpanamboatra fitaovana, ary olona hanatsara ny endriky ny manodidina. (Isaia 35:1; 65:21) Hanam-potoana hianarana an’izay rehetra tianao hianarana ianao satria misokatra eo anoloanao ny mandrakizay.

12 Hahafinaritra ny hitsena an’ireo olona hatsangana amin’ny maty! (Asa. 24:15) Hitombo koa ny zavatra fantatrao momba an’i Jehovah rehefa mandinika ny zavaboary be dia be noforoniny ianao. (Sal. 104:24; Isaia 11:9) Ny tena hahafinaritra indrindra anefa dia hoe tsy hahatsiaro tena ho meloka mihitsy ianao rehefa manompo an’i Jehovah. Izany rehetra izany ve dia hatakalonao ‘fifaliana vetivety amin’ny fahotana’? (Heb. 11:25) Tsy misy dikany ny zavatra tsy maintsy afointsika amin’izao raha oharina amin’ireo fitahiana ireo. Tadidio fa ho lasa zavatra iainanao isan’andro ny Paradisa eto an-tany fa tsy hijanona ho fanantenana foana. Tsy ho nisy izany rehetra izany raha tsy tia be antsika i Jehovah ka nanome antsika ny Zanany.

Inona ny fitahiana efa tena tsy andrinao any amin’ny Paradisa? (Fehintsoratra 11-12)


ASEHOY HOE MANKASITRAKA NY FITIAVAN’I JEHOVAH IANAO

13. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah isika? (2 Korintianina 6:1, f.a.p.)

13 Ahoana no ampisehoanao hoe mankasitraka an’i Jehovah ianao noho izy nanome ny vidim-panavotana? Ny fanompoana azy no ataovy zava-dehibe indrindra aminao. (Mat. 6:33) Izao mantsy, maty i Jesosy “mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’ilay efa maty ho azy ireo sady efa natsangana.” (2 Kor. 5:15) Tsy tiantsika mihitsy ny hanao tsinontsinona ny zava-kendren’ny hatsaram-panahy miavaka asehon’i Jehovah.​—Vakio ny 2 Korintianina 6:1 sy ny fanamarihana ambany pejy.

14. Ahoana no ampisehoantsika hoe matoky ny tari-dalan’i Jehovah isika?

14 Asehontsika koa hoe mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah isika rehefa matoky ny tari-dalany. Ahoana no hanaovantsika an’izany? Tsy maintsy mamantatra an’izay tian’i Jehovah hataontsika isika rehefa hanapa-kevitra, ohatra hoe hanao fianarana ambony sa tsia, na hoe inona no asa hataontsika. (1 Kor. 10:31; 2 Kor. 5:7) Hahafinaritra be ny vokany rehefa asehontsika hoe manam-pinoana isika: Hatoky kokoa an’i Jehovah isika sady hinamana be aminy. Ho mafy orina koa ny fanantenantsika.​—Rom. 5:3-5; Jak. 2:21, 22.

15. Ahoana no hampisehoantsika ny fankasitrahantsika mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?

15 Misy fomba hafa koa azontsika ampisehoana hoe mankasitraka ny fitiavan’i Jehovah isika. Azontsika hararaotina izao vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana izao mba hampisehoana amin’i Jehovah hoe mankasitraka ny vidim-panavotana isika. Ianao aloha efa hiomana hanatrika Fahatsiarovana e! Azonao asaina koa anefa ny hafa. (1 Tim. 2:4) Hazavao amin-dry zareo izay hitranga any. Azonao aseho an-dry zareo ilay video ao amin’ny jw.org hoe Inona no Antony Nahafatesan’i Jesosy? sy ilay hoe Tsarovy ny Nahafatesan’i Jesosy. Tsy tokony ho hadinon’ny anti-panahy koa ny manasa an’ireo tsy mitory intsony. Eritrereto ny hafalian’ny any an-danitra sy ny etỳ an-tany rehefa misy ondrin’i Jehovah te hiverina ao amin’ny andiany! (Lioka 15:4-7) Ataovy tanjona ny hiarahaba ny mpiara-manompo aminao amin’ny andron’ny Fahatsiarovana, fa indrindra koa ireo vaovao sy izay efa ela tsy nanatrika an’ilay izy. Tiantsika raha mahatsapa ry zareo hoe raisina tsara.​—Rom. 12:13.

16. Nahoana isika no tokony hieritreritra ny hampitombo ny fanompoantsika mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana?

16 Afaka mampitombo ny fanompoanao ve ianao mandritra ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana? Fomba tsara ampisehoana izany hoe mankasitraka an’izay rehetra nataon’Andriamanitra sy Kristy ho anao ianao. Arakaraka ny hanompoanao no hahitanao hoe manohana anao i Jehovah. Hatoky kokoa azy ianao amin’izay. (1 Kor. 3:9) Ataovy foana koa ny famakiana Baiboly ho amin’ny Fahatsiarovana. Ho hitanao ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro sy ao amin’ilay tabilao ao amin’ny tari-dalana ho an’ny fivoriana izany. Azonao atao fianarana samirery mihitsy aza ireny andininy ireny.

17. Inona no mahafaly an’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Fomba Hankasitrahantsika ny Fitiavan’i Jehovah.”)

17 Mety tsy hahavita an’izay rehetra noresahina tato ny sasany amintsika, noho ny zavatra iainany. Tadidio anefa hoe tsy hampitahain’i Jehovah amin’ny an’ny olon-kafa ny habetsahan’ny zavatra omenao, fa ny ao am-ponao no jereny. Faly izy rehefa mahita anao mankasitraka an’ilay fanomezana sarobidy, izany hoe ny vidim-panavotana.​—1 Sam. 16:7; Mar. 12:41-44.

18. Nahoana ianao no mankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy?

18 Ny vidim-panavotana ihany no hahazoantsika famelan-keloka, sy hahafahantsika minamana amin’i Jehovah, ary manantena fiainana mandrakizay. Tena tia antsika i Jehovah matoa nanome antsika an’ireny fitahiana ireny. (1 Jaona 4:19) Enga anie àry isika hampiseho foana hoe mankasitraka ny fitiavany! Enga anie koa isika hampiseho hoe mankasitraka an’i Jesosy, satria tena tia antsika izy ka nanome ny ainy ho antsika!​—Jaona 15:13.

HIRA 154 Tia Anao Foana

a Afaka namela ny heloky ny mpanompony i Jehovah, na dia talohan’ny nanomezan’i Kristy ny vidim-panavotana aza. Natoky mantsy izy hoe hahavita tsy hivadika mandra-pahafatiny io Zanany io. Hoatran’ny hoe efa voaloa àry ny vidim-panavotana, amin’Andriamanitra.​—Rom. 3:25.